♦ Notanterahana tamin'ny 7 janoary lasa teo ny fanamasinana diakra roa, sy fanamasinana pretra avy amin'ny Fikamabanan'ny Pretra Misiôneran'ny Fianakaviana Masina. Tao amin'ny Paroasy Ambalavao, any amin'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa no nanatanterahana izany... ♦ Nankalaza ny faha-100 taona niorenany ny Kôlejy Masina Misely Itaosy, izay tantanan'ireo pretra Karma, tamin'ny alatsinainy 23 janaoary 2023, tamin'ny alalan'ny Eokarisitia Masina notarihan'i Mgr Jean Pascal Andriantsoavina, Eveka Mpanampy eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo...

Vakiteny voalohany

Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio (Heb. 13, 1-8)

I Jesoa Kristy dia tsy niova omaly sy anio ary mandrakizay.

Ry kristianina havana,
mahareta amin’ny fitiavana.
Ary aza manadino ny fandraisam-bahiny,
fa ny sasany nanaraka izany dia efa nisy nampiantrano Anjely,
nefa tsy nahahala azy.
Tsarovy izay mifatotra,
aoka ho toy ny miara-mifatotra aminy ianareo;
ary izay ampahoriana koa,
fa mbola ao anatin’ny nofo koa ianareo.
Aoka hanan-kaja amin’ny olona rehetra ny fanambadiana,
ary aoka tsy ho voaloto ny fandrian’ny mpivady,
fa hohelohin’Andriamanitra ny mpijangajanga sy ny mpaka vadin’olona.
Aza mba mitondra tena amim-pahidiana;
mionòna amin’izay anananareo, fa tenan’Andriamanitra no nilaza hoe:

“Tsy handao anao Aho, na hahafoy anao akory;
ka sahintsika ny manao amim-pitokiana hoe:
Andriamanitra no vonjiko,
ka tsy hatahotra na inona na inona aho;
inona no azon’ny olona atao amiko?”

Tsarovy ny mpitondra anareo,
izay nitory ny tenin’Andriamanitra taminareo;
diniho ny niafaran’ny fiainany;
ka alao tahaka ny finoany;
i Jesoa Kristy dia tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo (Sal. 26, 1. 3. 5. 8b-9abd)

Ny Tompo no faniloko sy vonjiko.

Ny Tompo no fanilo sy vonjiko:
iza no hatahorako?
Ny Tompo no mandan’ny aiko:
zovy no hangovitako?

Raha tafika no mitoby hiady amiko,
tsy miraika ny foko;
raha andiany no mirongatra hamely,
matoky hatrany aho.

Amin’ny andro fahoriana aho
afeniny amin’ny efitra fialofany;
takonany ao am-pierena ao an-dainy,
asandrany ambony vatolampy.

Eny, ry Tompo, tadiaviko ny tavanao!
Aza afenina ahy ny tavanao!
Aza roahina amin-katezerana ny mpanomponao!
Ry ilay Mpitahy ô, aza manary!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ampianaro ahy, ry Tompo, ny soritrao; tariho amin’ny Fahamarinanao aho.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 6, 14-29)

I Joany izay e dia ilay notapahiko ny lohany fa efa nitsangan-ko velona izy.

Tamin’izany andro izany:
Nahare ny lazan’i Jesoa i Herôda ka hoy ny sasany hoe:

“I Joany Batista nitsangan-ko velona izay,
ka izany no iasan’ireo hery mahagaga aminy”;

fa ny sasany kosa nanao hoe:

“I Elia izay”,

ary ny hafa indray dia hoe:

“Mpaminany izay, dia toy ny iray amin’ny mpaminany.”

Ary nony nandre izany i Herôda, dia nanao hoe:

“I Joany izay e, dia ilay efa notapahiko ny lohany,
fa efa nitsangan-ko velona izy.”

Fa i Herôda io ihany no naniraka hisambotra
sy hamatotra an’i Joany tany an-tranomaizina,
noho ny amin’i Herôdiada vadin’i Filipo rahalahiny
izay nalainy ho vady.
Satria i Joany nanao taminy hoe:

“Tsy mahazo manambady ny vadin-drahalahinao ianao.”

Koa tonga halan’i Herôdiada izy sy nirìny ho faty aza,
saingy, tsy azony natao izany noho ny tahotr’i Herôda an’i Joany,
izay hitany fa lehilahy marina sy masina,
ka narovany sady narahiny hevitra tamin’ny zavatra maro,
sy nohenoiny tamin-kafaliana.
Ary tonga ny andro tsara,
dia ilay fitsingerenan’ny taona nahaterahan’i Herôda
ka nanaovany fanasana ho an’ny manamboninahiny sy ny tompon’arivo
ary ny loholona tany Galilea.
Fa niditra nandihy tao an-trano fanasana ny zanakavavin’i Herôdiada
ka nahafaly an’i Herôda, sy izay niara-nihinana taminy;
dia hoy ny mpanjaka tamin-drazazavavy:

“Angataho amiko izay tianao, fa homeko anao”,

sady nampiany tamim-pianianana hoe:

“Na inona na inona angatahinao amiko, dia homeko anao,
na dia ny antsasaky ny fanjakako aza.”

