Alahady 18 avrily 2021 — Alahady fahatelo fankalazana ny Paka — Voasy aminay ny Soratra Masina, ry Jesoa Tompo; ataovy mirehidrehitra ny fonay rehefa miresaka aminay Ianao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 24, 35-48

Famintinana nataon’i Masindahy Lioka evanjelista ireo fandinihana sy ny fitorian-teny nataon’ny ankohonam-piangonana voalohany ity Evanjely vao avy novakiana tamintsika teo ity. Tsara homarihana fa nianga avy tamin’ny andram-piainana, na ny marimarina kokoa, vokatry ny fihaonana nisy teo amin’i Jesoa Kristy tafatsangan-kovelona sy ireo mpianany no nanatsoahana izao fandinihana izao. Ny fanontaniana mipetraka dia hoe : Inona no lanjan’ity fisehoan’i Jesoa Kristy fanindroany tamin’ireo mpianany ity ?

Nanan-danja teo amin’ny Fiangonana kristianina voalohany ny fisehoan’i Jesoa faharoa tamin’ireo mpianany, satria nanampy azy ireo handresy ny fisalasalana sy ny fahasarotana hahazo ny atao hoe fitsanganan-ko velona. Marihana fa nonina tao anatin’ny tontolo grika na helenista ireto kristianina nanoratan’i Masindahy Lioka ny evanjeliny ; izany hoe, ny foto-pisainana novoizina tamin’izany dia ny hoe : "tsy maintsy misaraka amin’ny vatana ny fanahy, ao aorian’ny fahafatesana". Ny mifanohitra amin’izany anefa no asehon’i Jesoa Kristy tamin’izy niseho tamin’ny mpianany, fa tsy matoatoa velively izy ka hoe fanahy nandehandeha, fa tena vatana sy fanahy no sady niara-nihinana tamin’ireo mpianany mihitsy aza. Ilay voafantsika ihany no miseho amin’ireo mpianany, satria mbola hita teny amin’ny vatany ny loaky fantsika.

Nanan-danja io fisehoan’i Jesoa tafatsangan-ko velona io, satria afaka nanazava misimisy kokoa ny hevitry ny Paka tamin’ireo mpianany i Jesoa. Nohazavainy tamin’izy ireo fa fanantanterahana ny vinavinam-pamonjen’Andriamanitra, ny fijaliany, ny fahafatesany ary ny fitsanganan-ko velona. Efa voarakitra ao anatin’ny Soratra Masina avokoa izany rehetra izany ary ao amin’Izy Jesoa Kristy no ahatanterahan’ny zava-drehetra.

Zava-dehibe ny fisehoan’i Jesoa Kristy tafatsangan-ko velona tamin’ireo mpianany mba hanamafisany ny finoan’izy ireo fa izany no hahafahany hitory ny Vaovao Mahafalin’ny Paka.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...