♦ Nanomboka omaly alahady ny Herinandro Masina ary mbola mikatona noho ny Coronavirus ireo trano fivavahana rehetra manerana an'i Madagasikara. Nahazo ampaham-potoana isaky ny amin'ny 5 ora hariva, nanomboka omaly alahadin'ny Sampankazo, ao amin'ny haino aman-jerim-panjakana RNM sy TVM ny FFKM... ♦ Mitaky ny hamoahana tsy misy fepetra an'i Rahelisoa Arphine ny biraon'ny Holafitry ny manao gazety...

♦ Hapetraka any amin'ny fokontany ny rafi-piaraha-monina vaovao atao hoe "Loharano" mba ahafahana manatsara hatrany ny ady atao amin'ny Coronavirus... ♦ Nihena roa ny isan'ny mararin'ny tsimok'aretina Coronavirus notsaboina tany amin'ny hôpitaly... ♦ Naiditra am-ponja vonjy maika eny Antanimora ny feran'ny herinandro teo ny talen'ny famoahana ao amin'ny gazety Valosoa, Arphine Rahelisoa...

Ny 5 hatramin'ny 13 Aprily lasa teo no nanatanterahana ny herinandro masina niavaka indrindra. Noho ny amehana ara-pahasalamana nisy dia tao amin'ny Lasapely ihany no nanatanterahana ireo fankalazana rehetra, nanomboka tamin'ny sampan-kazo ka hatramin'ny andron'ny paka.

Hatramin’ny nisian’ny valan’aretina Coronavirus teto Madagasikara, fepetra maro no noraisina mba hiarovana ny fiparihany eto amin’ny firenena. .

♦ Tapitra anion ny 14 andro napetraka ihibohan'ny rehetra an-trano, ho fisorohana ny fihanaky ny Coronavirus. Tombanana ho mbola hitohy izany, manoloana ny zava-misy ankehitriny... ♦ Misy amin'ireo orinasa mbola miodina amin'izao no tsy mampiasa afa-tsy 10% mpiasa sisa... ♦ Manahy ny hisian'ny fipoahana ara-tsôsialy ny Vovonan'ny fiaraha-monim-pirenena na ny PFNOSCM Vofiraisana...

Nandefa horonan-tsary, hafatra ho an'ny mpino ny papa François amin'izao fankalazana ny Herinandro masina izao. Manentana ny tsirairay ny Ray masina mba hahay hanararaotra izao vanim-potoana mihavaka izao. Mila ny "fahaiza-mamorona atosiky ny fitiavana" isika, hoy ny papa, mba handrosoana lavitra kokoa. Araho ny horon-tsary miaraka amin'ny dikan-teny malagasy.

Talata 07 aprily 2020 — Talata masina — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 13, 21-33. 36-38 — Arahaba, ry Mpanjakanay, fatra-panaiky ny Ray, nentina nofantsihana tamin'ny Hazofijaliana Ianao, toy ny zanak'ondry bonaika hovonoina.

♦ Niakatra ho 70 indray ny olona mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus eto Madagasikara, araka ny tatitra omaly hariva... ♦ Nilaza ny Filoham-pirenena omaly hariva fa hahazo arovava na "cache-bouche" avokoa ny isan-tokantrano. 5 tapitrisa no kendrena hovokarina... ♦ Nanitsy ny nambaran'ny gazety an-tranokalam-pifandraisana iray omaly ny OMS...

♦ Nitombo enina indray ny tranga vaovao voamarina fa mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus araka ny tarehimarika ofisialy... ♦ Nanitsy ny nambaran'ny gazety iray an-tranonkala na en ligne androany ny OMS... ♦ Natomboka androany ny fidinana ifotony nataon'ireo tompon'andraikitra, nanadihady ireo olona heverina fa nifanerasera tamin'ireo olona teny ISotry efa fantatra fa mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus...

♦ Hidina ifotony any amin'ireo fokontany nahitana ny olona mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus vokatry ny fifaneraserana tamin'ireo olona mitondra izany ny tompon'andraiki-panjakana. Hanao fanadiovana faobe. Isan'izany ny eny Isotry sy Ambondrona ao Antananarivo Renivohitra... ♦ Miantso ny Malagasy tsy an-kanavaka haneho ny Fihavanana, isan'ny soatoavina nolovaina tamin'ireo ray aman-dreny tany aloha, ny mpampaka-teny ankapoben'ny Filankevitra Fampihavanana Malagasy na ny CFM...

♦ Niampy iray indray omaly ny isan'ny olona mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus eto Madagasikara. 59 izany izao no totalin'ireo voamarina ho mitondra ny tsimok'aretina eto amintsika... ♦ Hanao fanadiovana faobe eny amin'ny toerana nahitana ny olona mitondra ny tsimok'aretina noho ny fifaneraserana tamin'ireo olona nitondra izany ny tompon'andraikitra... ♦ Nandray fepetra momba ireo mpiasa voamarina fa mitonfra ny tsimok'aretina Coronavirus ny ao amin'ny orinasa Ambatovy...

Lany fanindroany tamin’ny fifidianana manaraka teo ho recteur majeur i mompera Angel Fernandez Artime dimbin’i Don Bosco. Niangavy ny fikambanana salezianina maneran-tany izy mba hanao vavaka hasivin’ny andro tammin’i Masina Maria vonjin’ny kristianina mba hiarovana an’izao tontolo izao tsy ho tratry ny areti-mandringana COVID-19 ny olombelona rehetra.

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...