♦ Voatohintohina ny fahalalahana maneho hevitra teo Madagasikara tamin'ity taona 2020 ity. Isan'ireo lasibatra tamin'izany ny firaisamonim-pirenena... ♦ Tokony tsy hisy avahana sy fanilikilihina ny fanaovana vaksiny fanefitry ny Covid-19 manerantany, hoy ny fanambarana iombonana navoakan'ny vaomiera misahana ny ady amin'ny Covid-19 ao Vatican...

♦ Ho mafimafy ny asa miandry ny mpitandro filaminana amin'ny fanatanterahana ny politika ankapoben'ny fitondrana raha ny  vina amin'ny taona 2021... ♦ Vahaolana hisorohana ny kere mahazo ny eny ambanivohitra, araka ny hevitry ny Tranoben'ny Tantsaha Mpamokatra Nasionaly ny fanaovan'ny kaoperativa tahirim-bary hiatrehana ny mainttso ahitra...

Ny dingana ho amin'ny fanatrarana ny tanjona eo amin'ny fiainana dia miainga amin'ny paikady toy ny fananana toetra tsy manjehy ny andro ho lava, ny famaritana tsara sy mazava izay hatao, hiainana ilay teny hoe : Aza mihetsika aloha fa mialohan'ny hiaingàna dia fantaro hoe ho aiza ianao...

♦ Misy manafina ny vary vokatra eto Madagasikara hoy ny vovonan'ny mpisehatra eo amin'ny vary eto amintsika. Isan'ny antony mampiakatra ny vidim-bary eny an-tsena izany... ♦ Mpanao gazety miisa 50 no namoy ny ainy teo am-panantanterahany ny asany teo anelanelan'ny 01 janoary hatramin'ny 15 desambra 2020, araka ny tatitry ny Reporters sans frontières androany...

29 desambra — Teraka ny taona 1117 avy amin'ny fianakaviana mpanan-karena tao London i Thomas Becket, ka noho ny fanohanan'ny fianakaviany dia afaka nanohy ny fianarany tany Paris izy. Niara-niasa tamin'ny Thibaut, arseveka tao Cantorbery izy, izay nandefa azy ho any Roma ny taona 1151 ka hatramin'ny 1153 sy tany amin'ny sekoly tao Bologne sy Auxerre izay nanofana azy ho mpahay lalana.

♦ Namoaka fanambarana manoloana ny tsy fanarahan-dalana tamin'ilay raharaha mafampàna tany Faratsiho androany ireo mpikambana vitsivitsy eo anivon'ny sendikan'ny mpandraharahan'ny fonja... ♦ Efa tafakatra 10 ireo olona voasambotra sy hanaovana fanadihadiana tamin'ilay savorovoro nitranga tany Imerintsiatosika...

♦ Tsy nahomby ny hetsika nataon'ny ministeran'ny indostria sy ny varotra mahakasika ny fifehezana ny vidin'ny PPN eto Madagasikara, niakatra avokoa ny vidin'entana ilain'ny mponina andavanandro... ♦ Nohamafisin'ny Papa François omaly, fa ahena ny isan'ny tompon'andraikitry ny lafiny toe-karena eo anivon'ny fiketrahana masina...

♦ Mbola hitoetra amin'ireo faritra sasany amin'ny ilany afovoany andrefan'ny nosy iny ny rotsakorambe vokatry ny fandalovan'ilay rivodoza Chalane teto amintsika... ♦ Nopotehan'ny andian'olona vokatry ny hatezeran'izy ireo ny tobim-paritry ny zandary ao Imerintsiatosika Faritra Itasy ny alin'ny sabotsy hifoha ny alahady teo...

♦ Niampy 81 ny tranga vaovao mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus tamin'ny fitiliana miisa 1.936 araka ny tatira ofisialy omaly... ♦ Nisantatra ny fanaovam-baksiny faobe covid-19 ny tany Eraopa ny faran'ny herinandro teo. Ny vehivavy zokiolonasy ny mpiasan'ny fahasalamana ary ny marefo no natao laharam-pahamehana...

28 desambra — Efa hatramin'ny taonjato faharoa ny Fiangonana no namarika ny 28 desambra ho fahatsiarovana ireo zaza tsy manan-tsiny novonoin'i Hérode noho ny hatezerana, satria hoe hisy zaza teraka handray ny fahefana amin'ny maha mpanjaka azy.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nahita vahoaka betsaka ka nangoraka azy, satria tahaka ny ondry tsy manam-piandry izy ireo ; dia nampianatra azy zavatra maro Izy. Nony hariva ny andro dia nanatona Azy ny mpianany nanao hoe : “Ny tany efitra ; ny andro efa hariva, ka alefaso ny olona handeha hividy hanina any amin’ny tanàna sy ny vohitra manodidina.” Fa izao no navaliny azy ireo : “Omeonareo hanina izy.” Ka hoy ireo taminy : “Handeha hividy mofona denie roanjato va izahay ka homenay azy hohaniny ?” Ary hoy Izy taminy : “Manana mofo firy ianareo ? Mandehana hoe zahao.” Ary rahefa nozahany, dia hoy izy : “Mofo dimy sy hazandrano roa.” Dia nasainy hampipetraka ny olona rehetra hatao antokotokony eny amin’ny ahi-maitso izy ireo ; ka nipetraka mitsitokotoko izy, ny sasany zato, ary ny sasany dimampolo. Dia noraisiny ny mofo sy ny hazandrano roa, ary niandrandra ny lanitra Izy, ka nitsodrano. Rahefa izany novakìny ny mofo dia nomeny ny mpianany mba harosony eny anoloan’ny olona, ary nozarainy tamin’izy rehetra koa ny hazandrano roa. Dia nihinana izy rehetra ka voky ; ary ny sombintsombin’ny mofo sy ny hazandrano sisa tsy lany nahafeno sobiky roa ambin’ny folo ka nentiny nody. Dimy arivo lahy anefa no isan’ny nihinana tao.

Tamin’izany andro izany, nony ren’i Jesoa fa natao an-tranomaizina i Joany, dia lasa Izy nankany Galilea ; ka nony niala tany Nazareta dia tonga tao Kafarnaôma, tanàna amoron-dranomasina ao amin’ny sisin-tanin’i Zabolôna sy Neftali ka nonina tao, mba ho tanteraka ny teny nolazain’i Izaia Mpaminany hoe : “Ny tanin’i Zabolôna sy ny tanin’i Neftali, ny lalana ao amoron-dranomasina, any an-dafin’i Jordany, Galilean’ny Jentily : ny olona izay nitoetra tao amin’ny maizina dia nahita fahazavana lehibe, ary ireo izay nitoetra tao amin’ny tany aloky ny fahafatesana no niposahan’ny mazava.” Hatramin’izay dia nanomboka nitory teny i Jesoa ka nanao hoe : “Mibebaha ianareo, fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra.”

Ary i Jesoa nitety an’i Galilea manontolo, nampianatra tao amin’ny sinagôgan’ny olona, sy nitory ny Evanjelin’ny Fanjakan’Andriamanitra, ary nanasitrana ny aretina sy ny rofy rehetra tamin’ny olona. Dia niely eran’i Siria manontolo ny lazany, ka nentin’ny olona tany aminy ny marary rehetra izay azon’ny aretina sy ny fijaliana samihafa, dia ny mararin-javatra, ny mararin’ny androbe, ny malemy, ka nositraniny ireny. Ary be ny vahoaka avy tany Galilea sy Dekapôly sy Jerosalema sy Jodea ary avy tany an-dafin’i Jordany, no nanaraka Azy.

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...