♦ Anio no hamoaka ny lisitra ôfisialin'ireo ho kandidà solombavambahoaka ny CENI. Tsy hanalavitra ny 460 eo ireo mpirotsaka ho fidiana nahazo fankatoavana raha ny tombatombana... ♦ Mbola tsy voaloa ny trosa "Crédit TVA" an'ireo orinasa tsy miankina tokony hahazo izany. Manome fe-potoana hatramin'ny faran'ity volana aprily ny Vondron'ny mpandraharaha... ♦ Any Toamasina no hanatanterahana ny filan-kevitry ny ministra. Sambany no hotanterahina ivalan'Antananarivo izany amin'izao fe-potoam-pitondrana faharoan'ny filoha ankehitriny izao... ♦ Ahiana ny valim-panafihana an'i Irana ataon'i Israeliana. Manahy ny AIEA fa mety ho tafihan'i Israel ny toby nokleary Iraniana, ka hiitatra amin'ny fiandohan'ny Ady Lehibe fahaelo...

[audio src="/images/sounds/jmi-20240416.mp3"  background="#0099ffff"]

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...