02 mey — I Md Athanase resahina eto dia ilay Mpampianatry ny Fiangonana. Teraka tao Alexandrie ny 296 izy, nobehazina sy nampianarin’ny fianakaviany araka izay tratra, ary tsy niala tao an-tranon-drainy izy raha tsy efa ho any amin’ny tempolin’ny Tompo, hobeazin’ny eveka tao Alexandrie.
Voajanahary ho an'ny olombelona ny asa. Mila tiavina sy hajaina ny asa noho izany, mba hampivelarana ny tena sy hampivoarana ny fiaraha-monina : Ny hevitry ny asa ao amin'ny Soratra Masina, miaraka amin'i Mgr Jean Pascal Andriantsoavina.
Alatsinainy 04 mey 2020 — Herinandro fahefatra amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 10, 11-18 — Izaho no mpiandry ondry tsara, hoy ny Tompo, sady mahalala ny ondriko Aho no fantany koa.
♦ Olona 04 indray no voamarina ho mitondra ny tsomok'aretina Coronavirus eto amintsika, raha ny tarehimarika ôfisialy omaly... ♦ CVO 118 baoritra no natolotry ny fitondrana Malagasy maimaim-poana ho an'ireo firenena 15 mivondrona ao amin'ny CDAO... ♦ Nangina ny fanamarihana ny fetin'ny asa omaly teto amintsika, noho ny fihibohana ho amin'ny ady amin'ny Covid-19...
♦ Niarahaba manokana an'i Madagsikara noho ny voka-pikarohana nahafahana namoaka ny tambavy CVO ireo Filoham-pirenena Afrikanina maro omaly... ♦ Tsy nisy nitondra ny tsimok'aretina Coronavirus avokoa ireo olona 121 natao fitiliana tato anatin'ny 24 ora...
01 mey — Masindahy Joseph mpiasa, Masindahy Joseph mpandrafitra, tsy iza akory io fa ilay Masindahy Joseph mpitaiza an’i Jesoa tao Nazareta, izay efa noresahin-tsika teto tamin’ny 19 marsa. Fa ny voalohan’ny volana mey dia nankalazaina sy natokana ho azy, fa natokana ho an’ny mpiasa ihany koa, noho ity olomasina ity mpiaro ny mpiasa maneran-tany.
♦ Manohana ny tokony hisain'ny fivoriana ara-potoana voalohany ho an'ny parlemanta manomboka ny 05 mey izao ny loholona Olivier Rakotovazaha sy ny depiote Mamy Rabeniriana... ♦ Mangataka fihaonana mivantana amin'ny Filoham-pirenena ny vondron'ny mpitatitra ao an-drenivohitra sy ny manodidina... ♦ Manao antso avo amin'ny tompon'andraikitra ny mpiasa ao amin'ny kaminina an-drenivohitr'i Morondava...
Ireo fomba samihafa entina miatrika ny fihibohana ao an-trano, na eto an-toerana na any ivelany, manerana izao tontolo izao, dia tokony heverina ho mahasoa sy manampy antsika rehetra, izay maniry fivorana hatrany.
(29-04-2020) Ilaina ny firaisankina satria ao anatin' ny fotoantsarotra izao tontolo izao.
♦ Miisa 38 sisa ireo olona mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus eto Madagasikara no mbola araha-maso sy tsaboina any amin'ny hôpitaly... ♦ Nandefa fiaramanidina naka ny Covid Organics teto Madagasikara ny Filohan'i Guinée Equatoriale... ♦ Miantso ny fitondram-panjakana hanampy azy ny mpitatitra ao an-drenivohitra. Maty antoka izy ireo araka ny nambaran'ny solontenany...
♦ Tsy mitombo isa mihitsy hatreto ny isan'ny olona mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus eto Madagasikara... ♦ Nandefa CVO na Covid Organics 11.500 fonosana ho an'ny vahoaka any Guinée Equatoriale sy ireo Malagasy monina any an-toerana ny fitondram-panjakana malagasy... ♦ Misokatra ankehitriny ny antontam-baovao azon'ny rehetra jerena izay liana amin'ny vaovao momba ny Coronavirus...
30 aprily — I Masindahy Pie V dia ilay papa faha-225 nitondra ny Fiangonana ny taona 1566 ka hatramin'ny taona 1572. Antonio Ghislieri no anarany, teraka tamin'ny 17 janoary 1504 tao amin'ny tanana kely tao Bosco, akaikin'i Alexandrie tao amin'ny diôsezin'i Tortone.
Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco