Ny tanjon'ny soa iombonana dia fandrosoan'ny fiaraha-monina, ; tsy ho tratra anefa izany raha tsy misy ny fiaraha-monina milamina sy mirindra. Ny fandriam-pahalemana dia tsy zavatra azo indray mandeha dia izay, fa zavatra tsy maintsy aorina lalandava, mila faharetana, iarahan'ny daholobe mikatsaka. Fandriam-pahalemana : fitandroana fananan'olona, fihavanan'ny olona rehetra. Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo.
♦ Akon'ny fanamarihana ny andro eran-tany hivavahana ho an'ny misiona, natao tany Mahajanga omaly... ♦ Nanatitra taratasy fangatahana fanemorana ny fifidianana, fanindroany, teny amin'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàm-Panorenana, androany maraina, ny mpisolovavan'ny kandidà laharana faha-7, Andry Raobelina... ♦ Ny tanora sy ny vehivavy no tena entanina amin'ny hetsiky ny OIT na ny fikambanana iraisam-pirenena momba ny asa, sy ny Ministeran'ny Jono sy ny Toe-karena Manga amin'ny famoronana asa manodidina ny toe-karena manga sy ny toe-karena maitso...
Ny "SLAM" dia avy amin'ny teny angilsy hoe " to slam (the door)", izay midika hoe "manakarapoka, manakatona mafy (ny varavarana)". Iray amin'ny karazana zava-kanto vita amin'ny teny ny Slam ; karazana tononkalo, am-bava kokoa anefa satria tononina. Mifanakaikikaiky amin'ny poezia miandany (poésie engagée) ny slam. Tany antenan'ny taompolo 80 no teraka tao Chicago (Etazonia) ny "slam" izay antsoina ihany koa slam poésie, avy amin'ny fifaninanana antsan-tononkalo izay tetik'asa noforonin'ilay Amerikana antsoina hoe Marc Smith. Ny taona 2002 no nidirany taty amin'ny faritry ny Ranomasimbe Indiana, niainga tao La Réunion, Maurice ary tonga teto Madagasikara...
Boky Eksaody (Eks. 22, 21-27)
Izao no nolazain’ny Tompo:
“Aza ratsy fitondra vahiny na mampahory azy
fa efa mba vahiny tany amin’ny tany Ejipta koa ianao.
Aza manao izay mampalahelo ny mpitondra tena sy ny kamboty;
fa raha manao izay mampalahelo ireny ianao,
dia hitaraina amiko izy,
ka hohenoiko ny fitarainany;
hirehitra ny hatezerako ka haringako amin’ny sabatra ianareo;
ary ny vadinareo ho mpitondra tena,
ny zanakareo ho kamboty.
Raha mampisambo-bola olona amin’ny vahoakako ianao,
amin’ny mahantra eo aminao,
aza mitsangan-ko mpanàna vola aminy,
aza maka zana-bola aminy.
Raha alainao ho antoka ny kapaotin’ny namanao
dia avereno aminy alohan’ny maty masoandro,
fa iny no hany firakofany,
iny no fitafiany anaronany ny vatany,
ka inona àry no hoentiny mandry?
Raha mitaraina amiko izy,
hohenoiko ny fitarainany,
fa antra olona Aho”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 17, 2-3a. 3bd-4. 47-51ab
Mamiko Ianao, ry Tompo fa heriko,
Tompo Vatolampiko, toera-mafy ho ahy,
Andriamanitra Mpanafaka,
haram-bato fialofana.
Ampinga, famonjena mahery,
fiarovana-avo ho ahy.
Dera ho an’ny Tompo, hoy aho,
fa voavonjy amin’ny rafiko aho!
Veloma ny Tompo!
Hisaorana ny Vatolampiko!
Omeny fandresen-dehibe ny Mpanjakany,
anehoany fitiavana ilay Nohosorany.
Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Tesalônika (1 Tes. 1, 5d-10)
Ry kristianina havana,
fantatrareo izay toetranay tany aminareo ho an’ny famonjena anareo.
