Alakamisy 26 nôvambra 2020 — Herinandro faha-34 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 21, 20-28 — Miandrandrà, ka asandrato ny lohanareo; fa efa akaiky ny fanavotana anareo.
Raha mandinika izany tenin’i Jesoa izany, izay manambara ny fikorotanana eo amin’izao tontolo izao, dia ny tahotra, ny tebiteby no mameno ny fo aman-tsaina. Eo anatrehan’izany anefa i Jesoa no milaza amin’ny mpianany hoe “raha vao mitomboka izany zavatra izany, dia miandrandrà fa efa akaiky ny fanavotana anareo”. Lavorary tokoa ny famonjena satria i Jesoa feno fahefana sy hery no tonga hamonjy, hanafaka amin’ireny loza aman’antambo miseho amin’ny fiainana ireny. Miandrandra satria avy any an-danitra ny famonjena, dia i Jesoa any ambonin’ny rahona, amin-kery sy fahefana. Tsy tamin’ny andron’ny Apôstôly ihany no iantefan’izany tenin’i Jesoa izany fa na hatramin’izao androntsika izao aza. Eo anatrehan’ny zava-miseho iainantsika amin’izao andro izao, toy ny aretina manerana izao tontolo izao, ny loza voajanahary isan-karazany, ny ady etsy sy eroa, ny korontana miseho lany eo anivon’ny ankohonana sy ny fianakaviana, dia mankahery Izy mba tsy hitebiteby, tsy ho feno tahotra, fa hiandrahandra ny Lanitra.
Manampy antsika hiatrika ny sarotra isan’andro ny fitodihana any amin’Andriamanitra satria mino isika fa mihaino vavaka Andriamanitra ao an-danitra ao. Ny Lanitra no manafaka antsika, ka ny mitodika any no antoka ahazoantsika ny fahafahana. Fantatsika fa tsy maharitra ny fiainana eto an-tany ary marefo io fiainantsika io ; ny mahamafy azy dia ny fiombonam-piainana amin’Andriamanitra. Manana ny lanjany sy toerana lehibe eo amin’ny fiainantsika ny vavaka ; matoa miandrandra ny lanitra dia ny mivavaka no ao ambadik’izany. Koa na inona endrika isehoan’ny tahotra sy tebiteby eo am-piatrehana ny fiainana, ny vavaka no mampitony ny fo sy ny saina. Ary ny vavaka no ahazoana ny hery entina miatrika ny fiainana. Miantso antsika àry i Jesoa ho amin’io toe-po feno fahatoniana io. Efa nandresy ny tahotra ny fitiavana ; rehefa mahatsapa isika fa tia antsika Andriamanitra, amin’izay fotoana izay indrindra no hananantsika ny fahatokisana Azy tanteraka. Ka na eo aza ny fijaliana, ny fahoriana, ny tahotra dia ho zary ho hafaliana ireny manoloana ny fitiavan’Andriamanitra izay itafiantsika. Amen !