Vakiteny voalohany

Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio 2, 5-12

Mendrika Azy ny handavorary ao amin’ny fijaliany Ilay iavian’ny famonjena.

Tsy mba Anjely no nametrahan’Andriamanitra eo ambaniny
izao fiainan-ko avy lazainay izao.
Fa amin’ny andininy anankiray any ho any
misy koa filazana manao hoe:

“Inona moa ny olombelona no ahatsiarovanao azy;
ary izay zanak’olombelona no amangianao azy?
Nataonao ambany vetivety noho ny Anjely izy;
dia nosatrohanao voninahitra sy fiandrianana
ary napetrakao ambonin’ny asan-tananao,
ka nataonao eo ambany tongony ny zavatra rehetra.”

Raha nametraka ny zavatra rehetra teo ambaniny Izy,
dia tsy nisy zavatra navelany tsy eo ambaniny mihitsy.
Fa izao anefa tsy mbola hitantsika:
natao ambaniny avokoa ny zavatra rehetra;
fa Ilay natao ambany vetivety noho ny Anjely,
dia Izy Jesoa no hitantsika nosatrohana voninahitra
sy fiandrianana noho ny fahafatesana niaretany;
fa noho ny fahasoavan’Andriamanitra
dia nanandrana ny fahafatesana
mba hamonjy ny olombelona rehetra Izy.
Fa mendrika an’Ilay antony sy fototry ny zavatra rehetra,
izay mitondra zanaka betsaka ho any amin’ny voninahitra,
ny nandavorary ao amin’ny fijaliana
Ilay iavian’ny famonjena an’ireo.
Satria fototra iray ihany no niavian’izy rehetra,
na ny manamasina na ny hamasinina,
hany ka tsy mahamenatra Azy
ny miantso azy ireo hoe rahalahy,
araka ny teniny hoe:

“Hitory ny Anaranao amin’ny rahalahiko Aho,
hankalaza Anao eo afovoan’ny Eglizy Aho.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 8, 2a sy 5. 6-7. 8-9

Ny asan-tananao nomenao hanjakan’ny Zanakao.

Inty aho hihira ny fiandriananao
ambony sy madera manoatra noho ny lanitra.
Fa inona ny olona no mba tsiahivinao?
Ny zanak’olombelona, he tsimbininao!

Fa lasa ambany kely noho Andriamanitra izy,
heni-boninahitra izy nasondrotrao.
Ny asan-tananao foinao hozakainy,
ny zavatra rehetra eo ambany fiadidiany.

Dia omby aman’ondry omban’ny bibidia,
ny biby izay mandady sy mandia izany tany.
Ny vorona eny an-danitra sy trondron-dranomasina
izay miriaria sy mifaly eny ambony onja.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalanao,
ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka 1, 21-28

Nampianatra azy ireo, toy ny manana fahefana Izy.

Indray sabata,
raha tonga tao an-tanànan’i Kafarnaôma
i Jesoa sy ireo nanara-dia Azy,
dia niditra tao amin’ny sinagôga,
ary nampianatra azy ireo Izy.
Dia gaga izy ireo tamin’ny fampianarany,
satria nampianatra azy toy ny manana fahefana Izy,
fa tsy tahaka ny mpanora-dalàna.
Ary tao amin’ny sinagôgany,
dia nisy lehilahy anankiray azon’ny fanahy maloto,
ary niantso mafy izy nanao hoe:

“Mifampaninona izahay sy Ianao,
ry Jesoa avy any Nazareta?
Tonga hampahita loza anay va Ianao?
Fantatro raha Ianao,
dia ilay Masin’Andriamanitra.”

Fa nandrahona azy i Jesoa nanao hoe:

“Mangina,
ary mivoaha amin’io lehilahy io.”

Ary ny fanahy maloto nampifanintontsintona azy,
dia niantso tamin’ny feo mahery ka nivoaka taminy.
Gaga ny olona rehetra ka nifampilaza hoe:

“Inona ity?
Fampianarana vaovao inona re ity?
fa ny fanahy maloto avy no didiany ka manaiky Azy.”

Dia niely eran’i Galilea rehetra ny lazany.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...