Noho ianareo nandray ny teny tamin’ny fahoriana be
sy tamin’ny hafaliana avy amin’ny Fanahy Masina,
dia tonga nanahaka anay sy ny Tompo ianareo,
ka tonga fakàn-tahaka ho an’ny mpino rehetra
any Masedônia sy Akaia kosa indray.
Ary tsy tany Masedônia sy Akaia ihany
no tongan’ny akon’ny tenin’Andriamanitra avy tany aminareo,
fa niely hatraiza hatraiza ny lazan’ny finoanareo an’Andriamanitra,
ka tsy mila ny hilazanay intsony ny olona.
Fa izy rehetra ihany no miresaka ny aminay,
ka mitantara ny nahazoanay fidirana ho aty aminareo,
sy ny nialanareo tamin’ny sampy,
mba hanompo an’Andriamanitra velona sy marina,
sy hiandry ny Zanany avy any an-danitra
izay natsangany ho velona,
dia i Jesoa izay nanafaka antsika amin’ny fahatezerana ho avy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Hankalazaina anie ny Mpanjaka avy, amin’ny Anaran’ny Tompo! Fiadanana anie any an-danitra, ary voninahitra anie any amin’ny avo indrindra.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 22, 34-40)
Tamin’izany andro izany,
nony ren’ny Farisianina
fa nataon’i Jesoa tsy nanan-kalahatra ny Sadoseanina,
dia nivory izy rehetra;
ary ny anankiray izay mpahay Lalàna tamin’izy ireo
nanontany Azy mba haka fanahy Azy hoe:
“Ry Mpampianatra ô,
inona no didy lehibe indrindra amin’ny Lalàna?”
Ary hoy i Jesoa taminy:
“Tiava ny Tompo Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo,
sy amin’ny fanahinao manontolo ary amin’ny sainao manontolo.
Izany no didy sady zokiny indrindra no voalohany;
ary ny faharoa,
izay tahaka ny voalohany ihany dia izao:
Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.
Ao amin’izany didy roa izany
ny Lalàna rehetra sy ny Mpaminany”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Atao amin'ny alalan'ny teknôlojia vaovao "en ligne" manomboka izao ny fanambarana ny karaman'ny mpiasa mpikambana ao amin'ny CNaPs... ♦ Nandray andraikitra avy hatrany ny teo anivon'ny Ministeran'ny Varotra sy ny Fanjifana, raha vao nitranga ny fahamaizan'ny tranom-barotra TSENA MAITSO teny Behoririka tamin'ny zoma alina... ♦ Tsy hanaiky ny fanakatsakanana ny tombontsoan'ny be sy ny maro ny kandidà laharana fahatelo Andry Rajoelina. Tsy mankasitraka ny hanaovana ny fifidianana amin'ny 16 nôbambra ireo vondron'ny kandidà 11... ♦ Tonga tany Gaza omaly ny andiany faharoa amin'ny fanampiana ho an'ny mponina any, camion 17 isa nitondra rano, sakafo, fanafody. Tsy ampy mihitsy anefa izany...
Ny fiaviana ara-poko izay manavaka ny vondron'olona samihafa dia tafiditra ao anatin'ny sehatry ny soa iombonana, nefa tsy ampy amin'ny famaritana azy manontolo. Io soa iombonana io dia tsy azo faritana ara-poto-pampianarana amin'ny lafiny manan-danja sy lalina indrindra, ary tsy azo faritana ara-tantara raha tsy miresaka momba ny olombelona. Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo.
Ny maso miloko mena dia fambara fa marary io taova entina mijery io. Ny maha mena ny maso dia misy ra miparitaka ao anatin'ny maso. Saropady ny maso koa raha vao misy tranga mampiahiahy dia entanina hatrany hanatona eny amin'ny mpitsabo. Ny firafitry ny maso dia ahiatana ny sosona nofo manify miisa enina ary ao anatin'izay ihany koa ny lalan-dra, ka io faritra io no misy fahavakisana lalan-dra na fibontsonana. Antony mahatonga ny aretina : fahalotoan'ny rivo sy ny tontolo iainana, fijirena "ecran" ela loatra, tsy fampiasana fiarovana maso amin'ny asa manimba maso, tsy fahampian'ny torimaso...
