Alatsinainy 30 nôvambra 2020 — Masindahy André, Apôstôly — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 4, 18-22 — Avia hanaraka Ahy, hoy ny Tompo fa hataoko mpanarato olona ianareo.

0 : 00

Ry kristianina havana, isaky ny 30 novambra ny Fiangonana dia mankalaza an’i Md André Apôstôly. Ventesintsika ao amin’ny fiekem-pinoana moa hoe Apôstôlika ny Fiangonana, satria ireo no vavolombelona niara-niaina tamin’i Jesoa Kristy, nandray ny fampianarany, vatofototra nanorenana ny Fiangonana. Misy fiainana tsy voasoratra ao amin’ny Baiboly aza fa tamin’ny Apôstôly no nahazoana azy : lovam-panahy.

Teo am-panaratoana no niantsoan’i Jesoa an’i André sy ireo Apôstôly voalohany ; ny dikany dia hoe eo am-perinasa, eo amin’ny fiainana andavanandro no ihaonana amin’Andriamanitra. Io raharaha fanao io no asandratra ho an’Andriamanitra.

Ireo mpampianatra Jody, niantso mpianatra hianatra lalàna, fa ny mpianatr’i Jesoa koa hianatra an’Izy Jesoa Kristy, hiaina ny fiainany. Nanaraka avy hatrany an’i Jesoa izy ireo vantany vao naheno hoe avia hanaraka Ahy, nilaozany ny haratony sy ny rainy. Izay fandaozana izay, isan’ny fepetra lehibe hanarahana an’i Jesoa, eny fa na dia izay tia indrindra aza, hatramin’ny aina aza. Mankeo amin’izy Jesoa aloha, avy eo irahiny hitory izay inoana. Antso sy iraka ny fiainana, na ilay Eglizy na ho an’ny kristianina tsirairay. Hahatoky amin’izany anie isika.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...