Vakiteny voalohany

Taratasy voalohan’i Masindahy Piera (1 Pi 5, 5b-14)

Manao veloma anareo i Marka zanako.

Ry malala,
samia misikina fanetren-tena ianareo ka mifanompoa,
fa manohitra ny mpiavonavona Andriamanitra,
ary manome fahasoavana ny manetry tena.
Koa manetre tena eo ambanin’ny tana-maherin’Andriamanitra àry,
mba hanandratany anareo amin’ny andro voatendriny;
apetraho aminy ny fiahianareo rehetra,
fa Izy no miahy anareo.

Mahalalà onony, ary miambena;
fa ny demony fahavalonareo mihaodihaody manodidina anareo
mova tsy liona mierona mitady izay harapany.
Tohero izy, miorena mafy amin’ny finoana,
fantaro fa miaritra fahoriana torak’izany koa
ny rahalahinareo rehetra eran’izao tontolo izao.

Ary Andriamanitry ny fahasoavana rehetra,
izay miantso anareo amin’ny voninahiny mandrakizay,
no handavorary sy hampiorina ary hanamafy anareo,
rehefa miaritra kelikely ianareo.
Ho azy irery anie
ny voninahitra amam-pahefana mandrakizay.
Amen.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 88, 2-3. 6-7. 16-17

Hohiraiko mandrakizay, ry Tompo, ireo hatsaram-ponao.

Hohiraiko mandrakizay ireo hatsaram-pon’ny Tompo!
Hambarako amin’ny taona rehetra ny fahamarinanao!
Vavako no miteny: voaorina mandrakizay ny hatsaram-poko;
voajoro ho toy ny lanitra ny fahamarinako!

Ny lanitra, ry Tompo ô, mankalaza ny asanao mahagaga;
ny Fiangonan’ireo Masina midera ny fahamarinanao!
Iza eny amin’ny rahona no azo apitahaina aminao?
Zovy amin’ireo andriamanitra no mitovy amin’ny Tompo?

Tompo ô, sambatra ilay vahoaka mahay mihoby
sy mandroso amin’ny hazavan’ny tavanao,
sy mifaly amin’ny anaranao tontolo andro,
sy mientana amin’ny fitiavanao ny rariny!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izahay kosa mitory an’i Kristy voafantsika; i Kristy herin’Andriamanitra sy fahendren’Andriamanitra.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 16, 15-20)

Torio amin’ny voaary rehetra ny Evanjely.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niseho tamin’izy iraika ambin’ny folo lahy ka nanao hoe:

“Mandehana ianareo amin’izao tontolo izao,
mitoria ny Evanjely amin’ny voaary rehetra.
Izay hino ka hatao batemy dia ho voavonjy;
fa izay tsy hino dia hohelohina.
Ary izao no famantarana homba izay mino:
Handroaka demony amin’ny Anarako izy,
hiteny amin’ny fiteny tsy mbola hainy izy,
handray menarana izy,
ary na misotro zava-mahafaty aza izy
dia tsy hampaninona azy izany;
hametra-tanana amin’ny marary izy dia ho sitrana ireny”.

Ary rehefa niteny tamin’izy ireo i Jesoa Tompo,
dia nakarina any an-danitra, ka mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra.
Ary izy ireo kosa dia lasa nitory hatraiza hatraiza,
ka sady niara-niasa taminy ny Tompo
no nankatò ny fampianarany tamin’ny fahagagana nomba azy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...