Tamin’izany andro izany, i Jesoa nivoaka ho any an-dranomasina, ka nanatona Azy ny vahoaka rehetra, dia nampianatra azy Izy. Raha nandalo Izy, dia nahita an’i Levi zanak’i Alfe nipetraka tao amin’ny fandraisana hetra, ka nanao taminy hoe : "Andeha hanaraka Ahy". Dia nitsangana izy ka nanaraka Azy. Ary raha nipetraka nihinana tao an-tranon-dralehilahy io i Jesoa, dia nisy poblikanina sy mpanota maro niara-nihinana tamin’Izy sy ny mpianany ; fa maro ireo, ary nanaraka Azy. Nony nahita Azy niara-nihinana tamin’ny poblikanina sy ny mpanota ny mpanora-dalàna mbamin’ny Farisianina dia nilaza tamin’ny mpianany hoe : "Nahoana ny Mpampianatrareo no miara-mihinana sy misotro amin’ny poblikanina sy ny mpanota?" Raha nahare izany i Jesoa, dia nanao taminy hoe : "Tsy ny finaritra no mila dokotera, fa ny marary ; tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota".
Tamin’izany andro izany, i Jesoa dia niditra indray tao Kafarnaôma. Nony re fa hoe tao an-trano Izy, dia nivory betsaka dia betsaka ny olona, ka tsy nisy hitoerana intsony na dia hatrany anoloan’ny varavarana aza ; dia nitory teny taminy Izy. Tamin’izay dia nisy nanatona Azy nitondra lehilahy malemy anankiray, izay nolanjain’olona efa-dahy. Tsy afa-nanatona Azy anefa izy ireo noho ny habetsahan’ny vahoaka, ka dia ny tafon-trano nitoerany no nanesorany; nony voasokatra, dia nampidininy teo ny fandriana nandrian’ilay malemy. Ary i Jesoa nony nahita ny finoan’ireo, dia nanao tamin’ilay malemy hoe : "Anaka, voavela ny helokao". Fa nisy mpanora-dalàna sasany nipetraka teo, ka nanao anakampo hoe : "Ahoana no itenenan’ilay itý toy izany ? Miteny ratsy an’Andriamanitra lahy Izy. Iza no mahavela fahotana afa-tsy Andriamanitra irery ihany?" Fantatr’i Jesoa tao amin’ny fanahiny niaraka tamin’izay fa nieritreritra izany tao anatiny izy ireo ka hoy Izy taminy : "Nahoana ianareo no mihevitra toy izany ao am-ponareo ? Inona no moramora kokoa, ny manao amin’itý malemy itý hoe : Voavela ny helokao, sa ny manao hoe : Mitsangàna, batao ny fandrianao, ary mandehana? Ary mba ho fantatrareo fa ny Zanak’Olona manam-pahefana etý an-tany hanafaka ny fahotana, dia izao no lazaiko aminao, (hoy Izy tamin’ilay malemy) : Mitsangàna, batao ny fandrianao, ary modia any an-tranonao". Dia nitsangana niaraka tamin’izay izy ka nibata ny fandriany, ary lasa nody teo imason’ny olona rehetra; hany ka talanjona izy rehetra sady nankalaza an’Andriamanitra nanao hoe : "Tsy mbola nahita tahaka izany izahay".
Ny tanjona sy ny tarigetra dia samy hafa mihitsy. Ny fiainana dia misy dingana marobe hanatrarana tanjona iray na maromaro. Ny tanjona dia faniriana zavatra tiana ho tratrarina ary mety ho tratra. Ny tarigetra kosa dia filamatra izany hoe faniriana zavatra tsara tiana sy ezahina hiainanana andavanandro. Ny teknika dia fomba entina hanatanterahana ny asa, izay azo ianarana ary azo hiombonana. Ny Paik'ady dia vokatry ny haranintan-tsain'ny tsirairay ary mampisongadina ny maha izy azy...
Tamin’izany andro izany, nisy boka anankiray nanatona an’i Jesoa nandohalika teo anatrehany ka nitaraina taminy nanao hoe: "Raha mety Ianao dia mahay manadio ahy". Nangoraka azy i Jesoa ka naninjitra ny tanany, dia nanendry azy sy nanao taminy hoe: "Mety aho, madiova ianao". Vantany vao niteny Izy, dia niala tamin-dralehilahy ny habokany ka nadio izy. Dia nampandeha azy niaraka tamin’izay i Jesoa sady namepetra azy mafy nanao hoe: "Tandremo, aza milazalaza izany na amin’iza na amin’iza ianao fa mandehana misehoa amin’ny mpisorona, ary noho ny nanadiovana anao dia manatera ny fanatitra nodidian’i Môizy, mba ho vavolombelona amin’ny vahoaka". Kanjo nony lasa ralehilahy dia nilazalaza sy nampiely izany hatraiza hatraiza, hany ka tsy afa-niditra niharihary tao an-tanàna intsony i Jesoa, fa nitoetra teny ivelany tamin’ny tany mangingina izy, ary nohatonin’ny olona avy eny tontolo eny.
Tamin’izany andro izany, i Jesoa sy i Jakôba ary i Joany raha nivoaka avy tao amin’ny sinagôga, dia nankany an-tranon’i Simôna sy i Andre. Ary ny rafozam-bavin’i Simôna nandry teo am-pandriana fa nanavy, ka noresahin’izy ireo taminy niaraka tamin’izay. Dia nanatona nandray ny tanany i Jesoa sy nanarina azy, dia afaka ny tazony ka nanompo Azy izy. Nony hariva efa maty masoandro, dia nentina teo aminy ny marary rehetra sy ny azon’ny demony, ary ny tao an-tanàna rehetra nitangorona teo am-baravarana avokoa. Dia nanasitrana olona maro nararin’ny aretina samihafa Izy, sady nandroaka demony maro, fa tsy navelany hiteny ny demony, satria nahafantatra Azy. Nony ampitso nifoha maraina alina koa Izy, dia nivoaka nankany amin’ny tany mangina, ka nivavaka tany. Dia lasa nitady Azy i Simôna sy ny namany ka nony nahita Azy dia nilaza taminy hoe : "Tadiavin’ny olona rehetra Ianao". Fa izao no navaliny : "Andeha isika hankany amin’ny tanàna akaiky, mba hitoriako any koa ; fa izany no nivoahako". Dia lasa Izy nitory tamin’ny sinagôgan’ny olona sy eran’ny Galilea rehetra, sady nandroaka ny demony.
Indray sabata, raha tonga tao an-tanànan’i Kafarnaôma i Jesoa sy ireo nanara-dia Azy, dia niditra tao amin’ny sinagôga, ary nampianatra azy ireo Izy. Dia gaga izy ireo tamin’ny fampianarany, satria nampianatra azy toy ny manana fahefana Izy, fa tsy tahaka ny mpanora-dalàna. Ary tao amin’ny sinagôgany, dia nisy lehilahy anankiray azon’ny fanahy maloto, ary niantso mafy izy nanao hoe: "Mifampaninona izahay sy Ianao, ry Jesoa avy any Nazareta? Tonga hampahita loza anay va Ianao ? Fantatro raha Ianao, dia ilay Masin’Andriamanitra". Fa nandrahona azy i Jesoa nanao hoe : "Mangina, ary mivoaha amin’io lehilahy io". Ary ny fanahy maloto nampifanintontsintona azy, dia niantso tamin’ny feo mahery ka nivoaka taminy. Gaga ny olona rehetra ka nifampilaza hoe : "Inona itý ? Fampianarana vaovao inona re itý ? fa ny fanahy maloto avy no didiany ka manaiky Azy". Dia niely eran’i Galilea rehetra ny lazany.
