♦ Tsy tokony hanaovana ady hevitra pôlitika ny voka-pikarohan'ny Malagasy mpikaroka hoy i Ramatoa Lalatiana Ravololomanana... ♦ Vehivavy miisa 160 hatramin'ny omaly no nisitraka ny fitaterana maimaim-poana mankany amin'ireo hôpitaly lehibe telo ampiharana ny fitaterana maimaim-poana ny vehivavy mitondra vohoka, iarahana amin'ny FNUAP...

Alarobia 29 aprily 2020 — Herinandro fahatelo amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 6, 35-40 — Nitsangan-ko velona i Kristy, ka tsy maty intsony ; tsy manan-kery aminy intsony ny fahafatesana.

♦ Ho voasazy ireo mivoaka ny trano ka minina tsy mitondra sy manao araon-tava. Fepetra mihatra manomboka androany... ♦ Manao antso avo amin'ny tompon'andraikitra isan-tsokajiny ny FFKM mba hohajaina ny fahafahan'ny renetra amin'ny safidiny izay ataony fa tsy atao an-tery ny fanomezana ny tambavy any an-tsekoly... ♦ Hampiato ny asany manomboka androany ny ankamaroan'ny fiara fitateram-bahoaka ao an-drenivohitra...

♦ Namoaka fanambarana ny diôsezin'Antananarivo, momba ny fanapahan-kevitra noraisina ho an'ny kristianaina... ♦ Misy mitaraina ny mpanjifa amin'ny fanararaotana sy fanambakana ataon'ny Banky iray ao an-drenovohitra... ♦ Mirongatra ny vaky trano eny amin'ny toeram-ponenan'ny mpianatra eny Ankatso II sy Ambohipo...

Talata 28 aprily 2020 — Herinandro fahatelo amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 6, 30-35 — Nitsangan-ko velona i Kristy, sady nitondra antsika amin'ny mazava ; isika izay navotany tamin'ny Rany.

♦ Olona iray vaovao mipetraka eny Soanierana indray no voaporofo fa mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus eto Madagasikara... ♦ Namoaka fanambarana ny KMF/Cnoe Fanabeazana Olom-pirenena, manoloana ny ady hevitra amin'ny fampiasana ny COVID Organics... ♦ Tombanana ho ny volana mey izao vao hiverina ny fampianarana eny amin'ny Oniversiten'Antananarivo...

♦ Olona iray vaovao indray no voaporofo fa mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus eto Madagasikara... ♦ Tsy naneho hevitra velively momba ny CVO i Son Eminence le Cardinal Tsarahazana Désiré, Arsevekan'i Toamasina tamin'ny fanambarana nataony omaly... ♦ Tsy manakana ny fampiasana ny tambavy CVO ny Académie Nationale de Madagascar...

Alatsinainy 27 aprily 2020 — Herinandro fahatelo amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 6, 22-29 — Nahita Ahy ianao ka mino, fa sambatra izay tsy nahita ka mino.

24 aprily — Ny Fidèle resahana eto dia ilay avy any Sigmaringen. Teraka ny ôktôbra 1578 tao Sigmaringen i Fidèle. Marc Roy no tena anarany. Noheverina fa nianatra tao amin'ny sekolin'ny zezoita tao Fribourg izy, avy eo nandalina ny filôzôfia tao Strasbourg ary namarana sy nahazo ny mari-pahaizana momba izany ny taona 1601.

Alahady 26 aprily 2020 — Alahady fahatelo amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 24, 13-35 — Voasy aminay ny Soratra Masina, ry Jesoa Tompo ; ataovy mirehidrehitra ny fonay rehefa miresaka aminay Ianao.

♦ Niampy enina vaovao indray ireo olona sitrana nitondra ny tsimok'aretina Coronavirus... ♦ Mbola misy hatrany hatramin'izao ny fitiliana ireo olona ahiana ho mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus... ♦ Nandefasana toromarika avokoa ny DIDEC rehetra manerana ny Nosy momba ny fiatrehana indray ny fampianarana taorian'ny fihatoana...

♦ Efatra andro nisesy izao, tsy nisy nitondra ny tsimok'aretina Coronavirus ireo natao fitiliana teny amin'ny Institut Pasteur, nitombo 6 ihany koa ny olona sitrana tato anatin'ny 24 ora... ♦ Naheno ny paik'ady nampiharin'i Madagasikara amin'ny ady amin'ny Coronavirus ny Filoha Congolais ka niresaka manokana tamin'ny Filoha Malagasy omaly ny amin'ny fampiasana ny Artemisia...

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...