Alarobia 21 avrily 2021 — Herinandro fahatelo fankalazana ny Paka — Nitsangan-ko velona i Kristy, ka tsy maty intsony; tsy manan-kery aminy intsony ny fahafatesana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 6, 35-40

Talata 20 avrily 2021 — Herinandro fahatelo fankalazana ny Paka — Nitsangan-ko velona i Kristy, sady nitondra antsika amin’ny mazava; isika izay navotany tamin’ny Rany — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 6, 30-35

Alatsinainy 19 avrily 2021 — Herinandro fahatelo fankalazana ny Paka — Nahita Ahy ianao ka mino, fa sambatra izay tsy nahita ka mino — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 6, 22-29

Alahady 18 avrily 2021 — Alahady fahatelo fankalazana ny Paka — Voasy aminay ny Soratra Masina, ry Jesoa Tompo; ataovy mirehidrehitra ny fonay rehefa miresaka aminay Ianao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 24, 35-48

♦ Nodimandry teo amin'ny faha-79 taonany alina ny jeneraly Rasolosoa Dolin, hisy ny fanaovam-beloma farany azy ataon'ny tafika malagasy eny amin'ny lalana digue... ♦ Madiva hifarana ny 15 andro nampiharana ny hamehana ara-pahasalamana teto Madagasikara. 87 ny olona matin'ny coronavirus tao anatin'ny 15 andro... ♦ Hihabado ny mpianatra malagasy raha mbola tohizina ny fakàna enti-mody any am-pianarana hoy ny vovonan'ny sekoly tsy miankina laika... 

Maro ny fanafody miparitaka ankehitriny, 30% ny olona no mety ho tratra ny tsy fahazakàna fanafody. Tandindomindoza ny fahaveloman'ny ollona raha sanatria ka mihombo ilay tsy fahazakàna. Ireo fambara ahafantarana azy dia mety hisy hidihidy ny hoditra izay somary mena sy mivohitra, mandoa, mivalana, mihenjana ny ozatry ny kibo, tsentsina ny orina, maso mena, fivontosana any amin'ny faratenda,  ary mety hafaty aingana... 

♦ Nodimandry ny Jeneraly Rasolosoa Dolin... ♦ Nihaona tamin'ny Praiministra Ntsay Christian ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristtiana eto Madagasikara na ny FFKM... ♦ Manao antso avo amin'ny firongatry ny halatra lavanila manta ny Kardinaly Désiré Tsarahazana... 

♦ Tsy mitsaha-miakatra ny tahan'ny fiaboan'ny fitiliana ny coronavirus eto Madagasikara, tranga vaovao 832 no hita tamin'ireo fitiliana 1.907... ♦ Nitokona an-dalam-be tamin'ny faritry ny toeram-ponenan'ny mpianatra teny Ankatso androan'ny ny mpiasan'ny Croua... ♦ Miantso ny manam-pahefana handray ny andraikiny manoloana ny firongatry ny halatra lavanila any amin'ny tapany atsimon'ny faritra atsinanana ny Evekan'i Toamasina... 

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny Jody nanao hoe: "Izaho no mpiandry ondry tsara. Ny mpiandry ondry tsara dia mahafoy ny ainy ho an’ny ondriny; fa ny mpikarama kosa, noho izy tsy mpiandry ondry na tompon’ny ondry, vao mahita ny amboadia tamy, dia ilaozany mandositra ny ondry, fa ny amboadia no avelany eo hisambotra sy hampihahaka azy, satria mpikarama izy, ka tsy raharahainy akory ny ondry.

Izaho no mpiandry ondry tsara, sady mahalala ny Ahy Aho no fantatry ny Ahy, tahaka ny ahalalan’ny Ray Ahy sy ahalalako ny Ray koa, ary Izaho koa mahafoy ny aiko ho an’ny ondriko. Mbola manana ondry hafa koa Aho izay tsy amin’ity vala ity, ka tsy maintsy hoentiko izy sy hihaino ny feoko; dia ho tonga valan’ondry tokana sy mpiandry ondry tokana.

Izao no itiavan’ny Ray Ahy: satria mahafoy ny aiko Aho, mba handraisako azy indray. Tsy misy maka azy amiko, fa ny Tenako ihany no mahafoy azy; manam-pahefana hahafoy azy Aho, ary manam-pahefana handray azy indray: izany no didy azoko tamin’ny Raiko".

♦ Mikasa ny hanao fombafomba ara-drazana any Vinany Nosivarika, ny fikambanan'ireo Tangalamena eto Madagasikara, manoloana ny fiparitahan'ny Coronavirus eto amintsika ankehitriny... ♦ Manambana hanao fitokonana ireo mpianatra ho mpitsabo miza-draharaha eny amin'ireo hôpitalim-panjakana ao an-drenivohitra. Manome 72 ora ny fanjakana izy ireo, handoavana ny tambikarama tsy voaloa...

Tamin’izany andro izany, raha nampianatra tao amin’ny Sinagôga tany Kafarnaôma i Jesoa, dia nilaza hoe: "Izay mihinana ny Nofoko sy misotro ny Rako no manana ny fiainana mandrakizay." Betsaka tamin’ny mpianany nony nandre izany no nanao hoe: "Sarotra izany teny izany, ka iza no mahahaino izany?" Ary fantatr’i Jesoa tao am-pony, fa nimonomonona tamin’izany ny mpianany, ka hoy Izy taminy: "Manafintohina anareo va izany? Hanao ahoana ianareo, raha mahita ny Zanak’Olona miakatra any amin’izay nitoerany taloha. Ny fanahy no mahavelona, ny nofo tsy mahasoa ohatr’inona akory; ny teny voalazako taminareo dia fanahy sy fiainana. Nefa misy tsy mino aminareo." Fa fantatr’i Jesoa hatramin’ny voalohany, izay tsy hino sy izay hamadika Azy. Ary hoy Izy: "Izany no nilazako taminareo fa tsy misy mahay manatona Ahy raha tsy nomen’ny Ray azy izany." Hatramin’izay dia maro tamin’ny mpianany no nihemotra, ka tsy niaraka taminy intsony. Ka hoy i Jesoa tamin’ny roa ambin’ny folo lahy: "Ianareo koa va mba te-hiala?" Dia namaly i Simôna Piera ka nanao taminy hoe: "Tompo ô, hankany amin’iza àry izahay? Ianao no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay; ary izahay efa nino sy nahalala fa Ianao no Ilay Masin’Andriamanitra."

[Miara-dàlana] Zoma 19 septambra 2025

• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...