Nony natao an-tranomaizina i Joany, dia nankany Galilea i Jesoa nitory ny Evanjelin’ny fanjakan’Andriamanitra, ka nanao hoe : "Tonga ny fotoana, ary efa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra ; mibebaha ianareo ary minoa ny Evanjely". Nony nandalo teny amoron-dranomasin’i Galilea Izy, dia nahita an’i Simôna sy i Andre rahalahiny nanarato teo amin’ny ranomasina, fa mpanarato izy ireo. Ary hoy i Jesoa taminy : "Andeha hanaraka Ahy, fa hataoko mpanarato olona ianareo". Dia nandao ny haratony niaraka tamin’izay izy ireo, ka nanaraka Azy. Nony nandeha kelikely Izy, dia nahita an’i Jakôba zanak’i Zebede sy i Joany rahalahiny, izay teo an-tsambo kely koa nanamboatra ny haratony. Dia niantso azy niaraka tamin’izay Izy, ka nilaozan’izy mirahalahy teo an-tsambo keliny i Zebede rainy sy ny mpikaramany, fa lasa nanaraka an’i Jesoa izy.
Tamin’izany andro izany, nitory teny i Joany nanao hoe : “Avy aoriako Ilay mahery noho izaho, ka tsy mendrika hiondrika hamaha ny fehi-kapany akory aho. Izaho nanao batemy anareo tamin’ny rano, fa Izy kosa hanao batemy anareo amin’ny Fanahy Masina”. Ary tamin’izany andro izany, dia tonga avy any Nazareta tanànan’i Galilea i Jesoa, ka nataon’i Joany batemy tao Jordany. Raha vao niala avy tao anaty rano Izy, dia nahita ny lanitra nisokatra, sy ny Fanahy nidina tahaka ny voromahailala, nankeo amboniny; ary nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe : “Ianao no Zanako malalako, Ianao no ankasitrahiko”.
♦ Misy ireo sekolim-panjakàna no tsy mbola naharay ny caisse-école hampihodinana ny sekoly hatramin'izao, hamenoana ny banga tamin'ny fampianarana ilay zero ariary tamin'ny fampidirana mpianatra. Ny talen-tsekoly sy ny fikambanan'ny ray aman-drenin'ny mpianatra no mandoa vola am-paosy... ♦ Tsy hisy ny fanaovan'i Papa François Batemy ny zanak'ireo mpiasa ao Vatican amin'ity taona ity, ny alahady 10 janoary ho avy izao izay hankalazan'ny fiangonana ny nanaovana Batemy an'i Jesoa, noho ny fisian'ny Covid-19...
♦ Valan'aretina covid-19, tsy mbola tonga eto Madagasikara ilay tsimok'aretina amin'ny endriny vaovao hoy ny ministeran'ny fahasalamam-bahoaka. Misy soritr'aretina mampiahiahy kosa any Mahajanga hoy ny sendikan'ny Paramed SIS Fem... ♦ Notoloran'ny UNICEF fiarabe citerne miisa telo ny ministeran'ny rano, fanadiovana ary fidiovana. Hanampiana ny famatsiana rano ho an'ny mponina eto an-drenivohitra ireo fitaovana ireo...
Sabotsy 9 janoary 2021 — Herinandro manaraka ny Epifania — Ny olona nitoetra tao amin’ny maizina, dia nahita fahazavana lehibe ; ary ireo izay nitoetra tao amin’ny tany aloky ny fahafatesana no niposahan’ny mazava — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 3, 22-30
♦ Volamena malagasy milanja 73,5 kg indray no tratra tatsy amin'ny seranaam-piaramanidina Johannesbourg Afrika atsimo. Mpandeha miisa 3, niainga teo Madagasikara no tompon'antoka... ♦ Nankatoa ny fampiasàna vaksiny fanefitry ny Covid-19, novokarin'ny laboratoara amerikàna Moderna ihany koa i Israel. Firenena voalohany nanome fahazoan-dalana hampiasàna io vaksiny io ivelan'i Amerika avaratra...
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco