Ny fanabeazana feno dia mahakasika ireto telo ireto : vatana, saina ary fanahy. Ireo voambolana telo ireo dia manan-danja amin'ny sehatry ny fanabeazana. Ny fanahy dia fototry ny filôzia malagasy. Ny fanahy ambara amin'izany dia : fototry ny fahafenoana, toetra, ilay tandindona miala sy misaraka amin'ny vatana aorian'ny fahafatesana, ilay fepetra sy sata maha-olona. Ny fanahy dia azo adika ho sary sy tohin'ny saina. Ny teny - fihavanana dia ilaina amin'ny sehatry ny fanabeazana sy ny fiaraha-monina mba ahafahana mandrindra fifandraisana dia eo ny teny verin-droa sy ny fampiasana tambin-teny... Ny hasina dia hery mahefa, mila hajaina, misy fady, fanomezam-boninahitra, hiorenan'ny maha-firenena toy ny teny...
Araka ny finoan'ny Malagasy dia mandeha ary mifindra any Ambondrombe ny fanahin'ny olombelona iray aorian'ny fahafatesana. Ho an'ireo foko any amin'ny faritra atsimo toa ny ao Amboasary-Atsimo, Bekily, Ejeda, Ambatomika dia misy ny atao hoe "mifoha maty" io ilay fantatra amin'ny hoe "maty im-pito" ; amin'ity tranga-piainana ity dia tsy misaraka amin'ny vatana ny fanahy. Ny teny malagasy dia vata fitehirizana ny soatoavina,ny fahendrena, ny kolontsaina ary ny riba. Ny "Ho" tia mariky ny filazam-potoana ho avy ; hatambatra amin'ny teny manaraka azy raha toa ka matoanteny fototeny no hialohavany. Fandaharana "Filira" sokajy "Fitsipika" iarahana amin'ny Foibe momba ny teny, ny Akademy Malagasy...
Ny vodiondry dia fanajana ny ray aman-drenin'ny vehivavy sy fanomezam-boninahitra. Fomba malagasy hanamarihana ny fifamatorana ara-panambadiana. Ireo dingana hatao hatanteraka ny vodiondry tamin'ny fomba malagasy dia : voalohany indrindra ny fanapahan-kevitry ny lahy sy ny vavy hifanambady, faharoa dia ny Fitadiavana andro tsara hanatanterahana ny fomba, fahatelo dia ny fiantranoana na fihaonana amin'ny fianakaviana izay misy kabary, ary fahaefatra farany dia ny fanatanterahana ny vodiondry. Ny fotoana fanatanterahana ity fomba ity dia matetika amin'ny volana mifanandrify amin'ny tonom-bitana : Alahamady, Asorotany, Alahasaty ary ny Asombola ; ho an'ireo maty vady te hanorona tokantrano kosa dia ny Alakaosy...
♦ Feno 10 taona anio 13 marsa ny naha-Filohan'ny Eglizy katôlika maneran-tany ny Papa François... ♦ Manome antoka ny mpampiasa vola ny nandraisan'ny Filan-kevitry ny Ministra ny volavolan-drijan-tenin-dalàna mikasika ny fampiasam-bola eto Mdagasikara... ♦ Ho marihina manomboka amin'ny alarobia 15 marsa izao ny tsingerin-taona faha-76 nisian'ny tolom-panafahana "29 marsa 1947" amin'ity taona 2023 ity... ♦ Rendrika tao amin'ny rano manamorona ny tanàna ao San Diego any Californie, ny alin'ny sabotsy teo, ny sambokely miisa 02, nitondra mpandeha an-tsokosoko. Nisy olona miisa 08 maty voakatr'izany...
Boky voalohan’i Samoela (1 Sam. 16, 1b. 6-7. 10-13a)
Tamin’izany andro izany,
ny Tompo niteny tamin’i Samoela nanao hoe:
“Fenoy diloilo ny tandrokao,
dia mandehana fa irahiko ho any amin’i Jese any Betilehema ianao,
satria amin’ny zanany no nahitako ilay mpanjaka tiako”.
Nony tafiditra izy ireo
dia nahita an’i Eliaba i Samoela ka nanao hoe:
“Mby eto anatrehany tokoa ilay voahosotry ny Tompo”.
Fa hoy ny Tompo tamin’i Samoela:
“Aza ny tarehiny no jerenao,
na ny haavon’ny tsanganany,
fa efa natanilako io.
