Tamin’izany andro izany, nanatona an’i Jesoa ny sasany tamin’ny Sadoseanina izay mandà ny fitsanganan-ko velona ka nanontany Azy hoe: "Ry Mpampianatra ô, i Môizy nanome lalàna ho antsika hoe ‘Raha misy lehilahy manambady ka maty momba, dia aoka ny rahalahiny hampakatra ny vadiny mba hiteraka hamelo-maso ny rahalahiny’. Koa nisy olona fito mirahalahy, ary nanambady ny zokiny, fa maty momba. Dia nanambady an-dravehivavy ny faharoa, fa maty momba koa. Nanaraka izany, dia nanambady azy indray ny fahatelo, ary nanao toy izany avokoa izy fito mirahalahy, fa maty momba daholo. Farany, dia maty koa ravehivavy. Koa ho vadin’iza ravehivavy raha mby amin’ny fitsanganan-ko velona fa efa samy nanambady azy avokoa izy fito mirahalahy?"

Dia hoy i Jesoa taminy: "Ny zanak’izao fiainana izao no mampaka-bady sy avoaka hampakarina, fa izay efa hita ho mendrika hahazo ny fiainana ho avy sy ny fitsanganan-ko velona kosa, dia tsy mba mampaka-bady, na avoaka hampakarina, ary tsy mety maty intsony izy, fa tahaka ny Anjely sady zanak’Andriamanitra, satria zanaky ny fitsanganan-ko velona. Ary raha ny hoe hitsangana ny maty dia zavatra efa nambaran’i Môizy teo amin’ilay nilazany ny Voaroy izany, fa tamin’io izy dia niantso ny Tompo hoe: ‘Andriamanitr’i Abrahama sy Andriamanitr’i Isaaka ary Andriamanitr’i Jakôba!’ Koa velona eo anatrehany izy rehetra ireo, satria tsy mba Andriamanitry ny maty Izy, fa an’ny velona".

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka nanao hoe: "Izay rehetra omen’ny Ray Ahy no hanatona Ahy, ary izay manatona Ahy dia tsy horoahiko any ivelany, satria Izaho no nidina avy any an-danitra dia tsy ny hanao ny sitra-poko, fa ny sitra-pon’izay naniraka Ahy.

Ary izao no sitra-pon’izay naniraka Ahy, dia ny tsy hamelako hisy very izay rehetra nomeny Ahy, fa ny mba hananganako azy amin’ny farandro. Satria izao no sitra-pon’ny Raiko izay naniraka Ahy, dia ny mba hahazo ny fiainana mandrakizay izay rehetra mahita ny Zanaka ka mino Azy, ary Izaho hanangana azy amin’ny farandro."

♦ Efa tonga any Roma ireo Evekan'i Madagasikara hanatanteraka ny Visite ad limina amin'ny herinandro ho avy io... ♦ Nosokafana tamin'ny Eokaristia Masina, fiantsoana ny Fanahy Masina ny alakamisy 20 ôktôbra 2022, ny taom-piofanana ho an'ny Seminera Zokiny Paul VI ao Antsiranana... ♦ Ilaina ny fandanjalanjana ny tantaram-piainana, hoy ny Papa François, tamin'ny katesizy ny alarobia 19 ôktôbra 2022...

Nataon'Andriamanitra ho tsara indrindra amin'izay rehetra nohariny isika olombelona. Aoka tsy hosimbaina na holotoina na horavana izay hatsarana ao amintsika izay, dia ho hitantsika fa hihatsara sy handroso ary hivelatra ny fiainantsika.

Mizotra mian-dalana ny fanarenana ny diosezin'i Mananjary taorian'ny fandalovan'ireo rivo-doza nifanesy tamin'ny fiatombohan'ny taona 2022. Laharam-pahamehana ho an'ny Eglizy ao Mananjary ankehitriny ny famerenana amin'ny laoniny ny foto-drafitrasa sy ny fiatrehana ny pastoraly sosialy, hiatrehana ireo olana ara-tsosialy vokatr'io rivo-doza io.Fiainan'ny Eglizy katolika ao Mananjary miaraka amin'ny Radio Aina.

Tanterahana miaraka any Lusaka (Zambie) nanomboka androany alatsinainy 17 ôktôbra ary hifarana ny zoma 21 ôktôbra, ny fihaonan’ny Vaomieran’ny Fifandraisan'ny mpiara-belona sy ny Vaomieran’ny Fiofanana eo anivon’ny Fikambanana Salezian’i Don Bosco aty amin’ny Faritra Afrika sy Madagasikarara.

♦ Pretra telo sy diakra iray no nohamasinina tao amin'ny Katedraly Masina Maria Vonjy Mahatoky tao amin'ny Diosezin'i Tsiroanomandidy ny sabotsy 15 ôktôbra 2022... ♦ Notsofin-drano ny alahady 16 ôktôbra 2022 ny toerana hanorenana ny fiangonana vaovao ao Antanimalandy, Diosezin'i Mahajanga... ♦ Nohalavain'ny Papa François hatramin'ny ôktôbra 2024 ny Sinaodin'ny Eveka momba ny Eglizy miara-dia...

♦ Hanatanteraka ny visite Ad Limina apostolorum any Rôma ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara ny 21 hatramin'ny 29 ôktôbra 2022... ♦ Tontosa ny 12 ôktôbra 2022 ny fanokafana ny taom-pianarana 2022-2023 ho an'ny Sekoly Katôlika manerana ny Distrikan'i Betafo Antsirabe... ♦ Mankalaza ny faha-100 taona ny gazety-boky "Monde et Mission"...

Nasandratry ny Papa François ho olomasina ny 09 oktobra 2022 ny Olontsambatra Artémide Zatti, coadjuteur, salezianin'i Don Bosco."Mpitsabo mpanampy masina" sy "havan'ny mahantra rehetra", io no anarana iantsoan'ny Ray masina azy. Nibaiko ny fiainan'i Md Artémide Zatti taorian'ny fahasitranany ny hoe :"Nino aho, nampanantena aho, sitrana aho" ka nahatonga azy hikarakara ireo marary faraidiny. Fampahafantarana an'i Md Zatti miaraka amin'i P. Raheriarisoa Mamy Augustin,sdb

Olon'ny fihavanana sy mpanasoa ny mpiara-belona i Mgr Philippe Ranaivomanana. Tia sy nahay nifandray aman'olona izy. Laharam-pahamehana ho azy ny fampivelarana ny talentan'ny hafa. Toetra nanahafany an'i Jesoa Kristy ilay narahiny ireo, izay nahafoy ny ainy mba hanavotra ny olombelona. Fahatsiarovana an'i Mgr Philippe Ranaivomanana, Evekan'Antsirabe, nodimandry ny 06 septambra 2022.

Zava-dehibe no hahafantarantsika fa ao amintsika : Andriamanitra Ray, zanaka, ary Fanahy Masina. Andriamanitra Ray : amin'ny alalan'ny saina izay misy ny fahefana anaty. Ny zanaka ao amin'ny fo izay misy ny aina, izy mantsy no lalana sy fahamarinana ary fiainana. Tsy misaraka amin'izy ireo ny Fanahy Masina araka izay voalaza hoe "tsy fantatrareo va fa tempolin'Andriamanitra ny tenanareo". Fandaharana "mba ho vanona".

♦ Niampy roa indray ireo Olomasin'ny Eglizy Katôlika Apôstôlika Rômana, Olontsambatra roa no naroso ho eo amin'izany laharana izany omaly. Anisan'izany ilay Frera Salezianina, Artémide Zatti... ♦ Mamangy ny fikambanana eto Madagasikara ny Père Général an'ny Fikambanan'i Jesoa. Anisan'ny notsidihina ny tany amin'ny Diôsezin'i Mananjary sy ny tao amin'ny Diôsezin'i Fianarantsoa... ♦ Natsangana tamin'ny fomba ôfisialy omaly, ny Fraternité Franciscaine ao Vohipeno...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...