Zoma 04 désambra 2020 — Herinandro voalohany amin'ny Fiaviana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 9, 27-31 — Indro avy ny Tompontsika miaraka amin’ny heriny, ary hohazavainy ny mason’ireo mpanompony.

0 : 00

Niantso sy nitalaho famonjena tamin’i Jesoa eto, ireo jamba roa lahy. Nanaraka an’i Jesoa teny an-dalana, ary efa tany an-trano Izy vao namaly azy ireo. Endrik’ilay olombelona nitankaizina fa lavitra an’Andriamanitra Fahazavana, fa endrik’ilay vavaka mila faharetana koa satria tsy baikoin’ny filan’olombelona Andriamanitra fa manana ny fombany, mahefa ny sitra-pony. Ny anjarantsika dia ny mitoky sy miandry am-paharetana.

Notendren’i Jesoa ny mason’ireto jamba ka nahiratra : dia izany no famaritana ny hoe famonjena, Andriamanitra manatsotra tanana amin’ny olombelona. Ilay anarana hoe Zanak’i Davida rahateo moa mitory hoe i Jesoa no Mesia nandrasana hatramin’ny ela.

Tsy maintsy ambara mazava izany finoana izany, izany hoe : i Jesoa no Mpamonjy, ary finoana no tanjona fa tsy hoe fahagagana na fahasitranana fotsiny, ary ny finoana aza no mahatanteraka ny fahasitranana ; ny finoana no nahavonjy. Finoana sy faharetana no tsy maintsy kolokoloina fatratra amin’izao fiavian’ny Tompo izao.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...