Avy amin'Andriamanitra ny fahefana takian'ny lamina ara-môraly ka tokony hikatsaka mandrakariva ny soa iombonana. koa raha sendra manao lalàna na mandray fepetra mifanohitra amin'izany lamina ara-pitondratena izany ny mpitondra ary tsy mifanaraka amin'ny sitrapon'Andriamanitra dia tsy afaka mamatotra ny feon'ny fieritreretana ireo fepetra ireo. Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo.
♦ Mihaona amin'ny mpanara-dia azy eny Antsonjobe indray androany ny vondron'ny kandidà raha toa ka ao Mahajanga no manohy ny fampielezan-kevitra ny kandidà laharana fahatelo Andry Rajoelina... ♦ Namoaka ny andiany faha-77 amin'ny mpianatra ho zandary ny sekolim-pirenen'ny zandary tao Ambositra. Miisa 1.495 isa, omaly no navoaka tamin'ny fomba ôfisialy. Vehivavy ny 215 isa ary miisa 1.280 ny lehilahy... ♦ Nanamarika ny faha herintaona nijoroany ny Bataillon Médicale eny ampahibe. Nanome voninahitra ny lanonana ny Ministry ny Fiarovam-Pirenena ny Jeneraly Rakotoarijaonina Josoa...
♦ HItohy anio ny hetsi-pitakiana ataon'ny vondron'ny kandidà. Mifampitaona amin'ny toerana maro indray izy ireo. Noravan'ny mpitandro filaminana, ny diabe nataon'izy ireo, omaly... ♦ Tsy azo idovirna ny fampiasan'ny mpamokatra ny tetiandrom-pambolena hampihenàna ny fiatraikan'ny fiovaovan'ny toetr'andro amin'ny fambolena. Nampahafantarina omaly ny tetiandrom-pambolena taona 2023-2024... ♦ Mitaky ny hamahan'ny fitondram-panjakàna ny olan'ny SECES ny mpianatry ny ENS eny Ampefiloha mba afahana manohy sy mamarana ny taom-pianarana 2022-2023. Efa-bolana no niatohan'ny fianarana noho ny fitokonana ataon'ireo mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra...
♦ Noravan'ny mpitandro ny filaminana indray androany, ny diabe am-pilaminana nataon'ny vondron'ireo kandidà 11 sy ireo mpanara-dia azy. Mbola hitohy ny hetsika rahampitso, hoy ny kandidà Hajo Andrianainarivelo... ♦ Tsy azo ihodivirana ny fampiasan'ny mpamokatra ny tetiandrom-pambolena hampihenana ny fiantraikan'ny fiovaovan'ny toetrandro amin'ny fambolena. Nampahafantarina androany, ny tetiandrom-pambolena 2023-2024... ♦ Mitaky ny hamahan'ny fanjakana ny olan'ny SECES, ny mpianatry ny ENS eny Ampefiloha, ahafahana manohy sy mamarana ny taom-pianarana 2022-2023...
♦ Manentana ny kristianina hifanome tanana hampiroborobo ny asa fitoriana ny Vaovao Mahafaly ny Tale nasiônalin’ny OPM (Œuvres Pontificales Missionnaires), P. Rakotoarisoa Jean Claude amin’izao fankalazana ny Andro Maneran-tany ho an’ny Misiona, izay marihana ny alahady 22 oktobra izao… ♦ Mila manana fo mirehidrehitra sy hafanam-po amin’ny asa fiantrana tahaka ny nataon’i Masindahy Charles de Foucauld isika, hoy ny Papa François, ny alarobia lasa teo… ♦ Nampirisika ny mpino rehetra mba tsy hiandany afa-tsy amin’ny fiadanana ny Papa François manoloana ny savorovoro misy ao Proche-Orient…
• Nanamarika ny andro maneran-tany ho an'ny alahadin'ny ranomasina, ny Arsidiosezin'i Toamasina... • Hotanterahana ny sabotsy 26 jolay 2025 ny “Journée écologique”, karakarain'ny VEF, Diosezin'Antananarivo... • Tsy maintsy misy akony ny antsoantson'ireo iharan'ny herisetra, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ireo mpivahiny masina ortodoksa katolika, ny alakamisy teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco