♦ Rariny ny fitombon'ny isan'ireo Solombavam-bahoaka, raha hoarina amin'ny isan'ny mponina amin'izao, hoy ny KMF/CNOE... ♦ Nampikaikaika ny mpanjifa ny fiakaran'ny vidin'ny siramamy hatrany amin'ny 6.200 Ariary isan-kilao. Ny fiakaran'ny haban-tseranana 32% no anisan'ny anton'izany, hoy ny fikambanana PMH... ♦ Naneho ny alahelony amin'ny tsy fisian'ny herinaratry ny JIRAMA ao Toamasina, ny Solombavam-bahoka Rolland Ratsiraka, androany. Efa tena fanaovana ho tsinontsinona ny vahoaka izany, hoy izy...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...