Zoma 27 nôvambra 2020 — Herinandro faha-34 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 21, 29-33 — Miandrandrà ka asandrato ny lohanareo, fa efa akaiky ny fanavotana anareo.

0 : 00

Ny zava-maniry toy ny hazo fihinam-boa rehefa ririnina dia ringitra, tsy misy raviny toy ny hazo maina tsy mananan’aina, kanefa mitahiry ao antiny ao ny tsiron-kazo, hamadoana milaza fa velona soa aman-tsara izy ary rehefa tonga ny lohataona na ny fahavaratra dia indro fa mamontsona. Mampiteraka fanantenana ao anatin’ny olona fa hamokatra ao aoriana, hisy voa azo hotazana, hatao sakafo. Velona eto ny fanantenana. Toraka izany ny fiainana miaraka amin’i Jesoa. Na eo aza ny fijaliana hiaretana dia velom-panantenana satria hahavokatra fiainam-baovao izany fiaretana izany. Manana toerana lehibe amin’ny maha kristiana antsika ny fanantenana, toetra mamelombelona ny finoana ao anatintsika ; ny finoana izay herim-panahy entintsika mivelona sy miasa isan’andro. Finoana izay mampita antiska any amin’ny fiainam-baovao miraka amin’i Jesoa.

Io fiainana miaraka amin’i Jesoa io no endrika isehoan’ny Fanjakan’Andriamanitra, dia ilay fanjakan’ny fahamarinana, fanjakan’ny fiadanana sy ny fifankatiavana. Tsy maintsy miombona anjara sy miombona amin’i Jesoa isika amin’ny fanorenana io Fanjakan’Andriamanitra io dia ny ety an-tany. Ny fisian’io Fanjakan’Andriamanitra io no antoka lehibe mamelona ny fanantenana ao anatintsika ao, ka na ho levona aza izao tontolo izao, izay misy ny Fanjakan’Andriamanitra kosa, haharitra mandrakizay, araka ny tenin’i Jesoa manao hoe : “Ho levona ny tany sy ny lanitra fa ny teniko kosa tsy mba ho levona”. Miorina ao am-pontsika ao, amin’ny alalan’ny Teniny mitoetra ao anatintsika ny Fanjakan’Andriamanitra. Toetra takiana amintsika àry ny fahatokisana : fahatokisana an’i Jesoa manambara fa mbola ho avy Izy amim-boninahitra, feno fahefana sy hery hanafaka antsika amin’ny ratsy rehetra. Ny fiainana feno finoana sy fahatokisana an’Andriamanitra dia tsy hihontsona velively, tsy harefo fa ho mafy orina tsy ho azo hozongozonina. Amen !

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...