Tsy mba izay hitan’ny olombelona no izy;
ny olombelona mijery ny tarehy
fa ny Tompo kosa mijery ny fo”.
Nampandalovin’i Jese teo anatrehan’i Samoela koa
ireto fito mirahalahy tamin’ny zanany
ary hoy i Samoela tamin’i Jese:
“Tsy misy nofidin’ny Tompo amin’ireto”.
Ary hoy i Samoela tamin’i Jese:
“Ireo ihany va no zatovolahy rehetra?”
Dia hoy i Jese:
“Mbola misy ilay faralahy,
ka indro fa miandry ondry izy”.
Ka hoy i Samoela tamin’i Jese:
“Ampanalao izy,
fa tsy hipetraka hihinana isika
raha tsy efa tonga izy”.
Dia nampanalain’i Jese io.
Mavo mena ny volon’izy izay;
sady bary maso izy no tsara tarehy.
Ary hoy ny Tompo:
“Mitsangàna, hosory io,
fa io no izy”.
Dia noraisin’i Samoela ny tandroka misy diloilo,
ka nohosorany teo afovoan’ny rahalahiny io:
ary hatramin’izany andro izany
sy tamin’ny andro manaraka,
dia nidina tamin’i Davida ny fanahin’ny Tompo.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo (Sal. 22, 1-3a. 3b-4. 5. 6)
Ny Tompo miandry ahy tsy orin’inoninona aho,
fa ampiraotiny amin’ny vilo-maitso,
entiny amin’ny rano manala sasatra,
velombelominy noho ny Anarany;
tarihiny amin’ny lala-marina.
Na mamaky lohasaha maizina aza aho,
tsy misy loza atahorako:
satria ianao miaraka amiko
ireo tehinao mampatoky ahy.
Mandroso sakafo ho ahy Ianao
eo anoloan’ny rafiko:
ny loha andrarahanao ilo,
ny kapoaka ataonao safomorona.
Hasambarana sy fitiavana
no manjohy amin’ny fiainana tontolo;
ny tranon’ny Tompo no ho fonenako
amin’ny taona hifandimby.
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Efezy (Efez. 5, 8-14)
Ry kristianina havana,
taloha ianareo no maizina,
fa ankehitriny efa mazava ao amin’ny Tompo,
ka mandehana toy ny zanaky ny mazava.
Ary ny vokatry ny mazava dia ny soa,
ny mety ary ny marina rehetra.
Fantaro izay ankasitrahin’Andriamanitra.
Aza mba mikambankambana amin’izay asan’ny maizina tsy mahavoka-tsoa,
fa vao mainka ambarao aza ny haratsian’ireny,
satria mahamenatra
na dia ny hilaza fotsiny ny ataon’izy ireny an-takona aza;
fa asehon’ny mazava avokoa ny zavatra rehetra,
rehefa voaambara ny haratsiany,
ary na inona na inona aseho,
dia tonga mazava koa.
Izany no nanoratana hoe:
Mifohaza ianao izay matory,
ary mitsangàna ho velona,
dia hanazava anao i Kristy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Dera sy haja ho Anao, ry Jesoa Tompo.
Izaho no Fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo;
izay manaraka Ahy, hanana ny fahazavan’ny fiainana.
Dera sy haja ho Anao, ry Jesoa Tompo.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 9, 1-41)
Tamin’izany andro izany, nony nandalo i Jesoa
dia nahita lehilahy anankiray izay teraka jamba,
ka hoy ny mpianany nanontany Azy:
“Raby, iza moa no nanota,
io lehilahy io, sa ny ray aman-dreniny,
no teraka jamba izy?”
I Jesoa namaly hoe:
“Tsy izy no nanota, na ny rainy aman-dreniny,
fa mba hisehoan’ny asan’Andriamanitra eo aminy no antony.
Tsy maintsy manao ny asan’Izay naniraka Ahy Aho
raha mbola antoandro:
fa ho avy ny alina izay tsy azon’olona na iza na iza iasana.
Raha mbola amin’izao tontolo izao Aho,
dia fahazavan’izao tontolo izao”.
Nony voalazany izany,
dia nandrora tamin’ny tany Izy
ka nanao feta tamin’ny rorany,
nahosony ny mason’ilay jamba,
dia hoy Izy taminy:
“Mandehana manasa ny masonao
any amin’ny farihin’i Silôe”
(izany hoe, Iraka).
Dia nandeha nanasa izy ka niverina nahiratra.
