Alarobia 02 desambra 2020 — Herinandro voalohany amin'ny Fiaviana — Evanjely Masina nosoratan'i Matio 15, 29-37 — Tongava, ry Tompo, ary aza ela ; vahao ny fatoran’ny vahoakanao.

0 : 00

Vahoaka marobe no manaraka an’i Jesoa, vahoaka noana sy mangetaheta, indrindra ny famonjena izay nandrasany hatry ny ela. Malahelo i Jesoa mahita ireo : dia izay ilay fon’Andriamanitra mitempo, mangoraka, tsy mahajery fotsiny ny fahorian’ny olombelona fa avy mamonjy azy malaky. Fa mba hahafahan’Andiamanitra mamonjy dia tsy maintsy mangetaheta aloha ny olona, maniry fatratra, satria tsy atao an-terisetra ny finoana fa atolotra an-kalalahana. Ny famantarana voalohany fa tonga ny Mesia dia resy ny ratsy.

Nampitombo mofo i Jesoa noho ny fahatsapany ny hanoanan’ny vahoaka nanaraka azy. Mofo avy amin’ny olona no nalaina, nomena an’i Jesoa hampitomboiny, satria mila mandray anjara amin’ny famonjena antsika iska fa tsy zaza toloram-potsiny. Nihinnana ny olona rehetra ka voky, ary mbola nisy ambiny, mitory ny haben’ny fitiavan’Andriamanitra, ny habetsahan’ny fanomezany, ampy anaranam-po. Santatr’ilay fanasana any an-danitra izany.

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...