Vakiteny voalohany

Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio (Heb. 10, 11-18)

Nandavorary mandrakizay ireo nohamasininy Izy.

Ny mpisorona rehetra dia mijoro isan’andro hanao ny raharahany,
sy manolotra matetika ireny sorona tsy nahafa-pahotana akory ireny;
fa i Jesoa Kristy kosa,
indray mandeha monja no nanolotra sorona noho ny ota,
dia mipetraka mandrakizay eo ankavanan’Andriamanitra;
ka hatramin’izao Izy,
dia miandry ny hanaovana ny fahavalony ho fitoeran-tongony rahatrizay.
Fanatitra iray monja
dia ampy handavorariany mandrakizay izay nohamasininy.
Ary asehon’ny Fanahy Masina amintsika koa izany;
fa rahefa voalazany hoe:

“Fanekena toy izao no hataoko
amin’ny fianakavian’i Israely
rahefa afaka izany andro izany”,

dia hoy indray ny Tompo:

“Halatsako ao an-tsainy ny lalàko,
ary hosoratako ao am-pony ka havelako ny hadisoany,
ary tsy ho tsaroako ny fahotany”;

ka rahefa voavela ny fahotana,
dia tsy ilaina intsony ny sorona noho ny ota.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo (Sal. 109, 1. 2. 3. 4)

Ianao mpisorona mandrakizay araka ny fanaon’i Melkisedeka.

Tenin’ny Tompo amin’ny Tompoko:
Mipetraha ankavanako,
mandra-panaoko ny fahavalonao
ho fitoeran-tongotrao!

Ny tehinao mahery ahinjitry ny Tompo.
Avy ao Siôna, manjakà hatr’anivom-pahavalo

Fa Anao ny fiandrianana
hatramin’ny andro nahaterahanao.
Fa Izaho niteraka Anao teo am-Bohitra Masina;
toy ny mazava atsinanana miteraka ny ando.

Hoy ny fianianan’ny Tompo
ka tsy hanenenany:
Ianao Mpisorona mandrakizay
araka ny fanaon’i Melkisedeka.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy,
ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 4, 1-20)

Niainga hamafy ny mpamafy.

Tamin’izany andro izany i Jesoa
nampianatra teo amoron-dranomasina
ka nisy vahoaka be nitangorona teo aminy,
Izy moa niakatra nipetraka teo an-tsambo kely
teo ambonin’ny ranomasina,
ny vahoaka rehetra kosa teny amoron-dranomasina.
Ary nampianatra azy zavatra maro tamin’ny fanoharana Izy
ka nilaza tamin’ny fampianarany hoe:

“Mihainoa: Indro niainga hamafy ny mpamafy,
ka nony namafy izy,
ny sasany latsaka teny amoron-dalana dia tonga ny voro-manidina ka nitsindroka azy.
Ny sasany latsaka tamin’ny tany be vato sy marivo nofo,
ka nitsimoka vetivety satria tsy nisy tany lalina,
fa nony niposaka ny masoandro,
sady nasian’ny hainandro izy no tsy latsapaka ka maina.
Ny sasany latsaka tany anaty tsilo,
ary nitombo ny tsilo ka nangeja azy, dia tsy namoa izy.
Ary ny sasany latsaka tamin’ny tany tsara,
dia naniry sy nitombo, ary namoa,
ka ny sasany avo telopolo heny,
ny sasany avo enim-polo heny,
ny sasany avo zato heny.”

Ary hoy Izy:

“Izay manan-tsofina hihainoana, aoka hihaino.”

Nony efa nitokana Izy,
dia nanontany Azy ny amin’ny fanoharana ireo momba Azy
mbamin’ny roa ambin’ny folo lahy.
Ary hoy Izy taminy:

“Ianareo no nomena hahalala ny zava-miafina
amin’ny fanjakan’Andriamanitra,
fa amindry zareo any ivelany kosa ny zavatra rehetra
dia natao amin’ny fanoharana
mba hahita maso izy fa tsy hahalala,
ary handre sofina fa tsy hahafantatra,
fandrao hibebaka izy ka havela ny helony.”

Dia hoy Izy:

“Tsy azonareo va izany fanoharana izany?
Koa hataonareo ahoana àry no fahalala ny fanoharana rehetra?
Ny mpamafy dia mamafy ny teny.
Ireto eo amoron-dalana dia ny olona izay amafazana ny teny;
fa raha vao nahare izy,
dia tonga i Satana ka manesotra ny teny voafafy tao am-pony.
Toy izany koa, ireo mandray ny voa amin’ny tany be vato
no izay vao mandre ny teny, dia mandray azy an-kafaliana;
nefa tsy miorim-paka ao anatiny izy,
ka tsy maharitra ela;
fa nony tonga ny fahoriana sy ny fanenjehana noho ny teny,
dia tafintohina miaraka amin’izay izy.
Ireto mandray ny voa ao anatin’ny tsilo
no izay mihaino ny teny fa ny fiahiana izao fiainana izao
sy ny fitaky ny harena mbamin’ny fanirian-javatra hafa,
dia miditra mamono ny teny, ka tonga tsy mamoa izy.
Ary ireo mandray ny voa amin’ny tany lonaka
no izay sady mihaino ny teny no mandray azy ka mamoa,
ny sasany avo telopolo heny, ny sasany enim-polo heny,
ary ny sasany zato heny.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio (Heb. 10, 1-10)

Inty aho tonga, hanao ny sitraponao Andriamanitra ô!

