♦ Hotanterahina anio tolak'andro ny lalao miverina eo amin'ny Barea sy ny Elefanta ivôriana, izay ho tanterahina any amin'ny kianja Barikadimy Toamasina... ♦ Manao antso avo amin'ny fanjakana ireo mpiasa roa eo anivon'ny Jirama. mbola tsy tafaverina amin'ny asany izy ireo, dimy taona aty aorian'ny fitarihana fitokonana tamin'ny taona 2015... ♦ Nahita vaksiny fanindroany fanefitry ny Covid-19 ny orinasa mpamokatra fanafody iray any Etazonia... 

Zoma 20 nôvambra 2020 — Herinandro faha-33 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 19, 45-48 — Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema. Izy Ilay mandefa ny didiny eto an-tany.

♦ Hivory voalohany handinika ny fikatsoan'ny fivoriana ara-potoana eny Anosikely rahampitso ireo loholona... ♦ Tsy nisy afaka mivoaka sy miditra ao Ambatoboeny intsony nanomboka androany ireo fiara, vokatry ny fahatapahan'ny lalana... ♦ Andrasana amin'ny Alarobia izao ny tohin'ny dinika hanatsarana ny fifandraisana eo amin'i Bahreine sy ny Emirats arabo mitambatra... 

Alakamisy 19 nôvambra 2020 — Herinandro faha-33 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 19, 41-44 — Andriamanitra no nampihavana an’izao tontolo izao indray tamin’ny alalan’i Kristy sy nametraka indray ny teny fampanantenana tamintsika.

♦ Mba ahafahantsika miatrika ny fetin'ny faran'ny taona anatin'ny filaminan-tsaina, dia nandray fepetra manokana any amin'ireo distrika vitsivitsy mbola ahitana ny Coronavirus ny fitondram-panjakana... ♦ Nihena ho 16.000 taonina ny anjara litchis azonttsika ahondrana any ivelany, raha toa ka 17.5000 taonina isan-taona... ♦ Any Etazonia, miziriziry amin'ny heviny hatrany ny filoha Donald Trump. Tsy manaiky ny fahareseny tamin'ny fifidianana filoham-panjakana notanterahana tamin'ny 03 novambra... 

Alarobia 18 nôvambra 2020 — Herinandro faha-33 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 19, 11-28 — Raiso ny tenin’Andriamanitra, tsy ho toy ny tenin’olombelona anefa, fa araka ny marina tokoa, ho tenin’Andriamanitra.

16 nôvambra — Teraka ny 06 janoary 1256 i Gertrude. Vao dimy taona monja izy, dia nalefan'ny ray aman-dreniny nobeazina tao amin'ny fikambanana bénédictine tao Helfta tao Saxe, satria izany no fomba tamin'izany fotoana. I Mechtilde de Hackeborn no nandray an-tanana ny fanabeazana sy ny fitantanana am-panahy an'i Gertrude.

♦ Tsy nisy nitondra ny tsimok'aretina Coronavirus ny ekipan'i Barea sy ireo ekipa teknika rehetra. Vita omaly ihany ny fitiliana PCR natao azy ireo tany Toamasina... ♦ Ny 46,89%-n'ireo mpianatra nanala ny fanadinana bakalorea teto Madagasikara no afaka soa aman-tsara ho an'ny taom-pianarana 2019-2020... ♦ Mihazakazaka ny governemanta Israeliana, mamita ilay tetik'asam-panjanahana na ilay nantsoina hoe projet de colonisation, tanterahiny any jerosalema atsinanana... 

Mihena ny tahan'ny ely ka miteraka fiafanan'ny vatana, noho izany dia mila manao mangatsiatsiaka na fitafiana na ny manodidina. Fahaizana matory: matory manomboka amin'ny 9ora alina hatramin'ny 04ora maraina, ahazoana toerimaso mamerina aina izany hoe adin'ny enina hatramin'ny valo eo ho eo. Manao fampiasam-batana hitazomana lanja, 10 minitra isan'andro ary arindra tsara mba hihetsika daholo ny ozatra... 

15 nôvambra — Teraka ny 1193 tao Lauingen tao Souabe i Masindahy Albert. Albrecht von Bollstädt no anarany fa Albert le Grand no iantsoan'ny maro azy. Izy no nampiditra tao amin'ny oniversite tao Europe ny fahalalana sy ny fikarohana grika sy arabo.

14 nôvambra — Teraka ny 27 desambra 1737 tao Saragosse tao Espagne i Joseph Pignatelli. Avy amin'ny fianakaviana andriana izy. Italianina izy avy amin'ny rainy, Antonio Pignatelli, fa ny reniny kosa espagnole, Francesca Moncayo-Fernandez de Heredia. Mbola vao efa-taona monja i Joseph no maty ny reniny, ary nobeazina tany Naples izy.

♦ Efa nivoaka avokoa ny voka-panadinana bakalôrea ankoatra ny eto amin'ny faritanin'Antananarivo... ♦ Voasokajy ho faritra mando faha-21 eto Madagasikara izay arovana eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena na site ramsar kosa ny helodranon'Ambaro... ♦ Nanamafy ny firenena mikambana fa hatao ny 24 desambra 2021 ny fifidianana any Lybie... 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...