♦ Tsy nisy nitondra ny tsimok'aretina Coronavirus ny ekipan'i Barea sy ireo ekipa teknika rehetra. Vita omaly ihany ny fitiliana PCR natao azy ireo tany Toamasina... ♦ Ny 46,89%-n'ireo mpianatra nanala ny fanadinana bakalorea teto Madagasikara no afaka soa aman-tsara ho an'ny taom-pianarana 2019-2020... ♦ Mihazakazaka ny governemanta Israeliana, mamita ilay tetik'asam-panjanahana na ilay nantsoina hoe projet de colonisation, tanterahiny any jerosalema atsinanana... 

0 : 00

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...