Dia nivoaka razazavavy ka nanontany an-dreniny hoe:

“Inona no angatahiko?”

Ary hoy reniny:

“Ny lohan’i Joany Batista.”

Dia nidodododo faingana nankao amin’ny mpanjaka izy,
ka nangataka hoe:

“Tiako raha omenao ahy an-dovia izao ankehitriny izao
ny lohan’i Joany Batista.”

Nalahelo ny mpanjaka, kanefa noho ny fianianany
sy noho ireo olona niara-nihinana taminy,
dia tsy sahy nandà an-drazazavavy izy,
fa nirahiny faingana ny mpiambina anankiray
nasainy hitondra ny lohan’i Joany amin’ny lovia.
Dia nandeha nanapaka ny lohan’i Joany tao an-tranomaizina ilay mpiambina,
ka nitondra azy tamin’ny lovia, ary nomeny an-drazazavavy
dia nomen-drazazavavy an-dreniny kosa.
Nony nandre izany ny mpianany,
dia tonga naka ny fatiny ka nandevina azy.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio (Heb. 12, 18-19. 21-24)

Nanatona ny tendrombohitr’i Siôna tanànan’Andriamanitra velona ianareo.

Ry kristianina havana,
tsy mba nanatona zavatra azo tsapaina sy mirehitra afo ianareo,
sy izay rahona sy haizim-be sy kotro-baratra,
ary feon-trômpetra sy feo niteny mafy tsy tantin’ireo nandre,
ka nangataka tsy handre izany intsony izy ireo.
Loza loatra no niseho tamin’izay, ka i Môizy avy no vaky hoe:

“Tsiravina sy rano an-dravina aho!”

Fa ny nohatoninareo, dia ny tendrombohitra velona,
izay Jerosalema any an-danitra,
sy ny fivorian’ny Anjely alinalina,
ny fiangonan’ny zokinareo izay voasoratra any an-danitra,
ny Mpitsara izay Andriamanitry ny olon-drehetra,
ny fanahin’ny olo-marina efa amin’ny fanaperana,
sy i Jesoa mpanalalana amin’ny fanekena vaovao,
ary ny ran’ny famafazana izay miteny tsaratsara kokoa noho ny an’i Abela.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo (Sal. 47, 1-3a. 3b-4. 9. 10-11)

Izahay, ry Andriamanitra, mametso ny hatsaram-ponao ao anivon’ny tempolinao.

Ny Tompo lehibe sy mendri-dera indrindra
ao amin’ny Tanànan’ny Andriamanitsika!
Ny vohiny masina: tsara fideza,
fifalian’ny tany tontolo.

Ny Vohitra Siôna: any am-parany avaratra,
Tanànan’ny Mpanjaka lehibe!
Andriamanitra amin’ireo tilikambony
mitomban-ko fiarovana avo.

Araka ny henonay no mbola hitanay
ao an-Tanànan’ny Tompon’ny tafika,
ao an-Tanànan’ny Andriamanitray!
Andriamanitra anie hampijoro azy mandrakizay.

Izahay, ry Andriamanitra, mametso ny hatsaram-ponao
ao anivon’ny tempolinao.
Ny voninahitrao dia toy ny Lanitrao
mitatao ny tany tontolo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalanao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 6, 6-13)

Nanomboka naniraka azy ireo Izy.

Tamin’izany andro izany,
niantso ny roa ambin’ny folo lahy hankeo aminy i Jesoa,
ka naniraka azy handroaka ny fanahy maloto.
Ary noraràny tsy hitondra na inona na inona eny an-dalana izy ireo
na kitapo, na mofo, na farantsa kely varahina amin’ny fehin-kibony,
afa-tsy tehina ihany, fa ny tongotra no asiana kapa,
ary tsy mitondra akanjo roa.
Ary hoy koa Izy taminy:

“Na aiza na aiza halehanareo,
dia mitoera amin’izay trano hidiranareo ambara-pialanareo.
Ary raha misy tsy mampiantrano na tsy mihaino anareo,
dia mialà ao ka ahintsano ny vovoka amin’ny tongotrareo
ho fiampangana azy.”

Dia nandeha izy ireo ka nitory tamin’ny olona
fa tsy maintsy mibebaka izy, sy nandroaka demony maro,
ary nanosotra diloilo ny marary betsaka sy nanasitrana azy.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio (Heb. 12, 4-7. 11-15)

Izay tian’ny Tompo no faiziny.

Ry kristianina havana,
ianareo tsy mbola niady nanohitra ny ota
hatramin’ny fahalatsahan’ny ranareo,
ary efa hadinonareo ny fananarana milaza aminareo
toy ny amin’ny zanaka hoe:

“Anaka, aza manamavo ny famaizan’ny Tompo,
ary aza mba ketraka amin’ny fananarany anao;
fa izay tian’ny Tompo no faiziny,
ary izay rehetra raisiny ho zanaka no kapohiny.”

Fampianarana ho anareo ny fikapohany;
fa toy ny zanaka no itondran’Andriamanitra anareo,
ka iza no zanaka, tsy faizin’ny rainy?
Marina fa mampahory amin’ny andro anaovana azy
ny famaizana rehetra, fa tsy mba mahafaly;
nefa any aoriana kosa,
dia hahavokatra fahamarinana amam-piadanana
ho an’izay nandray azy izy.
Koa henjano ny tanana miraviravy sy ny lohalika miketraka:
ary ahitsio ny dian’ny tongotrareo
mba tsy hibirioka ny mandringa,
fa hijoro mahitsy tsara.
Mitadiava fihavanana amin’ny olona rehetra,
ary mikatsaha fahamasinana,
fa izay tsy manana azy dia tsy mba hahita ny Tompo.
Tandremo fandrao misy manary ny fahasoavan’Andriamanitra;
aza avela hisy faka mangidy maniry,
sao manakorontana sy mandoto ny maro.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo (Sal. 102, 1-2. 13-14. 17-18a)

Mandrakizay ny hatsaram-pon’ny Tompo amin’izay matahotra Azy.

Isaory ny Tompo, ry fanahiko;
sy ny Anarany masina, ry ato anatiko rehetra!

Isaory ny Tompo, ry fanahiko!
Aza misy hadinoina ny soa avy aminy!

Tahaka ny fangoraky ny ray ny zanany;
no angorahan’ny Tompo an’izay matahotra Azy!
Fa Izy mahalala ny nanaovana antsika:
tsaroany tokoa fa vovoka isika.

Fa ny hatsaram-pon’ny Tompo dia mandrakizay
amin’izay matahotra Azy sy amin’ny dimbin’ireo,
amin’izay mitandrina ny fanekeny,
sy mahatsiaro ny didiny hankatoavana Azy.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Sokafy, ry Tompo ny fonay, mba hitandremanay ny tenin-Janakao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 6, 1-6)

Tsy misy mpaminany tsy enin-kaja afa-tsy amin’ny taniny ihany.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nankany amin’ny tany nahabe Azy,
ary nanaraka Azy ny mpianany.
Ary rahefa sabata ny andro,
dia nampianatra tao amin’ny sinagôga Izy,
ka be tamin’izay nihaino Azy
no gaga tamin’ny fampianarany sy nanao hoe:

“Taiza no nahazoan’Izy io izany rehetra izany?
Fahendrena manao ahoana izao nomena Azy izao,
ary ahoana no ahefan’ny tanany izany asa lehibe izany?
Moa tsy io va ilay mpandrafitra, zanak’i Maria,
rahalahin’i Jakôba sy i Jôsefa ary i Jodà sy i Simôna?
Moa tsy aty amintsika va ny anabaviny?”

Dia tafintohina taminy izy ireo.
Fa hoy i Jesoa taminy:

“Tsy misy mpaminany tsy enin-kaja afa-tsy amin’ny taniny
sy amin’ny fianakaviany ary amin’ny havany ihany.”

Ary tsy nahazo nanao fahagagana akory Izy teo,
fa marary vitsivitsy monja no nositraniny tamin’ny fametrahan-tanana,
ary gaga Izy noho ny tsy finoan’ireo.
Dia nitety ny vohitra manodidina sy nampianatra Izy.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio (Heb. 12, 1-4)

Aoka isika hihazakazaka amim-paharetana amin’izao fifanalana hazakazaka naroso hataontsika izao.

Ry Kristianina havana,
noho isika voahodidin’ny vavolombelona zavon-tany toy izany,
dia aoka isika hanesotra ny zavatra rehetra mitambesatra amintsika,
sy ny fahotana izay manarona antsika,
ary hihazakazaka amim-paharetana amin’izao fifanalana hazakazaka naroso hataontsika izao,
mibanjina an’i Jesoa filohany sy mpanefa an-davany sy an-tsakany ny finoana,
izay nahazo nifidy ny hafaliana natao teo anoloany,
nefa naleony niaritra ny Hazofijaliana, sy ny tsy nitandro henatra koa;
ary efa mipetraka eo ankavanan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra.
Hevero fa niaritra ny famelezana mafy nafitsoky ny mpanota taminy Izy,
mba tsy ho ketraky ny fanarian-toky ianareo.
Ianareo tsy mbola niady nanohitra ny ota hatramin’ny fahalatsahan’ny ranareo.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo (Sal. 21, 26b-27. 28 sy 30. 31-32)

Ireo mitady ny Tompo hidera Azy.

Izaho hametsivetsy Anao ao am-piangonam-be
sy hanala voady anoloan’ny matahotra Azy.
Ny ory hihinana ka ho voky;
ireo mitady ny Tompo hidera Azy:
“Veloma ny ainareo mandrakizay!”

Ny faran’ny tany hahatsiaro, ka hiverina amin’ny Tompo;
ny fiankohonam-pirenena hiankohoka eo anoloany avokoa.
Ireo rehetra matory amin’ny tany hiankohoka aminy;
ireo rehetra mitsitra eo am-bovoka hiondrika anoloany.

Ny fanahiko hivelona aminy; ny taranako hanompo Azy.
Ny taranaka izay misandratra hilazalazana ny Tompo,
ny vahoaka vao ho teraka hanambarana ny fahamarinany:
“izao sy izao no nataon’ny Tompo...!”

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Mahatoky ny lahatrao, ry Tompo, ary mafy orina mandrakizay alaovalo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 5, 21-43)

Ry zazavavy, hoy aho aminao, mitsangana.

Tamin’izany andro izany,
rahefa niondrana tamin’ny sambo kely i Jesoa
ka tafita indray,
dia nitangoronan’ny vahoaka teo amoron-dranomasina Izy.
Dia avy ny anankiray amin’ny lehiben’ny sinagôga atao hoe Jaira,
ka nony nahita Azy dia niankohoka tamin’ny tongony izy,
sady nihanta mafy taminy nanao hoe:

“Marary efa ho faty ny zanako vavy,
ka andeha re mba hametra-tanana aminy Ianao,
mba ho sitrana sy ho velona izy.”

Dia nandeha niaraka taminy Izy,
ary be ny vahoaka nanaraka Azy sy nifanety taminy.
Ary nisy vehivavy anankiray nitsi-drà roa ambin’ny folo taona,
izay efa niaritra zavatra mafy betsaka tamin’ny mpanao fanafody maro
sy nandany ny fananany rehetra, nefa tsy nihatsara velively,
fa vao mainka niharatsiratsy kokoa aza.
Nony nahare ny amin’i Jesoa izy, dia nisisika tamin’ny vahoaka
ka nanendry ny akanjony avy ao ivohony, fa hoy izy:

“Na dia ny fitafiany ihany aza no voakasiko,
dia ho sitrana aho.”

Dia ritra niaraka tamin’izay ny loharanon’aretiny,
ka tsaroany tao amin’ny tenany fa sitrana izy.
Teo no ho eo ihany dia fantatr’i Jesoa
fa nisy hery nivoaka tamin’ny tenany,
ka nitodika ny vahoaka Izy nanao hoe:

“Iza no nanendry ny fitafiako?”

Ary hoy ny mpianany taminy:

“Hitanao izao vahoaka mifanety aminao izao
ka Ianao manontany hoe: Iza no nanendry Ahy?”

Dia nijerijery manodidina Azy Izy
hizaha ilay vehivavy izay nanao izany.
Natahotra ravehivavy sy tera-kovitra
satria fantany izay tonga taminy,
ka nanatona Azy sy niankohoka teo anatrehany izy,
dia nilaza ny marina rehetra.
Ary hoy Izy taminy:

“Anaka: ny finoanao no nahavonjy anao;
mandehana amim-piadanana, ary sitràna amin’ny aretinao.”

Raha mbola niteny i Jesoa,
dia tonga ny avy any an-tranon’ilay lehiben’ny sinagôga
ka nanao taminy hoe:

“Maty ny zanakao vavy,
ka nahoana ianao no mbola manahirana ny Mpampianatra ihany?”

Fa nony nandre izany teny izany i Jesoa
dia nilaza tamin’ilay lehiben’ny sinagôga hoe:

“Aza matahotra, fa minoa fotsiny ihany.”

Ary tsy nisy navelany nanaraka Azy afa-tsy i Piera sy i Jakôba
ary i Joany rahalahin’i Jakôba.
Ary nony tonga tany an-tranon’ilay lehiben’ny sinagôga izy ireo,
dia olona nikorontana sy nitomany ary ninaonaona be ihany no hitan’i Jesoa.
Ary niditra Izy ka niteny tamin’ny olona hoe:

“Nahoana ianareo no mitabataba sy mitomany?
Tsy maty razazavavy, fa matory.”

