♦ Nandao tanteraka ny Lapan'ny Antenimieram-pirenena, Ramatoa Razanamahasoa Christine, ao anatin'izao famaramparanana ny fe-potoam-piasan'ny Solombavam-bahoaka izao... ♦ Mbola mihisatra ny ady amin'ny kolikoly eto Madagasikara, hoy ny Filohan'ny Kômity Mitandro ny Fahitsiana, na ny CSI... ♦ Mbola misy fanantenana kely ny hahafahan'ny Barea milalao amin'ny kianja eny Mahamasina amin'ny volana jona, hoy ny mpamakafaka baolina kitra, Fenosoa Razafimamonjy...

[audio src="/images/sounds/jma-20240419.mp3" background="#0099ffff"]

[Vaovao manokana] Alarobia 19 aogositra 2026

Notendren'ny Papa Leon xIV ho Eveka mpanampy ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina i Mompera MARIUSZ KASPERSKI, pretra avy amin'ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée (OMI), Curé ao amin'ny Paroasy Md Eugène de Mazanod, ao Toamasina.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...