♦ Nahitsy ny Filohan'ny CAF teo aloha sady Filohan'ny FMF teo aloha, Ahmad, nilaza fa kisendrasendra raha handeha ny baolina kitra malagasy, amin'izao endriny misy ankehitriny izao... ♦ Mangataka ny fampitsaharana ny asa fanamboaran-dàlana miainga eny Andranotapahana mankety Ivato, ireo manana tany voakasik'izany. Mbola minia manohy ny asa hatrany ny orinasa ankehitriny na dia efa eny amin'ny Filankevi-panjakana aza ny raharaha... ♦ Nitondra fandaminana vaovao amin'ny tsena ao Analakely indray ny mpitantana ny Kaominina ankehitriny. Hafindra toerana ary hoferana ny fotoana hivarotan'ireo mpivarotra amoron-dàlana...

[audio src="/images/sounds/jmi-20240419.mp3" background="#0099ffff"]

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...