Talata 4 mey 2021 — Herinandro fahadimy fankalazana ny Paka — Tsy maintsy hijaly i Kristy sy hitsangan-ko velona, ary hiditra amin’ny voninahiny — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 14, 27-31a

Raha vao mandray ity ampahana Evanjely ity isika androany dia efa mby ao an-tsaina sahady ilay andro fiakarana na ilay antsoina hoe "Ascension". Mampanantena fiadanana an’ireo Apôstôly i Kristy tao aorian’ny fitsanganan-ko velona. Fiadanana mba hanaisotra ny tebiteby sy ny tahotra ao am-po.

Toy ny fiainantsika zanak’olombelona ihany, rehefa handeha na handao ny olona iray dia mamela hafatra mifono anatra. Dia tandrovana fatratra ery izay hafatra izay ary ankatoavina aoka izany. Dia mihoatra lavitra noho izany i Kristy nanoloana ireto mpianany akaiky. "Handeha aho nefa mbola hiverina aty aminareo". Tsy fisarahana miteraka ratram-po sy famoizam-po, fa fisarahana mamelombelona fanantenana ny mbola hihaona.

Ireo Apôstôly ireo dia toa antsika ihany, hany ka fantatr’i Jesoa ny ao am-pontsika tsy miloaka ao, hain’Andriamanitra ny mombamomba antsika ; diso fantany loatra isika fa mora maratra, mora malahelo. Mahalala ny ataony Andriamanitra ka hainy mandrakariva ny manohitra an’izany fahalementsika izany ka mitady izay fomba rehetra mba hiankinantsika sy hianteherantsika aminy izy. Inona moa no tsy efa nataon’Andriamanitra amintsika fa isika no tsy mahatsapa na mody tsy miraharaha.

Hafatra tiana ho tonga any an-tanàna hono, ka ampitondraina ny mpatsaka. Ireo Apôstôly no mpantsaka mpitondra hafatra ary vato namelan-kafatra tian’i Jesoa hipaka amintsika.

Mandram-piverin’i Kristy amim-boninahitra, hitsara antsika, dia tian’Andriamanitra hifankatia sy hiombona isika ; ka ny Sakramenta sy ny Fiangonana no nataon’Andriamanitra ho fitaovana : ho mana sy sambo fiara hiandrandrantsika ilay fiainam-tsambatra rahatrizay miaraka aminy.

Asa raha tsaroantsika ilay hira fanaontsika anehoana fifampizarana fiadanana iny hoe : Tsaroanay Jesoa ô iny teninao iny : fiadanana no avelako ho anareo ; tsaroanay Jesoa ô iny teninao iny : fiadanana no omeko anareo , koa asainy isika hifankatia e, asainy isika mba ho masina, asainy isika ho lavorary fa homba antsika ny fiadanana Amen !

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...