Alarobia 18 nôvambra 2020 — Herinandro faha-33 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 19, 11-28 — Raiso ny tenin’Andriamanitra, tsy ho toy ny tenin’olombelona anefa, fa araka ny marina tokoa, ho tenin’Andriamanitra.

0 : 00

Rehefa avy nahita ny fihetsika nataon'i Zake sy ny teny nambaran'i Jesoa ny vahoaka nanaraka Azy hiakatra ho any Jerosalema, dia nihevitra fa tonga miaraka amin'izay ny fanjakan'Andriamanitra, satria efa manakaiky koa ny fotoana fankalazana ny pakan'ny Jody tamin'izay. Manoloana izany fiheverana izany indrindra no nahatonga ny fanoharan'i Kristy momba ny mina folo izay tsy maintsy ampitomboina, entiny ilazana fa tsy mety ny miandry mahazo fotsiny fa tsy maintsy mandray andraikitra. Tsy mety ny maminavina fotsiny fa tsy maintsy miezaka mampamokatra ny fanomezana avy aminy. Hafatra ampitain'i Kristy amin'ireto vahoaka ao anatin'izany fanoharana izany ny hoe misy fotoanany avokoa ny zavatra rehetra, ary tsy maintsy manana faharetana, kanefa kosa tsy maintsy omanina izany fa tsy miandry fotsiny. Manamafy ity voalazan'i Masindahy Lioka ity ny voalaza ao amin'i Masindahy Matio 25, 14-30, izay manambara ny fanoharana momba ny talenta, efa nodinihintsika sy nalahatry ny Fiangonana io tamin'ny alahady teo, mametraka fa "tsy mamela anao hipetra-potsiny ny Evanjely". Koa anjarantsika tsirairay àry, ny mandini-tena eo ampandinihana ity volazan'i Kristy ity : "Mba anisan'ilay nampamokatra ny mina sy ny talenta nomena anao ve ianao sa miandry fotsiny izay hiverenan'ny Tompo sy Mpanjaka ".

[Miara-dàlana] Alatsinainy 30 jona 2025

• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...