♦ Hotanterahana ny 15 janoary 2023, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Donatien Randriamalala, izay voatendrin'ny Papa ho Evekan'ny Diôsezin'Ambanja... ♦ Tafiditra ao anatin'ny andiany faharoa amin'ny Sinaody andiany fahafito izay iainanan'ny ao amin'ny Arsidiôsezin'Antsiranana izy ireo ankehitriny, ifanentanana amin'izany ny hoe "Diôsezy maitso"... ♦ Ny 22 janoary 2023, no hankalazan'ny eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo, ny fetin'ny Seminera Zandriny Ambohipo, izay natokana hitondrana am-bavaka sy hanohanana azy ireo...

Vaovao ny taona (2023), firariantsoa no tsara hifampizarana. Hirina mba hitondra fahatsaram-piainana noho ny vina sy ny tanjona ity taona ity. Mamporisika antsika hanao ezaka ary hijoro amim-pahavanonana. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'i Jeneraly Ramakavelo Désiré.

Noho ny fankalazana ny Andro maneran-tany ho an'ny Fiadanana sy ho fandraisana ny Taona Vaovao 2023, dia mirary soa ny vahoaka Malagasy tsy an-kanavaka ny Kardinaly Tsarahazana Désiré, Arsevekan'i Toamasina

Noho ny fahatongavan'ny Taona Vaovao 2023, dia mitondra ny teny firarian-tsoa ho an'ny vahoaka Malagasy sy ny vahoaka kristianina ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, amin'ny alalan'i Mgr Samoela Jaona Ranarivelo, Filohan'ny Eklesia Episkôpaly Malagasy, sady Filohan'ny FFKM

Amin'izao Taom-baovao 2023 izao sy Fankalazana ny andro maneran-tany ho an'ny Fiadanana izao, dia manolotra ho antsika ny firarian-tsoa omban-tsodrano ho antsika i Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona, Arsevekan'Antananarivo.

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, amin'ny alalan'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Evekan'ny Morondava, Filohan'ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara.

Amin'izao fanakalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy izao, dia mitondra hafatra sy firarian-tsoa ho antsika, i Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona, Arsevekan'Antananarivo.

Isany mahatsara ny fifandraisan'ny mpianakavy ny fifankaherezana. Ny teny famporisihana dia singa azo kilasiana ho zava-dehibe indrindra eo amin'ny mpivady sy/na ny mpianaka. Ny fifankaherezana sy ny famporisihana dia fanalahidin'ny fahombiazana sy fanatsarana ny fifandrisana. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'ny Jeneraly Ramakavelo Désiré.

♦ Nantsoin'ny Ray handray ny valin-kasasarany eo anilany i Sr Marie Jeannine Rasoarimalala sy Sr Marie Rosalie Razafindrasoa, ao amin'ny fikambanan'ny Masera Orsolinina zanakavavin'i Masina Maria tsy azon-keloka avy any Verone... ♦ Ilaina amin'ny fandanjalanja ny fiainam-panahy ny fampitahana azy amin'ny Soratra Masina sy ny foto-pampianaran'ny Eglizy, hoy ny Papa François, tamin'ny katesizy ny alarobia 21 desambra 2022... ♦ Nirary soa ireo mpandraharaha ao amin'ny Curie Romaine ny Papa François, mba ho mailo manoloana ny demony...

Vakiteny voalohany

Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio 6, 10-20

Io fanantenana natolotra io no tanantsika mova tsy vato fantsiky ny aina sady mafy no tsy mihetsika.

Ry kristianina havana,
tsy mba tsy marina Andriamanitra, sanatria!
ka hanadino ny asanareo,
sy ny fitiavana nasehonareo ho voninahitry ny Anarany,
tamin’ny nanampianareo sy mbola anampianareo ny olo-masina.
Irinay haneho fahazotoana toy izany koa ianareo tsirairay avy
hitana ny fanantenanareo feno sy lavorary hatramin’ny farany,
mba tsy hiketraka ianareo,
fa hanahaka ireo mandova ny lova nampanantenaina
noho ny finoany sy ny faharetany.

Tamin’ny fampanantenana
nataon’Andriamanitra tamin’i Abrahama,
noho ny tsy fisian’ny lehibebe kokoa noho ny tenany,
dia nianiana tamin’ny tenany Izy.
Ka nanao hoe:

“Hosoaviko tokoa ianao sy hohamaroiko koa”;

ary nahazo ny nampanantena azy io Patriarka io,
satria niandry tamim-paharetana izy.
Fa ny lehibebe kokoa noho ny tenany
no ianianan’ny olona,
ary ny fianianana no ataony antoka
ka entiny manapaka ny fifandirana rehetra.
Koa mba hanehoan’Andriamanitra mazavazava kokoa
ny tsy fiovan’ny fikasany amin’ny mpandova ny fampanantenana
dia nohamafisiny tamin’ny fianianana izany,
mba ho zavatra roa tsy manam-piovana
sy tsy hain’Andriamanitra amitahana antsika
no hahazoantsika fanalana alahelo mahery;
fa efa mihazakazaka isika
hihazona ny fanantenana natolotra antsika.
Izy io moa no tanantsika mova tsy vato fantsiky ny aina
sady mafy no tsy mihetsika,
ary miditra any anatin’ny efitra lamba,
dia any amin’izay efa nidiran’i Jesoa
ho Mpialoha antsika,
rahefa natao Mpisorombe mandrakizay
araka ny fomban’i Melkisedeka.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 110, 1-2. 4-5. 9 sy 10d

Mahatsiaro ny fanekeny mandrakizay Izy.

Izaho midera ny Tompo amin’ny foko tontolo
am-pivoarian’ny olo-marina sy am-piangonam-be.
Lehibe ny asan’ny Tompo,
mampisaina izay rehetra tia Azy.

Nahefa zava-mahagaga tsy very tadidy Izy.
Mangoraka sy antra ny Tompo.
Manome hanina ny matahotra Azy Izy,
fa mahatsiaro ny fanekeny mandrakizay.

Nandefa fanavotana tamin’ny vahoakany Izy,
sy nanorina ny fanekeny ho mandrakizay.
Masina sy mahatahotra ny Anarany;
maharitra mandrakizay ny fiderana Azy.

 

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Raiso ny tenin’Andriamanitra; tsy ho toy ny tenin’olombelona anefa
fa araka ny marina tokoa, ho tenin’Andriamanitra.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka 2, 23-28

Ny sabata no natao ho an’ny olona fa tsy ny olona no natao ho an’ny sabata.

Indray sabata,
raha nandeha namaky ny tanimbary i Jesoa,
dia nioty salohim-bary teny am-pandehanana ny mpianany,
ka hoy ny Farisianina taminy:

“Jereo ange e,
nahoana izy ireo no manao ny tsy fanao amin’ny sabata?”

Fa hoy Izy taminy:

“Moa tsy novakinareo va izay nataon’i Davida
raha terin’ny hanoanana izy sy izay nanaraka azy?
Fa niditra tao an-tranon’Andriamanitra izy
tamin’ny andron’i Abiatara lehiben’ny mpisorona,
ka nihinana ny mofo alahatra
izay tsy misy mahazo mihinana afa-tsy ny mpisorona ihany,
sady nomeny mbamin’ny mpanaraka azy koa.”

Dia hoy koa Izy taminy:

“Ny sabata no natao ho an’ny olona,
fa tsy ny olona no ho an’ny sabata.
Koa ny Zanak’Olona dia tompon’ny sabata aza.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio 5, 1-10

Na dia Zanak’Andriamanitra aza Izy dia nianatra ny fanekena tamin’ny fahoriana niaretany.

Ry kristianina havana,
rahefa mety ho mpisorombe ka alaina amin’ny olona,
dia tendrena ho solon’ny olona
amin’ny fifampiraharahany amin’Andriamanitra,
mba hanolotra fanatitra sy sorona noho ny ota,
sady mahay miantra ny tsy mahalala sy ny mania izy,
satria na ny tenany aza,
mba voan’ny fahalemena ihany koa,
ka noho izany fahalemeny izany,
tsy maintsy manao sorona ho an’ny tenany,
toy ny ataony ho an’ny vahoaka ihany koa izy.
Ary tsy misy mahazo maka izany voninahitra izany ho an’ny tenany,
afa-tsy izay antsoin’Andriamanitra
tahaka an-dry Aarôna ihany.
Dia toy izany koa i Kristy,
fa tsy Izy no nanandra-tena ho mpisorombe,
fa Ilay nanao taminy hoe:

“Zanako Ianao,
Izaho no niteraka Anao androany”

sy nilaza tamin’ny teny hafa koa hoe:

“Ianao no mpisorona mandrakizay
araka ny fomban’i Melkisedeka.”

Tamin’ny andron’ny nofony,
nony nanolotra fivavahana sy fifonana
nombam-pitarainana mafy sy ranomaso be
tamin’Ilay nahavonjy Azy tamin’ny fahafatesana
sady nohenoiny noho ny fahatahorany an’Andriamanitra,
dia nianatra ny fanekena tamin’ny fahoriana niaretany,
na dia Zanaka aza;
ary ankehitriny efa tonga amin’izay fanaperana Izy,
ka tonga fototry ny famonjena mandrakizay
ho an’izay manaiky Azy,
fa antsoin’Andriamanitra hoe:

Mpisorombe araka ny fomban’i Melkisedeka.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 109, 1. 2. 3. 4

Ianao dia Mpisorona mandrakizay araka ny fanaon’i Melkisedeka.

Tenin’ny Tompo amin’ny Tompoko:
“Mipetraha ankavanako,
mandra-panaoko ny fahavalonao
ho fitoeran-tongotrao!”

Ny tehinao mahery
ahinjitry ny Tompo:
Avy ao Siôna manjakà hatr’anivom-pahavalo.

Fa anao ny Fiandrianana
hatramin’ny andro nahaterahanao!
Fa Izaho niteraka Anao teo am-Bohitra Masina:
toy ny mazava atsinanana miteraka ny ando!

Hoy ny fianianan’ny Tompo
ka tsy hanenenany:
“Ianao Mpisorona mandrakizay
araka ny fanaon’i Melkisedeka!”

 

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Misaotra Anao Aho, ry Ray, Tompon’ny lanitra sy ny tany,
fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny fanjakanao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka 2, 18-22

Mbola eo aminy ny mpampakatra.

Tamin’izany andro izany:
fanaon’ny mpianatr’i Joany sy ny Farisianina ny mifady hanina,
ka nisy nanatona nanao taminy hoe:

“Nahoana ny mpianatr’i Joany
sy ny an’ny Farisianina no mifady hanina,
nefa ny mpianatrao kosa tsy mba mifady?”

Ary hoy i Jesoa taminy:

“Moa mahazo mifady ny naman’ny mpampakatra
raha mbola eo aminy ny mpampakatra?
Raha mbola ao aminy koa ny mpampakatra,
dia tsy mahazo mifady izy;
fa ho avy ny andro izay hanesorana ny mpampakatra hiala ao aminy,
ka amin’izany andro izany vao hifady izy.
Tsy misy olona manampina akanjo tonta amin’ny tapa-damba vaovao;
fa raha izany dia handrovitra ny tonta ny vaovao ka hitatra ny rovitra.
Ary tsy misy olona manisy divay vaovao amin’ny siny hoditra tonta;
fa raha izany dia ho rovitry ny divay ny siny hoditra,
ka ho very foana ny divay mbamin’ny siny hoditra;
fa raha divay vaovao dia aoka ho ao anaty siny hoditra vaovao koa.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Mitondra ny teny fiarahabana sy firarian-tsoa ho antsika, amin'izao fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'ny Mpamonjy izao, i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...