♦ Tanterahina anio amin'ireo ratsamangaikan'ny CENI eny anivon'ny distrika ny hatsapaky ny laharana anaty bileta tokana ho an'ireo kandidà solombavambahoaka taorian'ny fivoahan'ny lisitra ôfisialy omaly alina... ♦ Ampolony ireo manamboninahitra ary an-jatony ireo manamboninahitra lefitra tsy nahomby ka nandraisana fepetra tao anatin'ny ezaka 100 andro ho an'ny ministera delegue misahana ny zandarimariam-pirenena... ♦ Tanterahina eto Madagasikara ny atrik'asam-paritra momba ny fepetra ara-pahasalamana sy ny fomba ikarakarana ny zava-maniry iantohana ny fahasalaman'ny mpanjifa ho an'ireo firenena ao amin'ny vondron'ny ranomasimbe indiana na ny COI...

[audio src="/images/sounds/jma-20240417.mp3" background="#0099ffff"]

[Miara-dàlana] Zoma 23 ôktôbra 2026

• “Fohazo izay matory”, hoy i Mgr Jean de Dieu Raoelison tamin'ireo ankohonam-panabeazan'ny Sekoly Katolika, tamin'ny fanokafana ofisialy ny taom-panabeazana 2026-2027, ho an'ny Arsidiosezin'Antananarivo… • Mankalaza ny faha-200 taona niorenany ny fikambanan'ny Oblats de Marie Immaculée… • Dimampolo taona teto Madagasikara ny Orionistes, nanamarika izany ny Diosezin'Ambanja…

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...