Alakamisy 6 mey 2021 — Herinandro fahadimy fankalazana ny Paka — Fantatsika fa nitsangan-ko velona marina tokoa i Kristy. Ianao, ry Mpanjaka nandresy, mamindrà fo aminay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 15, 9-11

Raha akapoka amin’ny teny tokana ny votoatin’ny Vaovao Mahafaly androany dia mahakasika ny resaka Fitiavana. Fitiavana tokoa Andriamanitra, avy aminy irery ihany no loharanom-pitiavana. Izay fitiavany izay no azo hamaritana azy sy maha izy azy. Andeha àry ho singanintsika manokana ireo tenin’i Jesoa voalaza ao amin’ny Evanjely androany.

Tahaka ny nitiavan’ny Ray ahy no nitiavako anareo. Teo amin’ny fiainany manontolo i Jesoa dia niezaka nampahalala ny Ray sy ny fandaharam-pitiavany. Nitia tahaka ny Ray, ary ny fitiavan’ny Ray no nampitainy tamintsika. Amin’ny fiainana maha olombelona dia raha tsy ampy fitiavan-dray aman-dreny ny zanaka dia tsy maintsy hanana fahasarotana eo amin’ny fiainam-pitiavana satria misy tsy feno na banga ny maha izy azy.

Mitomoera amin’ny fitiavako ianareo : amin’ny maha fitiavana ranofotsiny an’i Jesoa Andriamanitra dia izy no fototra, ary ny fitiavany no mari-drefy handrefesana ny fitiavana hafa. Izany hoe ny fitiavany no entintsika mitia ny hafa ary ho lasa fitiavana koa isika. Ny mitoetra amin’ny fitiavany dia ny mitandrina ny didiny ary ny fitandrovana sy ny fitandremana izany didiny izany dia mahasambatra sy mahafaly marina. Ny tena marina dia ny fitoerana amin’ny fitiavana no fototry ny fifaliana maharitra.

Jesoa ô ! Raha ny heriko ihany dia ho kivy an-dalana aho, hanatontosa ny irakao no mamiko fa omaly sy anio ary mandrakizay tsy miova ianao Jesoa ô ! Amen !

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...