Sabotsy 8 mey 2021 — Herinandro fahadimy fankalazana ny Paka — Tsy maintsy hijaly i Kristy sy hitsangan-ko velona; ary hiditra amin’ny voninahiny — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 15, 18-21

Maneho teny fankaherezana ho an’ireo mpianany i Jesoa ary milaza mialoha mazava ny toe-java-misy hitranga eo amin’ny fiainana amin’ny fanarahan-dia azy. Tsy mora arak’izany ny manara-dia an’Andriamanitra. Sarotra ary tena manahirana, nefa raha tena miaina ny finoana kosa dia tsy tokony hatahotra ary tsy tokony hisalasala satria matoky manana an’i Jesoa mpitarika isika. Izay milaza sy mitonona ny tenany ho mpanara-dia an’i Jesoa dia tsy maintsy manaraka ny lalan-kizorany ary tsy mahazo manao tsobo-dranon-dramiangaly.

Raha ampatsiahivina izany olon’izao tontolo izao izany dia ireny olona miaina fe miaina fotsiny ireny ; tsy mba mpanantona fiangonana ary mihambo ho mahavita tena fa indrindra ireny olona mahafantatra ny fisian’Andriamanitra fa saingy tsy mivaky loha, manao mafy sofina ka manentsi-tadiny. Ireny no manohitra ny fisian’i Jesoa sy ny fanambarany.

Etoana àry dia toy ireo Apôstôly isika, efa natsoin’Andriamanitra teny anivon’ny fiaraha-monina teny. Nantsoiny ho mpiara-miasa aminy tamin’ny Batemy izay noraisintsika. Olona hatokisan’Andriamanitra isika ka hirahiny indray ho eny anivon’izao tontolo izao mba hijoro ho vavolombelony.

Raisiko ny anjara manandrify ny fiantsoanao ahy, vonona aho ity hatramin’ny fara-fofon’aiko ka izany no voadiko masina ry Andriamanitra Raiko ô ! Amen !

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...