Dia nihomehy Azy fatratra ny olona;
fa Izy kosa nandroaka azy rehetra,
dia nitondra ny ray aman-drenin-drazazavavy mbamin’ireo nanaraka azy
niditra tao amin’izay niamparan-drazazavavy,
ary nandray ny tanany sy nilaza taminy hoe:

“Talita, Komy, izany hoe:
Ry zazavavy, hoy Aho aminao, mitsangàna.”

Niaraka tamin’izay dia nitsangana razazavavy
ka namindra fa efa roa ambin’ny folo taona izy,
dia talanjona indrindra ny olona.
Fa norarany mafy izy ireo mba tsy hatao fantatr’olona izany,
ary nasainy nomen-kanina razazavavy.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Ny olona tsirairay dia tsy maintsy manana vina sy tanjona raha te-ho tafita eo amin'ny fiainana. Io vina sy tanjona io dia azo avy amin'ny fananana "fahefana anaty" izay fanalahidin'ny fiainana manontolo. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Ramakavelo Désiré.

♦ Tontosa omaly ny fankalazana ny fetin'ny Seminera Zandriny Ambohipo, sady nanolorana ihany koa ny solom-pen'akoho ho an'ireo seminarista teny an-toerana... ♦ Fanehoana kanto ara-panahy sy famelabelaran-kevitra no nampiavaka ny fankalazana ny Andron'ny Tenin'Andriamanitra, tamin'ny sabotsy 21 janoary 2023, nanoloana ny Librairie Saint Paul Analakely... ♦ Nanatontosa ny fitsidihana pastôraly tao amin'ny Diôsezin'Ambanja, tao amin'ny Fiangonana Masindahy Pierre sy Paul, Nosibe Hellville, i Mgr Donatien Francis Randriamalala, tao aorian'ny fanamasinana azy ny 15 janoary 2023...

Vakiteny voalohany

Bokin’i Sôfônia Mpaminany (Sôf. 2, 3 ; 3, 12-13)

Havelako eo aminao ny vahoaka ambany sy manetry tena.

Mitadiava ny Tompo,
ianareo manetry tena rehetra amin’ny tany,
izay efa nanaraka ny lalàny;
katsaho ny fahamarinana, katsaho ny fanetren-tena.
Ho tafaaloka angamba ianareo
amin’ny andron’ny fahatezeran’ny Tompo!
Havelako eo aminao ny vahoaka ambany sy manetry tena anankiray
izay hatoky ny Anaran’ny Tompo.
Ny sisa amin’i Israely dia tsy hanao ny tsy marina, na hilaza lainga,
ary tsy hahitana eo am-bavany intsony izay lela mandainga.
Fa hihinana sy handry feizay izy ireo,
ary tsy hisy olona hanaitaitra azy.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Salamo (Sal. 145, 7. 8-9a. 9bd-10)

Sambatra ny mahantra am-panahy, fa azy ny Fanjakan’ny lanitra.

Ilay mitandrina mandrakizay ny fahamarinana
sy manome rariny izay ampahoriana.
Ilay manome sakafo ny noana,
no Tompo mamaha ny mpifatotra,

Tompo mampahiratra ny jamba,
Tompo mampitràka ny miondrika,
Tompo mpiaro ny vahiny,
tohan’ny kamboty sy ny tokan-tena.

Tompo tia ny olo-marina,
fa ny olon-dratsy aviliviliny.
Manjaka ny Tompo amin’ny taona mifandimby,
ilay Andriamanitrao, ry Siôna, mandrakizay!

Vakiteny faharoa

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty (1 Kôr. 1, 26-31)

Izay ataon’izao tontolo izao ho malemy no nofidin’Andriamanitra.

Ry kristianina havana,
jereo ange izato ianareo voaantso e:
tsy firy no hendry araka ny nofo,
tsy firy no mahery,
tsy firy no avo razana;
fa izay ataon’izao tontolo izao ho adala
no nofidîn’Andriamanitra hampahamenatra ny hendry;
izay ataon’izao tontolo izao ho malemy
no nofidîn’Andriamanitra hampahamenatra ny mahery;
ary izay iva razana amana faneso amin’izao tontolo izao,
dia ny atao ho tsy misy aza,
no nofidîn’Andriamanitra hahatsinontsinona ny misy,
mba tsy hisy nofo hirehareha eo anatrehan’Andriamanitra.
Fa avy aminy no maha-ao amin’i Kristy Jesoa anareo,
dia Ilay nataon’Andriamanitra fahendrena sy fahamarinana
ary fahamasinana amam-panavotana ho antsika,
mba ho tanteraka ny voasoratra hoe:

Izay mirehareha, aoka ny Tompo no ho reharehany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Misaotra Anao aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany,
fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 1-12a)

Sambatra ny mahantra am-panahy.

