16 nôvambra — Teraka ny 06 janoary 1256 i Gertrude. Vao dimy taona monja izy, dia nalefan'ny ray aman-dreniny nobeazina tao amin'ny fikambanana bénédictine tao Helfta tao Saxe, satria izany no fomba tamin'izany fotoana. I Mechtilde de Hackeborn no nandray an-tanana ny fanabeazana sy ny fitantanana am-panahy an'i Gertrude.

Tovovavy marani-tsaina sy mirana endrika izy. Nifantohany ny fianarana haisoratra sy haiteny ary ny literatiora latinina, hatramin'ny hira sy ny hoso-doko. Nijanona tao amin'io trano fitokana-monina io ihany anefa izy na vita aza izany fanabeazana fototra nomena azy izany, ary nanoka-tena ho an'Andriamanitra mandrakizay izy. Ny 27 janoary 1281, dia nisy ankizy niseho taminy tamin'ny fahitana, nankahery azy niakatra tamin'ny hazo feno tsilo, izay tena nanorotoro ny fanahiny tokoa. Tsapany, fa ny Tompo io niseho taminy io, nandray azy sy nampakatra azy ary nametraka azy teo anilany. Nanomboka tamin'io fotoana io dia nihamafy ny fiombonan'i Gertrude tamin'Andriamanitra, tao anatin'ny lalan'ny fibebahana marina.

Nifototra tamin'ny fandalinana ny teôlôjia sy ny Soratra Masina izy, teo ihany koa ny fandraisana ireo lahatsoratra momba ny fombam-pivavahana, namaky ny sangan'asan'ireo Aban'ny Fiangonana, indrindra fa ny an'i Masindahy Augustin sy i Masindahy Bernard. Nolaniany tamin'ny fanoratana sy ny fampielezana ny marina momba ny finoana tamim-phatsorana sy mazava ny androm-piainany. Nanompo ny Fiangonana tamim-pahombiazana sy fitiavana izy, ary anisan'ny sangan'asany fanta-daza ny hoe "Révélation" sy ny hoe "Exercices spirituels", izay maneho ny fijoroana ho vavolombelona momba ny fianam-panahiny sy ny firaisany tanteraka tamin'Andriamanitra. Teo ihany koa ny fibanjinany Ilay Fitiavana tonga nofo sy ny vavaka izay nahafoizany tena tanteraka ho an'Andriamanitra amim-pitokiana, ary hanehoany amin'ireo mihaona aminy, fa eo hatrany Andriamanitra. Nataon'Andriamanitra fitaovana hitondra ny fahasoavana i Gertrude, nefa tsapany, fa tsy mendrika izany izy. Nandritra ny dimy volana nandazoan'ny aretina azy, dia tsy mba nampiseho endrika malahelo mihitsy i Gertrude. Hafaliana aza no nitombo tao aminy, arakaraka ny hitomboan'ny fanaintainany. Tamin'ny andro nahafatesany, dia nahita ny Virjiny Masina nidina avy any an-danitra izy, niaraka taminy teo. Ary ny iray tamin'ireo rahavaviny tao amin'ny fikambanana dia nanatrika izany. Ny 17 nôvambra 1302 i Gertrude no nodimandry.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...