Ry kristianina havana,
ny Lalàna moa dia tsy misy afa-tsy aloky ny soa ho avy,
fa tsy ny tena endri-javatra,
ka ireny sorona tsy niova sy fanatitra isan-taona ireny
dia tsy nahalavorariany izay olona nanatona velively akory.
Raha tsy izany, tsy ho nitsahatra nanatitra va ny olona?
satria efa voadio indray mandeha ny mpanatitra,
dia tsy ho nahare intsony hoe nanota izy tamin’ny fieritreretany.
Nefa isan-taona dia nahatsiaro ny fahotany ihany ny olona
tamin’ireny sorona ireny,
satria aiza izay ran-janak’omby sy ran’osilahy
no hahafaka ny fahotana?
Noho izany indrindra,
nony niditra tamin’izao tontolo izao i Kristy
dia nanao hoe:

“Tsy nilainao ny sorona sy ny fanatitra,
fa namboatra vatana ho Ahy Ianao;
tsy sitrakao ny sorona dorana sy ny sorona noho ny ota,
ka hoy Aho hoe: Intý aho tonga
— fa Izaho no voalaza ao amin’ny horonam-boky —
hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô!”

Voalohany aloha lazainy hoe:

Samy tsy nilainao sy tsy sitrakao
na ny fanatitra na ny sorona dorana,
na ny sorona noho ny ota,

— dia zavatra natolotra araka ny Lalàna avokoa ireny; —
manaraka izany tohiziny hoe:

Inty Aho tonga hanao ny sitraponao;

ka manafoana ny voalohany Izy amin’izany
mba hanorenany ny faharoa,
ary ny herin’izany sitrapo izany
no nanamasina antsika,
tamin’ny nanoloran’i Jesoa Kristy ny Vatany
indray mandeha monja.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo (Sal. 39, 2 sy 4ab. 7-8a. 10. 11)

Inty aho, Tompo, tonga hanao ny sitra-ponao.

Niandry aho ka niandry ny Tompo:
ka niondrehany, nohenoiny talaho,
ny vavako nasiany hira vao:
fiderana ny Andriamanitsika!

Tsy sitrakao ny sorona sy ny fanatitra,
nosokafanao manko ny sofiko.
Tsia, tsy misy ilainao izay sorona dorana sy fanonerana:
ka hoy aho hoe: Inty aho tamy!

Torìko ao am-Piangonam-be
ny fahamarinanao.
Fantatrao, ry Tompo:
tsy akomboko ny molotro.

Tsy afeniko ato anatiko ny fahamarinanao;
ambarako ny toetra mahatoky sy famonjenao;
tsy takonako amin’ny Fiangonam-be
ny hatsaram-po sy fahamarinanao! 

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy,
ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 3, 31-35)

Izay manao ny sitra-pon’Andriamanitra no rahalahiko, anabaviko ary reniko.

Tamin’izany andro izany,
tonga ny renin’i Jesoa sy ny rahalahiny,
nijanona teo alatrano, ka naniraka nampiantso Azy.
Fa nisy olona maro nanodidina Azy,
dia nilazana Izy natao hoe:

“Indreo ao alatrano ny reninao sy ny rahalahinao,
mitady Anao.”

Fa novaliany hoe:

“Iza moa no reniko sy rahalahiko?”

Dia nijery izay nipetraka nanodidina Azy Izy
ka nanao hoe:

“Ireo no reniko sy rahalahiko;
fa na iza na iza manao ny sitrapon’Andriamanitra,
dia izy no rahalahiko sy anabaviko ary reniko.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio (Heb. 9, 15. 24-28)

Nanolotra ny Tenany indray mandeha monja Izy mba hanala ny ota ary mba hiseho fanindroany ho an’ireo miandry Azy.

Ry kristianina havana,
i Kristy no Mpanalalana amin’ny fanekena vaovao,
mba hahazoan’izay voaantso
ny lova mandrakizay nampanantenaina azy,
rahefa nisy fahafatesana hanalana ny fahotana
natao tamin’ny fanekena taloha.
Fa tsy mba fitoerana masina nataon-tanana
sy tandindon’ny tena izy fotsiny no nidiran’i Kristy,
fa tany an-danitra mihitsy,
mba hiseho eo anatrehan’Andriamanitra
ho antsika ankehitriny.
Ary tsy mba toy ny mpisorombe niditra isan-taona
tao amin’ny fitoerana masina
sy nitondra ran-javatra hafa Izy,
ka hoe hanolo-tena matetika;
raha izany dia ho nijaly matetika Izy
hatrizay nanaovana izao tontolo izao;
fa indray mandeha monja Izy no niseho
tamin’izao andro farany izao,
mba hamongotra ny fahotana
tamin’ny nanolorany ny tenany ho sorona.
Ary toy ny nandraiketana ny olona ho faty indray mandeha
sy hotsaraina rahefa afaka izany
no nanoloran’i Kristy ny Tenany indray mandeha koa
mba hanala ny fahotan’ny maro,
sy mbola hisehoany tsy amin’ota fanindroany
mba hamonjy izay miandry Azy.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo (Sal. 97, 1. 2-3ab. 3de-4. 5-6)

Ihirao hira vao ny Tompo fa nahavita zava-mahagaga.

Ihirao hira vao ny Tompo:
fa nahavita zava-mahagaga!
Namonjy Azy ny tanany havanana,
nanampy Azy ny sandriny masina.

Ny Tompo manambara ny famonjeny,
sy naneho ny fahamarinany tamin’ireo firenena!
Tsarovy, ry tranon’i Israely,
ny hatsaram-po sy fahamarinany!

Zahao, ry vazan-tany rehetra,
ny famonjen’ny Andriamanitray!
Mihobia ny Tompo, ry tany tontolo!
Mientàna, mihobia sy miantsà!

Miantsà ny Tompo amim-baliha,
amim-baliha sy hira fiantsana,
amin’antsiva sy feon’anjomara!
Mihobia anoloan’ny Tompo Mpanjaka!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalanao,
ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 3, 22-30)

Ho rava ny herin’i Satana.

Tamin’izany andro izany, ny mpanora-dalàna
izay nidina avy tany Jerosalema kosa nanao hoe:

“Efa azon’i Belzeboba Izy,
ary ny filohan’ny demony no androahany ny demony.”

Nantsoin’i Jesoa izy ireo
ka nanaovany fanoharana hoe:

“Hataon’i Satana ahoana no fandroaka an’i Satana?
Raha misy fanjakana miady an-trano,
dia tsy haharitra izany fanjakana izany;
ary raha misy fianakaviana miady an-trano,
dia tsy haharitra izany fianakaviana izany:
koa raha mitsangan-kanohitra ny tenany àry i Satàna,
ka miady an-trano,
dia tsy maharitra izy fa rava ny heriny.
Tsy misy olona afa-miditra ao an-tranon’ny olo-mahery
sy mandroba ny entany,
raha tsy afatony aloha ilay mahery,
vao robainy ny ao an-tranony.
Lazaiko marina aminareo
fa hahazo famelan-keloka ihany ny zanak’olombelona
amin’ny fahotany rehetra, sy ny fitenenan-dratsy rehetra
izay itenenany ratsy an’Andriamanitra;
fa izay hiteny ratsy ny Fanahy Masina
no tsy hahazo famelan-keloka na oviana na oviana,
fa manam-pahotana mandrakizay.
Satria hoy izy ireo hoe:
manana fanahy maloto Izy.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio (Heb. 13, 15-17. 20-21)

Andriamanitry ny fiadanana izay nanatsoaka tamin’ny fahafatesana an’ilay Mpiandry ondry lehibe no hanomana anareo amin’ny asa soa rehetra.

Ry kristianina havana,
aoka isika hanolotra fanati-piderana ho an’Andriamanitra
amin’ny alalan’i Jesoa mandrakariva;
izany hoe, ny vokatry ny molotra mankalaza Azy.
Ary aza manadino ny fanaovan-tsoa sy ny fiantrana,
fa ny fanatitra toy ireny no ankasitrahan’Andriamanitra.
Maneke ny lehibenareo, ary ankatoavy ny teniny,
fa miambina ny fanahinareo toy ny olona mbola hampamoahina izy ireo,
mba ho an-kafaliana no hanaovany an’izany, fa tsy ho amin’alahelo,
fa tsy mahasoa anareo izany.
Ary enga anie ka ny Andriamanitry ny fiadanana,
izay nanatsoaka tamin’ny fahafatesana an’ilay Mpiandry ondry lehibe
noho ny ran’ny fanekena mandrakizay, dia i Jesoa Tompontsika,
no hanomana anareo amin’ny asa soa rehetra,
mba hanatanterahanareo ny sitra-pony,
amin’ny fanaovanareo ao anatinareo izay tsara eo imasony,
amin’ny alalan’i Jesoa Kristy:
ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amen.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo (Sal. 22, 1-3a. 3b-4. 5. 6)

Ny Tompo miandry ahy, tsy orin’inona aho.

Ny Tompo miandry ahy: tsy orin’inona aho;
izaho ampiraotiny amin’ny vilo-maitso,
entiny amin’ny rano manala sasatra,
velombelominy fanahy.