Tamin’izany andro izany, nony nahita ny vahoaka i Jesoa,
dia niakatra teo an-tendrombohitra, ary rehefa tafapetraka Izy,
dia nanatona Azy ny mpianany, ka niloa-bava Izy nampianatra azy nanao hoe:

“Sambatra ny mahantra am-panahy, fa azy ny Fanjakan’ny lanitra.
Sambatra ny malemy fanahy, fa izy no handova ny tany.
Sambatra izay mitomany, fa halàna alahelo.
Sambatra izay noana sy mangetaheta ny fahamarinana, fa ho voky izy.
Sambatra ny mamindra fo, fa hamindrana fo izy.
Sambatra ny madio fo, fa hahita an’Andriamanitra izy.
Sambatra ny tia fihavanana, fa hantsoina hoe zanak’Andriamanitra izy.
Sambatra ny miaritra ny fanenjehana noho ny rariny, fa azy ireo ny Fanjakan’ny lanitra.
Sambatra ianareo raha tevatevaina sy enjehina ary ampangaina lainga amin’ny ratsy rehetra noho ny amiko:
mifalia sy miravoravoa ianareo, fa lehibe ny valisoanareo any an-danitra”.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

 

♦ Asa fanirahana amin'ny endrika vaovao ny fanendrena maha eveka, hoy i Mgr Donatien Francis Randriamalala, Evekan'Ambanja... ♦ Homarihana amin'ny antsam-panahy sy famelabelaran-kevitra manoloana ny fivarotam-boky Masindahy Paoly Analakely, ny sabotsy 21 janoary 2023, ny fankalazana ny alahadin'ny Tenin'Andriamanitra... ♦ Hitarika ny Sorona Masina hankalazana ny “alahadin'ny Tenin'Andriamanitra” ao amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny Papa François amin'ny alahady 22 janoary 2023...

Vakiteny voalohany

Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio (Heb. 11, 1-2. 8-19)

Manantena ilay tanàna mafy orina manana an’Andriamanitra ho tompo-marika sy ho mpanao azy izy.

Ry kristianina havana,
ny finoana no santatry ny zavatra antenaina,
sy porofon’ny zavatra tsy hita.
Nanam-pinoana ny Ntaolo ka izany no nahatsara laza azy.
Ny finoana no naneken’i Abrahama ny fiantsoan’Andriamanitra azy,
handeha ho any amin’ny tany izay horaisiny ho lova,
ka niainga izy nefa tsy fantany akory izay alehany.
Ny finoana no nitoerany tany amin’ny tany nampanantenaina
toy ny any an-tany fivahiniana, tranolay no nitoerany;
toy izany koa i Isaaka sy i Jakôba
izay mpandova izany tany nampanantenaina izany koa;
fa nanantena ilay tanàna mafy orina
manana an’Andriamanitra ho tompo-marika sy ho mpanao izy.
Ny finoana koa no nahazoan’i Sarà hery hanana anaka,
na dia efa antitra tsy tokony hiteraka intsony aza izy,
satria nino izy fa mahatoky Ilay nampanantena.
Koa dia taranaka maro toy ny kintana eny an-danitra,
sy tsy hita isa hoatra ny fasika eny amoron-dranomasina
no avy amin’ny olona anankiray izay efa toy ny maty.
Ireo rehetra ireo dia maty tamin’ny finoana,
nefa tsy mbola nahazo ny nampanantenaina,
fa nahatazana azy lavitra fotsiny,
dia niarahaba azy tamin-karavoana sy fiekena hoe:
vahiny sy mpivahiny izy no ety an-tany.
Manambara mazava izay milaza izany
fa mitady tanindrazana honenany izy.
Ary raha ny tany nialany no heverina amin’izany
dia ho azony atao ny miverina any indray;
fa tany tsara lavitra no iriny, dia ny lanitra izany.
Ka noho Andriamanitra efa namboatra tanàna ho azy,
dia tsy menatra Izy hantsoina hoe: Andriamanitr’izy ireo.
Ny finoana no nanoloran’i Abrahama an’i Isaaka ho sorona,
raha nozahan-toetra izy.
Dia izy izay nandray ny teny fampanantenana,
sy nilazana hoe:
Avy amin’i Isaaka no hiavian’ny taranakao;
eny, natolony io zanany lahitokana io;
satria ninoany fa na dia maty aza izy
dia hain’Andriamanitra atsangana,
ka dia noraisiny indray ny zanany,
ary tandindon-javatra izany.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Lioka (Lk. 1, 69-70. 71-72. 73-75)

Hisaorana anie ny Tompo Andriamanitr’i Israely noho Izy namangy ny vahoakany.

