Talata 20 avrily 2021 — Herinandro fahatelo fankalazana ny Paka — Nitsangan-ko velona i Kristy, sady nitondra antsika amin’ny mazava; isika izay navotany tamin’ny Rany — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 6, 30-35
Miresaka mofo (na sakafo) ny Evanjely anio ary nampiasain’i Jesoa Kristy izany ho famantarana hilazany ny tenany. Mampahatsiahy antsika hevi-dalina vitsivitsy ny mofo koa andeha àry, hojerentsika izany :
Voalohany indrindra, mampahatsiahy ny fiainana andavanandro ny mofo na ny sakafo. Matetika hita eny ambony latabatra isan’andro izy. Amin’ny akapobeny dia vita amin’ny lafarinina, manambara amintsika ny fahatsorana sy maha zava-dehibe azy eo amin’ny fiainantsika ny fahafantarana an’izany taharo nanamboarana ny mofo izany. Koa raha io Mofo io àry no nofidian’i Jesoa hanoharana ny tenany, midika izany fa te ho eo amintsika manadrakariva izy ary te ho foto-tsakafo ho antsika eo amin’ny fiainantsika.
Manaraka izany, vokatry ny fisasarantsika isan’andro no nahazoana ny mofo na ny sakafo. Midika izany, fa tian’i Jesoa hambara fa mafy ny fiainana ary mila miasa raha toa ka tiantsika hihatsara ny fiainantsika, raha tiantsika handresy ny fitiavana manoloana ny fahafatesana ; izany hoe mila miasa raha tsy te ho faty noana eo.
Farany, tsy maintsy hohanina ny mofo fa tsy natao hobanjinina akory, ary nasehon’i Jesoa izany tamin’izy nahafoy ny tenany ho sakafo tamin’ny alakamisy masina. Mampahatsiahy antsika ny làlana nosoritan’Andriamanitra harahin’olombelona izany, izany hoe "natao hahafoy tena hatramin’ny farany isika, natao hamahana (ho mofo) sy hizara fitiavana ho an’ireo manodidina antsika, toy ny nataon’i Jesoa nifantsika teo ambonin’ny hazofijaliana".