Vakiteny voalohany

Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio 4, 12-16

Aoka isika hanatona ny fiketrahan’ny fahasoavana amim-pahatokiana.

Ry kristianina havana,
velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra,
ka maranitra noho ny sabatra roa lela,
maninteraka ny fiavahan’ny aina sy ny fanahy,
ary ny famavàny sy ny tsoka aza;
fantany mazava ny fieritreretana amam-pisainan’ny fo.
Tsy misy zava-boaary miafina eo anatrehan’Andriamanitra,
fa mihanjahanja sy miharihary
eo imason’Izy hampamoaka antsika ny zavatra rehetra.
Koa noho isika manana Mpisorona lehibe
izay lasa namaky ny lanitra,
dia i Jesoa Zanak’Andriamanitra,
dia aoka hotanantsika mafy ny finoana efa nekentsika.
Satria tsy Mpisorombe tsy mahalala mangoraka
ny fahalementsika no antsika;
fa efa nalaim-panahy tahaka antsika
tamin’ny zavatra rehetra Izy, afa-tsy ny fahotana.
Koa aoka isika hanatona ny fiketrahan’ny fahasoavana amim-pahatokiana,
mba hahazoantsika famindram-po,
sy hahitantsika fahasoavana ary hamonjena antsika
amin’ny andro ilantsika izany.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 18, 8. 9. 10. 15

Ny teninao, Tompo, fanahy sy fiainana.

Ny lalàn’ny Tompo lavorary,
mamelombelona fanahy.
Ny didin’ny Tompo mahatoky,
mampahendry olon-tsotra.

Ny fitsipiky ny Tompo mahitsy,
mahafaly ny fo.
Ny baikon’ny Tompo mazava,
manilo ny maso.

Ny tahotra ny Tompo madio,
maharitra mandrakizay.
Ny fitsaran’ny Tompo fahamarinana
samy rariny avokoa.

Ho sitraka eo anoloanao anie
ny vetson’ny foko sy ny tenin’ny vavako,
ry Tompo vatolampiko,
ry ilay Mpanavotra ahy.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Aza mba hamafisina ny fonareo anio fa henoy ny feon’ny Tompo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka 2, 13-17

Tsy tonga hiantso ny marina Aho fa ny mpanota.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nivoaka ho any an-dranomasina,
ka nanatona Azy ny vahoaka rehetra,
dia nampianatra azy Izy.
Raha nandalo Izy, dia nahita an’i Levi zanak’i Alfe
nipetraka tao amin’ny fandraisana hetra,
ka nanao taminy hoe:

“Andeha hanaraka Ahy.”

Dia nitsangana izy ka nanaraka Azy.
Ary raha nipetraka nihinana tao an-tranon-dralehilahy io i Jesoa,
dia nisy poblikanina sy mpanota maro
niara-nihinana tamin’Izy sy ny mpianany;
fa maro ireo, ary nanaraka Azy.
Nony nahita Azy niara-nihinana
tamin’ny poblikanina sy ny mpanota
ny mpanora-dalàna mbamin’ny Farisianina
dia nilaza tamin’ny mpianany hoe:

“Nahoana ny Mpampianatrareo
no miara-mihinana sy misotro
amin’ny poblikanina sy ny mpanota?”

Raha nahare izany i Jesoa,
dia nanao taminy hoe:

“Tsy ny finaritra no mila dokotera,
fa ny marary;
tsy tonga hiantso ny marina Aho,
fa ny mpanota.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...