Fa Izy nanolotra antsika herim-pamonjena
avy amin’ny fianakaviana iray,
dia ny an’i Davida mpanompo tiany,
fa izany tokoa no efa nolazainy.
Fa teniny nentin’ny mpaminany
dia ireo olo-masina fahagola.

Ny vonjiny hanala amin’ny fahavalo,
hanafaka antsika amin’ny mpankahala.
Noho Izy nandala ny razantsika
dia indro tsaroany ny fanekeny.

Fa teny nomeny an’i Abrahama
ny hanafaka antsika amin’ny fahavalo.
Amin’izay isika afa-manompo Azy
tsy anatin’ny tahotra sy ahiahy,
fa entin’ny fo tia sy mahatoky
ho eo anatrehany lalandava.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalanao;
ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 4, 35-40)

Iza ity no manaiky Azy ny rivotra sy ny ranomosina?

Tamin’izany andro izany, hariva ny andro,
ary i Jesoa niteny tamin’ny mpianany hoe:

“Andeha isika hita ho eny an-dafin-drano.”

Dia nilaozan’izy ireo teo ny olona
ka nentiny tamin’izao tao an-tsambo kely i Jesoa,
ary nisy sambo kely maromaro koa niaraka taminy.
Ary nisy tafio-drivotra mahery
nampisavoana ny onjan-drano hatrany anaty sambo kely,
ka efa nihafeno rano izy.
Fa i Jesoa kosa natory teo amin’ny sisin’ny sambo kely tambonin’ny ondana,
ka nofohazin’izy ireo Izy nilazany hoe:

“Ry Mpampianatra ô,
tsy mampaninona Anao va raha maty izahay?”

Dia nifoha Izy ka niteny mafy ny rivotra,
ary nilaza tamin’ny ranomasina hoe:

“Mangina, mitonia.”

Dia nitsahatra ny rivotra,
ary nitony dia nitony ny andro.
Ary hoy Izy tamin’izy ireo:

“Nahoana no saro-tahotra ianareo?
Tsy mbola manam-pinoana ihany va ianareo?”

Ary natahotra dia natahotra izy ireo
ka nifampilaza hoe:

“Iza moa io, fa ny rivotra sy ny ranomasina avy
no manaiky Azy?”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio (Heb. 10, 32-39)

Niaritra ady mafy ianareo. Aza miala amin’ny fahasahianareo.

Ry kristianina havana, tsarovy ny andro fahiny,
niaretanareo ady mafy tamim-pijaliana,
nony efa nohazavaina ianareo;
fa mbetika nalam-baraka sy nampahoriana ianareo
sady naseho ho fizahan’ny olona;
mbetika kosa niaraka ory tamin’izay nampijaliana toy izany.
Fa sady nangoraka izay nifatotra ianareo
no nanaiky an-kafaliana ny fandrobana ny fanananareo,
satria fantatrareo fa manam-pananana tsara lavitra
sy maharitra mandrakizay ianareo.
Koa aza miala amin’ny fahasahianareo,
fa misy valiny lehibe izany.
Ilainareo tokoa ny faharetana,
mba hahazoanareo izay nampanantenaina anareo,
rahefa nanao ny sitra-pon’Andriamanitra ianareo.
Raha afaka kelikely foana, dia ho tonga Ilay ho avy,
fa tsy hiatoato Izy.
Ary ny oloko marina ho velona amin’ny finoana,
fa izay mihataka kosa tsy mba ankasitrahan’ny foko.
Raha isika, dia tsy mba anisan’izay mihataka ho very isika,
fa naman’ireo mino mba hamonjy ny fanahy.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo (Sal. 36, 3-4. 5-6. 23-24. 39-40)

Ny famonjena ny olo-marina dia avy amin’ny Tompo.

Miantehera amin’ny Tompo; manaova ny tsara;
monena amin’ny tany; miraota amin-toky.
Eny, ny Tompo no iravoy:
dia homeny anao izay irin’ny fonao.

Ankino amin’ny Tompo ny lalanao;
miantehera aminy: fa Izy no hanao ny fanananao ny rariny ho mazava atsinanana;
ny fahamarinanao ho mitatao vovonana.

Eo anoloan’ny Tompo no amindran’ny olombelona:
izay amin’ny lalana tiany no ankahereziny.
Ka raha solafaka, tsy midaraboka,
fa tantazan’ny tanan’ny Tompo.

Ny famonjena ny olo-marina dia avy amin’ny Tompo:
fa Izy no mandany amin’ny andro fahoriana.
Ny Tompo mitahy sy manafaka azy,
manafaka azy amin’ny ratsy fanahy.
Eny, Izy no mamonjy azy noho izy ireo mifefy aminy.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Misaotra Anao Aho, ry Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany,
fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 4, 26-34)

Mamafy voa ny mpamafy ary matory; ny voa mitsimoka sy mitombo nefa tsy fantany izay faniriny.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka nanao hoe:

“Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny lehilahy anankiray
mamafy voa amin’ny tany,
ka izy matory sy mahatsiaro isan’alina sy isan’andro,
ary ny voa mitsimoka sy mitombo,
nefa tsy fantany izay faniriny;
fa mahavokatra ho azy ny tany,
ka tahony no voalohany, dia salohiny no manarakaraka,
vao ventim-bary amin’ny salohiny no farany.
Ary rahefa vokatra dia jinjaina miaraka amin’izay,
satria tonga ny taom-pijinjana.”

Ary hoy indray Izy:

“Amin’inona no hanoharantsika ny fanjakan’Andriamanitra,
ary fanoharana inona no hanehoantsika azy?
Tahaka ny voantsinapy izy,
izay kely indrindra amin’ny voa rehetra ambonin’ny tany raha vao afafy,
fa tonga lehibe indrindra amin’ny anana rehetra kosa
rahefa voafafy sy mitombo,
ary mandrantsana vaventy
ka azon’ny voro-manidina ialofana ny alokalony.”

Dia fanoharana maro toy izany no nitoriany teny taminy,
araka izay takatry ny sain’izy ireo.
Ary tsy niteny taminy afa-tsy tamin’ny fanoharana Izy,
fa nony mangingina vao nanambara tamin’ny mpianany
ny hevitr’ireo rehetra ireo.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio (Heb. 10, 19-25)

Aoka isika hitoetra tsy azo hozongozonina amin’ny fanarahana ny fanantenantsika, fa mahatoky Ilay nanao ny fampanantenana.

Ry kristianina havana,
noho ny Ran’i Jesoa, izay nahafaka malalaka antsika
hiditra amin’ny fitoerana masina,
mihazo ny lalam-baovao sy velona nosantarany
ho antsika mamaky ny efitra lamba,
izany hoe ny Nofony,
sy noho isika manana Mpisorombe mitandrina ny tranon’Andriamanitra,
dia aoka isika hanatona amin’ny fo mahitsy sy amim-pinoana feno,
ary amin’ny fo voafafa
ho afaka amin’ny fieritreretana mipentina ota,
sy amin’ny vatana voasasa tamin’ny rano madio.
Aoka isika hitoetra tsy azo hozongozonina
amin’ny fanarahana ny fanantenantsika,
fa mahatoky Ilay nanao ny fampanantenana.
Ary aoka hifandinika isika mba hampandroso
ny fitiavana sy ny asa soa.
Aza manary ny fiangonantsika, toy ny fanaon’ny sasany;
fa mifamporisiha tsara,
indrindra izao hitanareo fa efa antomotra ny Andro.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo (Sal. 23, 1-2. 3-4ab. 5-6)

Izany no taranaka mikatsaka ny Tavanao, ry Tompo.

Ny tany, ny hareny: Azy Tompo avokoa,
dia izao rehetra izao ary izay monina ao.
Naoriny ambonin’ny rano izy ireny,
napetrany tsara eo ambonin’ny ony.

Koa zovy no hiakatra hihaona amin’ny Tompo;
hanorim-ponenana an-toerany masina?
Ny olon-tsy meloka, ny olo-mahitsy,
sy izay tsy mianiana tsy tò amin’ny hafa.

Dia izy no hany hotsofina rano;
ny Tompo Mpamonjy hanome rariny azy.
Fa izy no dimbin’ireo izay nizaha
ny Endrik’ilay Andriamanitra Tompo!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Fanilo ho an’ny tongotro ny teninao,
ary fanazavana ny lalako.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 4, 21-25)

Entina hapetraka eo ambony fanaovan-jiro ny jiro ary araka izay famarana hamaranareo ihany no hamarana ho anareo koa.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka nanao hoe:

“Moa entina hapetraka ao ambanin’ny vata famarana
na ambanin’ny farafara va ny jiro?
Moa tsy hapetraka amin’ny fanaovan-jiro va izy?
Fa tsy misy takona izay tsy haseho,
na miafina izay tsy haposaka.
Izay manan-tsofina hihainoana, aoka izy hihaino.”

Dia hoy indray Izy:

“Diniho izay renareo.
Araka izay famarana hamaranareo ihany
no hamarana ho anareo,
ary homena mihoatra aza ianareo.
Fa izay manana dia homena,
ary izay tsy manana kosa,
na dia izay ananany aza dia hoesorina aminy.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...