Alarobia 06 mey 2020 — Herinandro fahefatra amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 12, 44-50 — Nitsangan-ko velona i Kristy, sady nitondra antsika amin'ny mazava ; isika izay navotany tamin'ny Rany.
♦ Namantatra ny zava-misy momba ny tazo mahery Dengue mahazo ny olona any Mahajanga ny iraky ny fitondrana foibe... ♦ Mirongatra ihany koa ny tazomoka any amin'ny distrikan'Iakora faritr'Ihorombe... ♦ Nanamarika ny ny 03 mey, Andro eran-tany ho an'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety, ny mpanao gazety tany Bongolava...
Talata 05 mey 2020 — Herinandro fahefatra amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 10, 22-30 — Ny ondriko mihaino ny feoko ; hoy ny Tompo, fantatro izy ary manaraka Ahy
♦ Ho voasazy hanao asa ho tombon-tsoany'ny vahoaka mandritra ny tapak'andro izay tratra tsy manao aro-tava mivezivezy eny anivon'ny fiaraha-monina... ♦ Tafakatra 151 ny isan'ny olona voatily ka mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus eto Madagasikara... ♦ Nomarihina omaly ny Andro eran-tany ho an'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety...
♦ Tsy maintsy hihena hatramin'ny 2% ny taham-pitomboana ara-toe-karena malagasy noho ny Coronavirus hoy ny CREM... ♦ Mikatso tanteraka ny sehatry ny asa tanana ankehitriny, noho ny fihibohana hiadiana amin'ny Covid-19... ♦ Tokony hisy ny fivorian'ny parlemanta na dia mbola hotohizana aza ny hamehana ara-pahasalamana hoy ny Solombavam-bahoaka Voninahitsy Jean Eugène...
Voajanahary ho an'ny olombelona ny asa. Mila tiavina sy hajaina ny asa noho izany, mba hampivelarana ny tena sy hampivoarana ny fiaraha-monina : Ny hevitry ny asa ao amin'ny Soratra Masina, miaraka amin'i Mgr Jean Pascal Andriantsoavina.
Alatsinainy 04 mey 2020 — Herinandro fahefatra amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 10, 11-18 — Izaho no mpiandry ondry tsara, hoy ny Tompo, sady mahalala ny ondriko Aho no fantany koa.
♦ Olona 04 indray no voamarina ho mitondra ny tsomok'aretina Coronavirus eto amintsika, raha ny tarehimarika ôfisialy omaly... ♦ CVO 118 baoritra no natolotry ny fitondrana Malagasy maimaim-poana ho an'ireo firenena 15 mivondrona ao amin'ny CDAO... ♦ Nangina ny fanamarihana ny fetin'ny asa omaly teto amintsika, noho ny fihibohana ho amin'ny ady amin'ny Covid-19...
♦ Niarahaba manokana an'i Madagsikara noho ny voka-pikarohana nahafahana namoaka ny tambavy CVO ireo Filoham-pirenena Afrikanina maro omaly... ♦ Tsy nisy nitondra ny tsimok'aretina Coronavirus avokoa ireo olona 121 natao fitiliana tato anatin'ny 24 ora...
♦ Manohana ny tokony hisain'ny fivoriana ara-potoana voalohany ho an'ny parlemanta manomboka ny 05 mey izao ny loholona Olivier Rakotovazaha sy ny depiote Mamy Rabeniriana... ♦ Mangataka fihaonana mivantana amin'ny Filoham-pirenena ny vondron'ny mpitatitra ao an-drenivohitra sy ny manodidina... ♦ Manao antso avo amin'ny tompon'andraikitra ny mpiasa ao amin'ny kaminina an-drenivohitr'i Morondava...
Ireo fomba samihafa entina miatrika ny fihibohana ao an-trano, na eto an-toerana na any ivelany, manerana izao tontolo izao, dia tokony heverina ho mahasoa sy manampy antsika rehetra, izay maniry fivorana hatrany.
(29-04-2020) Ilaina ny firaisankina satria ao anatin' ny fotoantsarotra izao tontolo izao.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco