Vakiteny voalohany

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa. 4, 8-12)

Tsy misy anarana hafa hahazoana famonjena.

Tamin’izany andro izany,
dia feno ny Fanahy Masina i Piera ka nilaza hoe:

“Ry mpitondra ny vahoaka sy loholon’i Israely,
raha ny amin’ny soa nataonay tamin’ilay lehilahy nalemy
sy ny nahasitrana azy no anadinana anay anio,
dia aoka ho fantatrareo rehetra sy ny vahoaka Israely rehetra,
fa ny Anaran’i Jesoa Kristy avy any Nazareta,
Izay nofantsihanareo tamin’ny Hazofijaliana,
fa natsangan’Andriamanitra ho velona,
no nahasitrana io lehilahy mitsangana eto imasonareo io.
Iny Jesoa iny no vato narianareo mpanao trano,
kanjo tonga vato fehizoro kosa;
ary tsy misy anaran-kafa ambanin’ny lanitra nomena ny olona
hahazoantsika famonjena”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 117, 1 sy 8-9. 21-23. 26 sy 28 ary 29

Ny vato niavonan’ny mpanao trano no indro tonga fehizoro!

Derao ny Tompo fa tsara:
Eny, mandrakizay ny fitiavany!
Aleo mialoka amin’ny Tompo
toy izay amin’ny olombelona;
aleo matoky ny Tompo
toy izay matoky ny mpifehy.

Misaotra Anao namaly ahy:
Tenanao no tonga namonjy!
Ny vato narian’ny mpanao trano
no indro tonga fehizoro;
ny Tompo no nanao izany:
zava-mahagaga imasonay!

Izahay eto an-tranon’ny Tompo
no mitso-drano anareo.
Ianao no Andriamanitro ka isaorako,
no Andriamanitro ka asandratro.
Derao ny Tompo fa tsara:
eny, mandrakizay ny fitiavany!

Vakiteny faharoa

Taratasy voalohan’i Masindahy Joany Apôstôly (1 Jo. 3, 1-2)

Hahita an’Andriamanitra araka ny tena toetrany isika.

Ry hava-malala,
endrey ity haben’ny fitiavan’Andriamanitra antsika,
amin’ny iantsoana antsika hoe zanak’Andriamanitra,
sady tena zanany tokoa isika!
Fa izao tontolo izao no tsy mahalala antsika,
dia noho izy tsy mahalala Azy.
Ry malala,
zanak’Andriamanitra isika ankehitriny,
nefa mbola tsy naseho izay ho tena toetrantsika;
fa amin’ny andro hampisehoana izany,
dia fantatsika fa hanahaka Azy isika,
satria hahita Azy araka ny tena toetrany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izaho no Mpiandry ondry tsara, hoy ny Tompo, sady mahalala ny ondriko Aho no fantany koa.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 10, 11-18)

Ny mpiandry ondry tsara mahafoy ny ainy ho an’ny ondriny.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny Jody nanao hoe:

“Izaho no mpiandry ondry tsara.
Ny mpiandry ondry tsara dia mahafoy ny ainy ho an’ny ondriny;
fa ny mpikarama kosa,
noho izy tsy mpiandry ondry na tompon’ny ondry,
vao mahita ny amboadia tamy, dia ilaozany mandositra ny ondry,
fa ny amboadia no avelany eo hisambotra sy hampihahaka azy,
satria mpikarama izy, ka tsy raharahainy akory ny ondry.
Izaho no mpiandry ondry tsara,
sady mahalala ny Ahy Aho no fantatry ny Ahy,
tahaka ny ahalalan’ny Ray Ahy sy ahalalako ny Ray koa,
ary Izaho koa mahafoy ny aiko ho an’ny ondriko.
Mbola manana ondry hafa koa Aho izay tsy amin’ity vala ity,
ka tsy maintsy hoentiko izy sy hihaino ny feoko;
dia ho tonga valan’ondry tokana sy mpiandry ondry tokana.
Izao no itiavan’ny Ray Ahy:
satria mahafoy ny aiko Aho, mba handraisako azy indray.
Tsy misy maka azy amiko, fa ny Tenako ihany no mahafoy azy;
manam-pahefana hahafoy azy Aho,
ary manam-pahefana handray azy indray:
izany no didy azoko tamin’ny Raiko”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 29 aprily 2024

♦ Nanatanteraka fivoriana fikatsahana ny fampandehanana ny asa pastôraly, ireo kômity mpitantana ny Vikaria Betsiboka, ny faran'ny herinandro teo... ♦ Nanatanteraka hetsika maro sosona ny Aumônerie Catholique Universitaire an'ny Arsidiôsezin'Antsiranana izay ao antin'ny faha-40 taona nijoroany... ♦ Hitsidika an'i Madagasikara ireo Equipe Notre-Dame avy atsy amin'ny nosy La Réunion, ny 12 mey 2024. Fanirian'izy ireo ny hampahafantatra sy hampijoro izany eto Madagasikara...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...