Ny herisetra dia miseho amin’ny endrika maro, toy ny herisetra ara-batana, ara-moraly, ara-nofo, ara-toekarena… Maro ny antony mampirongatra izany, an'isany ny kolontsaina sy ny fomba fijery raiki-tampisaka ary ny tsy fahampian’ny fanabeazana ara-moraly, ka ilaina ny mihaino sy manampy ireo niharam-boina mba hanarenana ny ratra ara-tsaina sy ara-tsosialy mianjady aminy. Manana andraikitra lehibe ny Fiangonana amin’ny fametrahana rafitra fiarovana, fanofanana ireo mpisehatra, fiaraha-miasa amin’ny Fanjakana sy ny ONG... Fandaharana "Fibeazana Miaina sy Mitia", iarahana amin'ny Centre Arrupe Madagascar...