Tamin’izay ny olona mifanakaiky trano aminy,
sy izay nahita azy nangataka teo aloha nanao hoe:
“Moa tsy ity ilay nipetraka nangataka?”
Dia hoy ny sasany:
“Izy io”.
Fa hoy kosa ny sasany:
“Tsia, fa olona mitovy aminy”.
Ary hoy kosa izy:
“Izaho no izy”.
Ka hoy izy ireo taminy:
“Nanao ahoana no nahiratan’ny masonao?”
Dia hoy izy:
“Ilay lehilahy atao hoe i Jesoa no nanao feta,
nahosony ny masoko, dia nanao tamiko hoe:“Mandehana manasa ny masonao any amin’ny farihin’i Silôe”,
dia lasa aho nanasa, ka nahiratra”.
Ary hoy izy ireo taminy:
“Aiza izany Lehilahy izany?”
Novaliany hoe:
“Asa”.
Dia nentiny tany amin’ny Farisianina ilay jamba taloha,
fa andro sabata no nanaovan’i Jesoa feta
sy nampahiratany ny masony.
Nanontany azy indray àry ny Farisianina izay nahiratany,
ka hoy ny navaliny azy:
“Nasiany feta ny masoko,
dia nosasako, ka nahiratra aho”.
Tamin’izany ny sasany tamin’ny Farisianina nanao hoe:
“Tsy Andriamanitra no niavian’izany Lehilahy izany,
fa tsy mitandrina ny sabata Izy”.
Fa ny sasany kosa nanao hoe:
“Hataon’ny mpanota ahoana
no fahavita fahagagana toy izany?”
Koa nisara-kevitra izy ireo.
Dia hoy indray izy ireo tamin’ilay jamba:
“Mba ahoana kosa no filazanao Azy
fa nampahiratra ny masonao Izy?”
Ka hoy ralehilahy:
“Mpaminany Izy”.
Dia tsy nety nino ny Jody
fa jamba sy vao nahiratra izy,
ka nampiantsoiny aloha ny ray aman-drenin’ity nahiratra,
sy nanontaniany hoe:
“Ity va no zanakareo
izay lazainareo hoe teraka jamba?
Ka nanao ahoana àry no nahiratany izao?”
Dia namaly ny ray aman-dreniny ka nanao hoe:
“Fantatray fa zanakay ity sady teraka jamba;
fa tsy fantatray izay nahiratany izao,
ary tsy fantatray koa izay nampahiratra ny masony,
ka izy no anontanio fa efa lehibe izy:
izy ihany no aoka hilaza ny momba ny tenany”.
Ny ray aman-dreniny no nilaza izany,
dia noho izy natahotra ny Jody,
satria efa nifanaiky ny Jody
fa horoahina amin’ny sinagôga
izay hanaiky an’i Jesoa ho Kristy,
ka izany no nanaovan’ny ray aman-dreniny hoe:
“Izy no anontanio fa efa lebibe izy”.
Dia nantsoin’ireo indray
ilay lehilahy jamba taloha, ka nilazany hoe:
“Andriamanitra no omeo voninahitra;
fa raha iny Lehilahy iny,
dia fantatray fa mpanota”.
Ka hoy ny navaliny azy:
“Tsy fantatro na mpanota izy na tsia,
fa izao ihany no fantatro:
jamba aho taloha ary mahiratra aho ankehitriny”.
Dia hoy izy ireo taminy:
“Inona no nataony taminao?
Nanao ahoana sy ahoana avy
no nampahiratany ny masonao?”
Ka hoy ny navaliny azy ireo:
“Efa voalazako taminareo,
fa tsy nohenoinareo akory;
ka ahoana indray no itiavanareo handre?
Te-ho tonga mpianany koa va ianareo?”
Dia notevatevain’izy ireo izy sy nataony hoe:
“Ialahy no mpianany,
fa raha izahay kosa dia mpianatr’i Môizy.
I Môizy fantatray fa nitenenan’Andriamanitra,
fa iny kosa tsy fantatray akory izay niaviany”.
Namaly ralehilahy ka nanao hoe:
“Ity indray no mahagaga,
fa tsy fantatrareo izay niaviany,
nefa izy no nampahiratra ny masoko.
Fantatsika fa Andriamanitra tsy mihaino ny mpanota;
fa izay manompo Azy sy manao ny sitra-pony no henoiny.
