Vakiteny voalohany

Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio 3, 7-14

Mifamporisiha isan’andro dieny mbola misy antsoina hoe: “anio.”

Araka ny tenin’ny Fanahy Masina hoe:

“Anio, raha mandre ny feony ianareo,
aza manamafy ny fonareo
tahaka ny tamin’ny andron’ny fahasosorana,
tamin’ny andron’ny fakam-panahy tany an’efitra,
izay nakan’ny razanareo fanahy Ahy,
sy nizahany toetra Ahy,
nefa anie efa nahita ny asako
nandritra ny efapolo taona izy.
Tezitra tamin’izany taranaka izany Aho
ka nanao hoe:

Maniasia amin’ny fony mandrakariva ireo,
ka tsy nahalala ny diako;
koa nianiana noho ny hatezerako Aho
fa tsy hiditra amin’ny fialan-tsasatro izy ireo”:

dia tandremo, ry kristianina havana,
fandrao misy manana fo ratsy sy tsy mino ao aminareo,
ka ho tafasaraka amin’Andriamanitra velona;
fa mifamporisiha isan’andro,
dieny mbola misy izay atao hoe “anio”,
mba tsy hisy hihamafy fo aminareo,
noho ny famitahan’ny fahotana.
Fa efa tonga mpiombona amin’i Kristy isika
raha tanantsika mafy hatramin’ny farany
ny fahatokiantsika voalohany.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 94, 6-7. 8-9. 10. 11

Raha mihaino ny feony ianareo anio, aza manamafy ny fonareo.

Avia miondreha ary miankohofa,
hitsaoka ilay Tompo nanao antsika.
Fa Izy no tena Andriamanitsika,
isika: vahoaka sy ondry fiandriny.

Hihaino Azy ve ianareo anio?
Fa izao no ambarany sy lazainy:
Aza dia mafy fo toy ny tany an’efitra,
toy ny tany Masà sy tany Meribà.

Ny razanareo dia nitsapa Ahy,
kanefa nahita ny asa vitako.
Ity taranaka ity efapolo taona
dia nahatofoka Ahy, nahatezitra Ahy.

Vahoaka mpaniasia tokoa ity.
Tsy mety hahalala ny tena lalako;
koa tezitra Aho ka nianiana,
fa ireto tsy hiadana miaraka amiko.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalanao,
ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka 1, 40-45

Niala tamin-dralehilahy ny habokàna, ka nadio izy.

Tamin’izany andro izany,
nisy boka anankiray nanatona an’i Jesoa
nandohalika teo anatrehany ka nitaraina taminy nanao hoe:

“Raha mety Ianao dia mahay manadio ahy.”

Nangoraka azy i Jesoa ka naninjitra ny tanany,
dia nanendry azy sy nanao taminy hoe:

“Mety aho, madiova ianao.”

Vantany vao niteny Izy,
dia niala tamin-dralehilahy ny habokany ka nadio izy.
Dia nampandeha azy niaraka tamin’izay i Jesoa
sady namepetra azy mafy nanao hoe:

“Tandremo, aza milazalaza izany
na amin’iza na amin’iza ianao
fa mandehana misehoa amin’ny mpisorona,
ary noho ny nanadiovana anao
dia manatera ny fanatitra nodidian’i Môizy,
mba ho vavolombelona amin’ny vahoaka.

Kanjo nony lasa ralehilahy
dia nilazalaza sy nampiely izany hatraiza hatraiza,
hany ka tsy afa-niditra niharihary
tao an-tanàna intsony i Jesoa,
fa nitoetra teny ivelany tamin’ny tany mangingina izy,
ary nohatonin’ny olona avy eny tontolo eny.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...