Tarihiny amin’ny lala-marina noho ny Anarany!
Na mamaky lohasaha maizina aza aho, tsy matahotra izay loza:
satria Ianao miaraka amiko:
ny kibay aman-tehinao mampatoky ahy.

Rosoanao sakafo eo imason’ny rafiko aho:
ka ny loha mitavona ilo, ny kapoaka safomorona!
Eny, hatsaram-po sy hasambarana
no manjohy amin’ny fiainana tontolo.

Ny tranon’ny Tompo no fonenana
taona maro mifandimby.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo. Izaho mahalala azy, ary izy manaraka ahy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 6, 30-34)

Tahaka ny ondry tsy mana-mpiandry izy ireo.

Tamin’izany andro izany,
niverina teo amin’i Jesoa ny Apôstôly,
dia nilaza taminy ny zavatra rehetra nataony sy nampianariny.
Ary hoy Izy taminy:

“Avia ianareo, ndeha mitokana any amin’ny tany mangingina,
ka mialà sasatra kely”:

fa maro ny olona mifamoivoy ka tsy nisy hihinanany akory.

Dia niara-niondrana an-tsambo kely izy ireo
ka lasa nitokana any amin’ny tany mangingina.
Fa hitan’ny olona ny nandehanany ary maro no nahalala ny halehany,
ka nidodododo nandeha an-tongotra avy amin’ny tanàna rehetra,
sy tonga tany talohany.
Ary nony nivoaka avy tao an-tsambo i Jesoa
dia nahita ireto vahoaka betsaka ka nangoraka azy,
satria tahaka ny ondry tsy mana-mpiandry izy ireo,
dia nampianatra azy zavatra maro Izy.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Bokin’i Izaia Mpaminany 8, 23b — 9, 3

Nahita hazavan-dehibe ny vahoaka, tany Galilean’ny Jentily.

Toy ny nanotofan’ny andro taloha
fahafahambaraka ny tany Zabolôna sy ny tany Neftali
no hamenoan’ny andro farany voninahitra,
ny lalan’ny ranomasina, ny tany an-dafin’i Jordany,
ary ny faritanin’ny firenena.
Ny vahoaka nandeha tamin’ny haizim-pito,
nahita mazava lehibe;
ary ireo nonina tamin’ny tany aloky ny fahafatesana,
namirapiratan’ny mazava.
Nampitombo ny vahoakanao ianao,
ary nataonao lehibe ny hafaliana;
ka mifaly eo anatrehanao,
toy ny fifaliana raha fararano izy,
toy ny fihobiana an-kafaliana, raha mizara babo.
Satria ny jioga nanavesatra azy,
ny tsora-kazo nikapohana ny lamosiny,
ny tehin’ny mpitoraka azy, dia samy notapahinao,
toy ny tamin’ny andron’i Madiàna.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Salamo 26, 1. 4. 13-14

Ny Tompo no faniloko sy vonjiko.

Ny Tompo faniloko sy vonjiko:
iza no hatahorako?
Ny Tompo no mandan’ny aiko:
zovy no hangovitako?

Fangatahana tsy mahasasatra ahy,
hany ataoko aminao, ô ry Tompo:
ny honina ao an-tranon’ny Tompo
amin’ny andro rehetra iainako.

Matoky aho fa ny hasoan’ny Tompo
ho hitako any amin’ny tanin’ny velona.
Mahandrasa ny Tompo, marisiha;
mahereza fo, mahandrasa ny Tompo!

Vakiteny faharoa

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty 1, 10-13. 17

Aoka hiray teny daholo ianareo, ka tsy hisy fisarahana ao aminareo.

Ry kristianina havana,
mihanta aminareo
amin’ny Anaran’i Jesoa Kristy Tompontsika aho,
mba hiray teny daholo ianareo,
ka tsy hisy fisarahana eo aminareo,
fa ho tafakambana tsara amimpiraisan-tsaina
sy hevitra avokoa ianareo.
Reko tamin-dry i Klôe anie ny aminareo e,
fa hoe misy fifandirana ao aminareo;
izany hoe, ny sasany aminareo manao hoe:

“Izaho an’i Paoly”;

ny sasany kosa manao hoe:

“Izaho an’i Apôlô”,

na:

“Izaho an’i Sefasy”.

Voazarazara va i Kristy?
Ary i Paoly va no voafantsika tamin’ny Hazofijaliana ho anareo?
Sa tamin’ny anaran’i Paoly no natao Batemy ianareo?
Tsy ny hanao Batemy no nanirahan’i Kristy ahy,
fa ny hitory ny Evanjely.
Tsy tamin’ny lahateny kanto anefa,
fandrao foanan’izany ny Hazofijalian’i Kristy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Nitory ny Evanjelin’ny Fanjakan’Andriamanitra i Jesoa
ary nanasitrana ny aretina sy ny rofy rehetra tamin’ny olona.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio 4, 12-23

Tonga tao Kafarnaôma Izy mba ho tanteraka ny teny nolazain’i Izaia mpaminany.

Tamin’izany andro izany,
nony ren’i Jesoa fa natao an-tranomaizina i Joany,
dia lasa Izy nankany Galilea;
ka nony niala tao Nazareta dia tonga tao Kafarnaôma,
tanàna amoron-dranomasina
ao amin’ny sisintanin’i Zabolôna sy Neftalî
ka nonina tao,
mba ho tanteraka ny teny nolazain’i Izaia Mpaminany hoe:

Ny tanin’i Zabolôna sy ny tanin’i Neftalî,
ny lalana ao amoron-dranomasina,
any an-dafin’i Jordany, i Galilean’ny Jentily;
ny olona izay nitoetra tao amin’ny maizina
dia nahita fahazavana lehibe,
ary ireo izay nitoetra tao amin’ny tany aloky ny fahafatesana
no niposahan’ny mazava.

Hatramin’izay dia nanomboka nitory teny i Jesoa
ka nanao hoe:

“Mibebaha ianareo,
fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra”.

Ary raha nitsangantsangana
teny amoron’ny ranomasin’i Galilea i Jesoa,
dia nahita olona mirahalahy,
dia i Simôna ilay atao hoe Piera sy Andre rahalahiny,
nanarato tao amin’ny ranomasina,
fa mpanarato izy ireo.
Dia hoy Izy taminy:

“Avia hanaraka Ahy,
fa hataoko mpanarato olona ianareo”.

Dia nandao ny haratony niaraka tamin’izay izy ireo,
ka nanaraka Azy.
Dia mbola nandroso ihany Izy,
ka nahita olona mirahalahy hafa koa,
dia i Jakôba zanak’i Zebede sy i Joany rahalahiny
izay teo an-tsambo niaraka tamin’i Zebede rainy,
nanamboatra ny haratony;
ary nantsoiny izy mirahalahy.
Nandao ny haratony sy ny rainy niaraka tamin’izay izy ireo
ka nanaraka Azy.
Ary i Jesoa nitety an’i Galilea manontolo,
nampianatra tao amin’ny sinagôgan’ny olona,
sy nitory ny Evanjelin’ny Fanjakan’Andriamanitra
ary nanasitrana ny aretina sy ny rofy rehetra tamin’ny olona.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

 

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Nitory ny Evanjelin’ny Fanjakan’Andriamanitra i Jesoa
ary nanasitrana ny aretina sy ny rofy rehetra tamin’ny olona.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio 4, 12-17

Tonga tao Kafarnaôma Izy mba ho tanteraka ny teny nolazain’i Izaia mpaminany.

Tamin’izany andro izany,
nony ren’i Jesoa fa natao an-tranomaizina i Joany,
dia lasa Izy nankany Galilea;
ka nony niala tao Nazareta dia tonga tao Kafarnaôma,
tanàna amoron-dranomasina
ao amin’ny sisintanin’i Zabolôna sy Neftalî
ka nonina tao,
mba ho tanteraka ny teny nolazain’i Izaia Mpaminany hoe:

Ny tanin’i Zabolôna sy ny tanin’i Neftalî,
ny lalana ao amoron-dranomasina,
any an-dafin’i Jordany, i Galilean’ny Jentily;
ny olona izay nitoetra tao amin’ny maizina
dia nahita fahazavana lehibe,
ary ireo izay nitoetra tao amin’ny tany aloky ny fahafatesana
no niposahan’ny mazava.

Hatramin’izay dia nanomboka nitory teny i Jesoa
ka nanao hoe:

“Mibebaha ianareo,
fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra”.

 

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Tontosa omaly ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Donatien Francis Randriamalala sy ny fametrahana azy ho Mpinadry ondrin'ny Diôsezin'Ambanja... ♦ Nanatanteraka ny Andron'ny fiainam-panahin'ny Finakaviambe Salezianina, ny Salezianina eto Madagasikara, omaly... ♦ Rehefa avy nanao batemy an'i Jesoa teo Jordany i Joany Batsista, avy hatrany dia nanatanteraka ny iraka ho azy, tsy nila dera ary tsy niandry valisoa. Nanentana ny pretra rehetra sy ny relijiozy ny Papa, nandritra ny vavaka Angelus omaly, mba hoentanin'io fanahin'ny fanompoan'i Joany Batista io...

♦ Nigadona tao amin'ny Diôsezin'Ambanja ny maraina teo, i Mgr Donatien Francis Randriamalala. Noraisin'ireo mpino kristianina tao tamin'ny fitiavana sy fifaliana teo amin'ny tetezan'i Sambirano... ♦ Vaovao momba ny "Logo" sy ny hira faneva entina miatrika ny Andro Nasiônalin'ny Ankizy, andiany fahatelo, izay hotontosaina eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo... ♦ Ny momba ny zotom-po apôstôlika no fampianarana nentin'ny Papa François, nandritra ny "Audience générale" tamin'ny alarobia 11 janoary 2023...

Ireo antony mahatsara ny fianakaviana : mahay mifampikarakara, mifampihaino, mifanakaiky am-po ary mahay mifampahery. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'i jeneraly Ramakavelo Désiré.

Vakiteny voalohany

Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio 9, 2-3. 11-14

Ny Ran’ny Tenany no nentiny niditra tao amin’ny toerana marina indrindra.

Ry kristianina havana,
nisy tranolay natao,
ka ny efitra voalohany, izay atao hoe fitoerana masina,
dia nisy ny fanaovan-jiro maro rantsana,
sy ny latabatra, ary ny mofo alahatra.
Ary ny efitra lamba faharoa kosa,
dia atao hoe fitoerana masina indrindra.
Fa i Kristy kosa,
nony efa tonga ho Mpisorombe ny amin’ny soa ho avy,
dia namaky tranolay tsara lavitra sy lavorary lavitra,
tsy nataon-tanana,
izany hoe tsy mba anisan’izao zava-boaary izao;
sady tsy mba ran’osilahy na ran-janak’omby,
fa ny Ran’ny Tenany no nentiny
niditra tao amin’ny fitoerana masina indrindra,
indray mandeha monja dia ampy,
ka nahazoany fanavotana mandrakizay.
Ary raha ny ran’osilahy sy ny ran-janak’omby aza
mbamin’ny famafazana ny lavenom-bantotr’ombivavy,
nanamasina izay voaloto amin’ny fanadiovana ny nofo,
mainka ny Ran’i Kristy
izay nanolotra ny tenany tsy manan-tsiny
tamin’Andriamanitra,
amin’ny alalan’ny Fanahy mandrakizay,
no hanadio ny fontsika ho afaka amin’ny asa maty,
mba hanompoantsika an’Andriamanitra velona!

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 46, 2-3. 6-7. 8-9

Andriamanitra miakatra arahina hoby.
Ny Tompo misandratra amim-peon’anjomara.

Ry vahoaka rehetra, mitehafa tanana!
ianareo andriamanitra manaova hora-pifaliana!
Fa mahatahotra ny Tompo Avo indrindra,
Mpanjaka lehibe amin’ny tany tontolo.

Andriamanitra miakatra arahina hoby;
ny Tompo misandratra amim-peon’anjomara!
Antsao Andriamanitra! antsao!
Antsao ny Mpanjakantsika! antsao!

Fa Mpanjakan’ny tany tontolo Andriamanitra;
koa antsao amim-pirindrana!
Andriamanitra manjaka amin’ireo firenena;
Andriamanitra mitoetra am-piketrahany masina.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Omeo fahalalana aho, ry Tompo,
hitandremako ny lalànao, ary hanarahako azy amin’ny foko tontolo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka 3, 20-21

Hoy ny havany: Efa very saina Izy.

Tamin’izany andro izany,
niverina nankany an-trano i Jesoa sy ny mpianany,
dia nivory indray ny vahoaka,
ka tsy afa-nihinana akory izy ireo.
Nony nandre izany ny havany
dia nivoaka hihazona Azy, fa hoy izy ireo:

“Efa very saina Izy.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio 8, 6-13

Mpanalalana amin’ny fanekena tsaratsara kokoa Izy.

Ry kristianina havana,
ankehitriny dia voatendry
hanao fandraharahana ambony lavitra i Kristy Mpisorombentsika
fa Mpanalalana amin’ny fanekena tsaratsara kokoa
sy miankina amin’ny fampanantenana ambony kokoa.
Eny tokoa,
satria raha tsy nisy tsininy ny fanekena voalohany,
dia tsy misy antony hanoloan’ny faharoa azy akory.
Fa mova tsy ny manome tsiny azy rehetra Andriamanitra
no miteny toy izao:

“Indro, hoy ny Tompo,
ho avy ny andro hanaovako fanekena vaovao
amin’ny fianakavian’i Israely sy ny fianakavian’i Joda;
tsy mba fanekena tahaka ny nataoko tamin’ny razan’izy ireo,
tamin’ny andro nitantanako sy nitondrako azy
nivoaka avy tany Ejipta,
izay fanekena tsy naharetany ka nandaozako azy”,

hoy ny Tompo;

“fa fanekena toy izao kosa no hataoko
amin’ny fianakavian’i Israely,
rahefa afaka izany andro izany”,

hoy ny Tompo:

“Halatsako ao an-tsainy ny Lalàko,
ary hosoratako ao am-pony;
ka Izaho ho Andriamanitr’izy ireo,
ary izy kosa ho vahoakako.
Dia tsy hisy hampianatra ny namany intsony izy,
na hanao amin’ny rahalahiny hoe:
Mahalalà an’Andriamanitra.
Fa samy hahalala Ahy avokoa izy rehetra,
hatramin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra.
Satria havelako ny hadisoany,
ary tsy ho tsaroako ny fahotany.”

Manambara ny voalohany ho efa antitra Izy,
amin’ny filazana ny faharoa hoe vaovao;
ary izay hoe tranainy sy efa antitra
dia efa madiva ho levona mihitsy.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 84, 8 sy 10. 11-12. 13-14

Tafahaona ny hatsaram-po sy ny fahamarinana.

Asehoy anay, ry Tompo, ny hatsaram-ponao!
Omeo anay ny famonjenao.
Eny, akaiky an’izay matahotra Azy ny famonjeny,
ka honina amin’ny tanintsika ny voninahiny.

Tafahaona ny hatsaram-po sy ny fahamarinana;
mifanoroka ny rariny sy ny fiadanana:
mitrebona an-tany ny fahamarinana,
mitranga avy eny an-danitra ny rariny.

Ny Tompo manome orana amim-peo avo,
ka ny tanintsika manome ny vokany.
Ny rariny mizotra eo anoloany;
ny fiadanana eo amin’ny soritry ny diany!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo;
satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka 3, 13-19

Niantso izay tiany hankeo aminy Izy.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niakatra tany amin’ny tendrombohitra anankiray,
ka niantso izay tiany hankeo aminy,
dia nankeo aminy ireo.
Ary nanendry roa ambin’ny folo lahy Izy
hiara-kitoetra aminy sy hirahiny hitory teny,
sady hanam-pahefana hanasitrana ny aretina
sy handroaka ny demony.
Ary i Simôna nomeny fanampin’anarana hoe Piera;
ary i Jakôba zanak’i Zebede sy i Joany rahalahin’i Jakôba,
izay nomeny fanampin’anarana hoe Bôanerjesy,
izany hoe zana-baratra;
ary i Andre, sy i Filipo, sy i Bartelemy,
sy i Matio sy i Tôma, sy i Jakôba zanak’i Alfe,
sy i Tade, sy i Simôna Zelôty,
ary i Jôdasy Iskariota ilay namadika Azy.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio 7, 25 — 8, 6

Indray mandeha monja Izy no nanolotra fanatitra tamin’ny nanolorany ny tenany.

Ry kristianina havana,
i Jesoa no mahavonjy marimarina izay manatona an’Andriamanitra amin’ny alalany,
satria velona mandrakizay hanao fifonana ho azy ireo.
Eny tokoa, dia Mpisorombe toy izao no sahaza antsika:
masina, tsy manan-tsiny, tsy misy pentina, voaavaka amin’ny mpanota,
voasandratra avo noho ny lanitra;
ary tsy mila hanolotra sorona isan’andro toy ny mpisorombe hafa
ho an’ny fahotan’ny tenany aloha, dia ho an’ny vahoaka koa;
fa indray mandeha monja Izy no nanao izany
tamin’ny nanolorany ny Tenany, dia ampy.
Satria olona zoim-pahalemena no atsangan’ny Lalàna ho mpisorombe:
fa ny tenin’ny fianianana taorian’ny Lalàna kosa
dia manendry ny Zanaka,
izay tonga amin’ny fara fanaperana mandrakizay.
Fa izao no tompon’ny zavatra lazaina amin’izao,
dia ny ananantsika Mpisorombe toy izany,
izay mipetraka eo ankavanan’ny seza fiandrianan’ny Avo indrindra any an-danitra,
mpandraharaha ao amin’ilay tena fitoerana masina
sy tena tranolay tsy naorin’olona,
fa naorin’ny Tompo.
Satria ny mpisorombe rehetra,
dia tendrena mba hanolotra fanatitra sy sorona,
ka tsy maintsy mba manan-katolotra koa izy.
Raha ety an-tany,
dia tsy mba ho mpisorona akory izy,
satria misy rahateo izay manolotra fanatitra araka ny Lalàna;
ireo dia sary sy tandindon’ny any an-danitra fotsiny
no fanompoana ataony araka ny natoron’Andriamanitra an’i Môizy
ilay efa hanao ny tranolay iny izy hoe:

“Tandremo mba ho vita araka ny ohatra naseho anao
tany an-tendrombohitra ny zavatra rehetra.”

Fa ny azy kosa dia fandraharahana ambony lavitra,
fa Mpanalalana amin’ny fanekena tsaratsara kokoa
sy miankina amin’ny fampanantenana ambony kokoa.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 39, 7-8a. 8b-9. 10. 17

Inty aho tamy, Tompoko. Ny manao ny sitrakao no mamiko.

Tsy sitrakao ny sorona sy ny fanatitra,
nosokafanao manko ny sofiko.
Tsia, tsy misy ilainao izay sorona dorana sy fanonerana:
ka hoy aho hoe: “Inty aho tamy.”

“Voasoratra ao amin’ny Boky ny momba ahy!
Ny manao ny sitrakao, ry Andriamanitro no mamiko!
Eny, ato anatin’ny foko
ny Lalànao!”

Torìko ao am-piangonam-be
ny fahamarinanao.
Fantatrao, ry Tompo;
tsy akomboko ny molotro.

Fa hifaly sy hiravo aminao kosa
izay rehetra mitady Anao;
ary izay tia ny vonjinao
hivolan-dava hoe: “Lehibe ny Tompo!”

 

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Araikao amin’ny fanambarànao ny foko ry Tompo,
ary ny lalanao no aoka hanenika ahy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka 3, 7-12

Niantso ny fanahy ratsy nanao hoe: “Ianao no zanak’Andriamanitra”, fa norarany izy ireo mba tsy hanao izay hahafantarana azy.

Tamin’izany andro izany:
Lasa nankany amin’ny ranomasina
niaraka tamin’ny mpianany i Jesoa,
ary maro ny olona avy tany Galilea no nanaraka Azy.
Ary maro koa no tany Jodea sy Jerosalema,
sy tany Idomea, sy tany an-dafin’i Jordany,
ary tamin’ny tany manodidina an’i Tira sy Sidôna
no nankeo aminy nony nandre ny nataony.
Ary nilaza tamin’ny mpianany Izy
mba hanomana sambo kely hiandry Azy eo
noho ny habetsahan’ny vahoaka
fandrao dia poritin’ny olona Izy.
Fa nahasitrana olona betsaka Izy,
ka nifanesika hanendry azy
izay rehetra nanana aretina.
Ary raha nahita Azy koa ny fanahy maloto,
dia miankohoka eo anatrehany ka miantso Azy hoe:

“Ianao no zanak’Andriamanitra”;

fa rarany sy rahonany mafy izy ireo
mba tsy hanao izay hahafantarana azy.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio 7, 1-3. 15-17

Ianao dia Mpisorona mandrakizay araka ny fanaon’i Melkisedeka.

Ry kristianina havana,
io Melkisedeka io, izay mpanjakan’i Salema,
mpisoron’ny Avo indrindra,
nitsena an’i Abrahama fony izy avy nandresy mpanjaka maro, nitso-drano azy,
notoloran’i Abrahama ny ampahafolon’ny babony rehetra;
— “mpanjakan’ny fahamarinana” no hevitr’anarany voalohany,
vao “mpanjakan’i Salema” koa,
izany hoe “mpanjakan’ny fiadanana”;
tsy ray tsy reny izy,
tsy nanana tantaram-pirazanana izy,
tsy voalaza andro niandohana na niafaram-piainana —
ka nampitoviana tamin’ny Zanak’Andriamanitra,
dia mitoetra ho mpisorona mandrakizay.
Vao mainka hita mihamazavazava kokoa indray izany,
rahefa nisy Mpisorona hafa tokoa niseho
tahaka an’i Melkisedeka:
tsy mba voatendry araka ny didin’ny Lalàna momba ny nofo,
fa araka ny herin’ny fiainany tsy manam-pahataperana,
fa toy izao no anambaràna azy:

“Ianao no Mpisorona mandrakizay
araka ny fomban’i Melkisedeka.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 109, 1. 2. 3. 4

Ianao dia mpisorona mandrakizay araka ny fanaon’i Melkisedeka.

Tenin’ny Tompo amin’ny Tompoko:
“Mipetraha ankavanako,
mandra-panaoko ny fahavalonao
ho fitoeran-tongotrao!”

Ny tehinao mahery
ahinjitry ny Tompo:
“Avy ao Siôna,
manjakà hatr’anivom-pahavalo!”

Fa Anao ny fiandrianana
hatramin’ny andro nahaterahanao!
Fa Izaho niteraka Anao teo am-Bohitra Masina:
toy ny mazava atsinanana miteraka ny ando!

Hoy ny fianianan’ny Tompo
ka tsy hanenenany:
“Ianao mpisorona mandrakizay
araka ny fanaon’i Melkisedeka!”

 

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Velomy araka ny hatsaram-ponao aho,
mba hitandremako ny Fanambarana avy amin’ny vavanao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka 3, 1-6

Inona no mety hatao ny sabata: ny mamonjy aina sa ny mamono?

Indray Sabata,
i Jesoa niditra tao amin’ny Sinagôga,
ary nisy lehilahy anankiray maty tanana an’ila tao.
Ary nizaha taratra Azy ny sasany
na hanasitrana an’io amin’ny sabata Izy na tsia,
mba hiampangany Azy.
Dia hoy Izy tamin’ilay lehilahy maty tanana:

“Mitsangàna etsy afovoany.”

Ary hoy koa Izy tamin’ny olona:

“Inona no mety hatao amin’ny sabata,
ny soa sa ny ratsy, ny mamonjy aina sa ny mamono?”

Fa tsy niteny tsy nivolana izy ireo.
Dia nijery azy rehetra tamin-katezerana Izy,
sy nalahelo noho ny hajamban’ny fony,
ary nilaza tamin-dralehilahy hoe:

“Ahinjiro ny tananao.”

Dia nahinjiny, ka sitrana ny tanany.
Ary lasa nivoaka ny Farisianina:
ka niaraka tamin’izay
dia niara-nihevitra tamin’ny Herôdianina
hanao izay hahavoazana Azy.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...