Na oviana na oviana tsy mbola nisy olona re
fa nampahiratra ny teraka jamba;
ka raha tsy avy amin’Andriamanitra izany Lehilahy izany,
dia tsy hahefa na inona na inona akory”.
Dia namaly ry zareo, ka nanao taminy hoe:
“Izay ialahy tena teraka tanatin’ny ota indray ve
no mampianatra anay!” sady noroahiny izy.
Ren’i Jesoa fa hoe noroahin-dry zareo izy,
ka nony hitany dia nilazany hoe:
“Mino ny Zanak’Andriamanitra va ianao?”
Namaly izy ka nanao hoe:
“Iza moa no izy, Tompoko, mba hinoako Azy?”
Dia hoy i Jesoa taminy:
“Efa hitanao Izy, ary izay miteny aminao no Izy”.
Ka hoy izy:
“Mino aho, Tompoko”;
sady niankohoka nitsaoka Azy izy.
Dia hoy i Jesoa:
“Fanavahana no nahatongavako amin’izao tontolo izao,
mba hahiratra izay tsy mahiratra,
ary ho tonga jamba izay mahiratra”.
Ren’ny Farisianina sasany teo izany,
ka hoy izy ireo taminy:
“Ary izahay ve mba jamba koa?”
Dia hoy i Jesoa taminy:
“Raha jamba ianareo,
dia tsy ho nanan-keloka;
fa noho ianareo ankehitriny manao hoe:
Mahiratra izahay,
dia tsy afaka ny helokareo”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Dera sy haja ho Anao, ry Jesoa Tompo.
Izaho no Fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo;
izay manaraka Ahy, hanana ny fahazavan’ny fiainana.
Dera sy haja ho Anao, ry Jesoa Tompo.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 9, 1. 6-9. 13-17. 34-38)
Tamin’izany andro izany, nony nandalo i Jesoa
dia nahita lehilahy anankiray izay teraka jamba,
Dia nandrora tamin’ny tany Izy
ka nanao feta tamin’ny rorany,
nahosony ny mason’ilay jamba,
dia hoy Izy taminy:
“Mandehana manasa ny masonao
any amin’ny farihin’i Silôe”
(izany hoe, Iraka).
Dia nandeha nanasa izy ka niverina nahiratra.
Tamin’izay ny olona mifanakaiky trano aminy,
sy izay nahita azy nangataka teo aloha nanao hoe:
“Moa tsy ity ilay nipetraka nangataka?”
Dia hoy ny sasany:
“Izy io”.
Fa hoy kosa ny sasany:
“Tsia, fa olona mitovy aminy”.
Ary hoy kosa izy:
“Izaho no izy”.
Dia nentiny tany amin’ny Farisianina ilay jamba taloha,
fa andro sabata no nanaovan’i Jesoa feta
sy nampahiratany ny masony.
Nanontany azy indray àry ny Farisianina izay nahiratany,
ka hoy ny navaliny azy:
“Nasiany feta ny masoko,
dia nosasako, ka nahiratra aho”.
Tamin’izany ny sasany tamin’ny Farisianina nanao hoe:
“Tsy Andriamanitra no niavian’izany Lehilahy izany,
fa tsy mitandrina ny sabata Izy”.
Fa ny sasany kosa nanao hoe:
“Hataon’ny mpanota ahoana
no fahavita fahagagana toy izany?”
Koa nisara-kevitra izy ireo.
Dia hoy indray izy ireo tamin’ilay jamba:
“Mba ahoana kosa no filazanao Azy
fa nampahiratra ny masonao Izy?”
Ka hoy ralehilahy:
“Mpaminany Izy”.
Dia namaly ry zareo, ka nanao taminy hoe:
“Izay ialahy tena teraka tanatin’ny ota indray ve
no mampianatra anay!” sady noroahiny izy.
Ren’i Jesoa fa hoe noroahin-dry zareo izy,
ka nony hitany dia nilazany hoe:
“Mino ny Zanak’Andriamanitra va ianao?”
Namaly izy ka nanao hoe:
“Iza moa no izy, Tompoko, mba hinoako Azy?”
Dia hoy i Jesoa taminy:
“Efa hitanao Izy, ary izay miteny aminao no Izy”.
Ka hoy izy:
“Mino aho, Tompoko”;
sady niankohoka nitsaoka Azy izy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Feno 10 taona anio 13 marsa ny naha-Filohan'ny Eglizy Katôlika maneran-tany ny Papa François... ♦ Namoizana ain'olona miisa 22, ny loza nahazo ny sambo saika handeha antsokosoko any amin'ny nosy Mayotte tamin'ny Sabotsy alina... ♦ Nahato vonjy maika ny fampiharana ilay "droit de sortie" na tataon-ketra manokana amin'ny fanondranana ny vatosoa any ivelany, ary apetraka ny haba tokana amin'ny fanondranana... ♦ Maherin'ny 7.000.000 isa ny olona lasibatry ny hain-tany, vokatry ny fiovan'ny toetr'andro any Irak. Hamboly hazo hatrany amin'ny 5.000.000 fototra noho izany ny governemanta Irakiana...
♦ Mitaky ny hamoahan'ny Governemanta ny daty raikitra hanatanterahana ny fifidianana izay ho Filoham-pirenena sy Ben'ny Tanana amin'ity taona ity, ny KMF/Cnoe Fanabeazana Olom-pirenena... ♦ Hanome fanampiana amin'ny maha olona ho an'i Madagasikara, maherin'ny 15 tapitrisa Euros, ny Vondrona Eorôpeana, ho an'ity taona 2023 ity. Fanampiana noho ny takaitra samihafa navelan'ny rivodoza Cheneso sy Freddy... ♦ Olona valo no namoy ny ainy, vokatry ny fivadihan'ny fiarabe iray mpitatitra olona, tany amin'ny Lalam-pirenena faha-10, any atsimon'ny nosy...
Manomboka ny alakamisy ny hateloana andro masina. Ny Alakamisy Masina no fanombohana izay hanamarihana ireto lafin-javatra ireto : ny namoronana ny Sakramentan'ny Eokaristia, eo koa ny fahatsiarovana ny fanasana ny tongotry ny Apôstôly, amin'io andro io koa ny fanaovana ny fanamasinana ny menaka masina, ary indrindra ny fanavaozana ny fanomezan-toky ataon'ny Pretra ho amin'ny Eveka. Ny fiekem-pinoana dia nisy konsily niresaka azy manokana indrindra ireo andian-teny mandrafitra azy : nijaly faha Pontsy Pilato, nofatsihina tamin'ny hazo fijaliana, maty dia nalevina, nidina tany ambanin'ny tany, nitsanga-ko velona tamin'ny andro fahatelo.
Ny alahady 16 avrily 2023 no nanamarihana ny fetin'ny famindram-pon'Andriamanitra. Ny bazilika lehibe ao Roma : st Jean de Latran, St Pierre vatican, Ste Marie Mageur, St Paul hors le mur ; ireo bazilika ireo dia samy manana ny atao hoe varavarana masina, izay sokafana amin'ny fomba manokana rehefa misy ny taon-jaobily ireny. Manana ny anjara toerana lehibe amin'ny fanomezana ny "indulgence" manontolo ireo bazilika ireo, antsoina hoe alitaran'ny Papa, izay izy irery no afaka manao lamesa ao.
Ny boky no mirakitra an-tsoratra ny fomba amam-panao sy ny kolontsaina ary ny fitsipi-pitondratena. Isan'ny boky tranainy indrindra ny "vedas" izay boky ampiasain'ny Indo, ary saika avy amin'io boky io no loharano nipoiran'ny tantara masina maro resahina amin'ny finoana maro samihafa. Ny "baiboly" ihany koa dia voasokajy ho isan'ireo boky tranainy. Ny "Baiboly" no boky maro mpividy indrindra araka ny fanadihadiana. Mifamatotra ny finoana kristiana sy ny boky.
Ny antson'Andriamanitra miantefa amintsika amin'ny vanim-potoanan'ny paka dia izay voalaza ao amin'i Md Marka : "...mandehana amin'izao tontolo izao, mitoria ny Evanjely amin'ny voahary rehetra...". Zava-dehibe ny antson'Andriamanitra ho pretra na relijiozy na ho laïka amin'ny fanokanan-tena na ihany koa hanambady.
Hery telo no ananan'ny fanahy dia ny fahalalana, fitadidiana ary fahatelo farany dia ny sitrapo. Ny fahafahana dia ao amin'ny fanahintsika no misy azy. Zava-dehibe ny fahafahana sy ny sitrapo eo amin'ny fiainan'ny olombelona. Maro ny tokantrano mikorontana, ary betsaka ireo tanora tsy mahafehy tena noho ny tsy fahaizana mandanjalanja ny atao hoe "fahafahana". Miha very hasina ny olombelona noho ny fivohizana loatra ny fahafahana.
Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco