Alahady 25 avrily 2021 — Alahady fahefatra fankalazana ny Paka — I Jesoa Mpiandry ondry tsara — Izaho no Mpiandry ondry tsara, hoy ny Tompo, sady mahalala ny ondriko Aho no fantany koa — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 10, 11-18

Tamin’ny Evanjely izay nohenointsika teo dia nanambara ny tenany i Jesoa, fa Izy no mpiandry ondry tsara. Ary nambarany mazava ny toetran’izany mpiandry ondry tsara izany : ny mpiandry ondry tsara, hoy Izy, dia manompo ary mahafoy tena tanteraka, sy manolotra ny aina mihitsy aza. Manolotra ny ainy ho an’ny ondriny i Kristy, tsy iza izany fa isika kristianina tsirairay. Ary manao izany antsitrapo, tsy anteritery fa amim-pitiavana tanteraka. Ny mpiandry ondry tsara dia manefa ny adidiny amin’ny fiahiana ny ondry, mikolokolo, mitsabo ireo marary, manome hanina ireo noana. Izany no tokony toe-tsain’ny mpiandry ondry tsara, araka fanirian’i Jesoa Kristy, izay mifanohitra tanteraka toe-tsain’ny mpikarama.

Tsy toy ny mpikarama ny Mpiandry ondry tsara fa mahafoy ny ainy ho an’ny ondriny. Ambaran’i Jesoa eto fa tsy vonona hiaro ny andian’ondry ny mpiakarama fa ny ainy no avotany raha misy fahavalo na ambodia tamy. Ny mpikarama mantsy manao ny asany noho ny fikarohany ny tombon-tsoany manokana, fa tsy noho ny fitiavana ny hahasoa ny ondry. Tsy ao aminy ny toe-tsaina hijaly ho fanavotana ny ondry, ka noho izany tsy sahy hanolotra ny ainy izy ho an’ny ondry andrasany.

Eto àry i Jesoa, dia mangataka amintsika mba ho mpiandry ondry tsara isika, indrindra isika vita Batemy. Tsy maintsy vonona isika hanolotra ny aintsika ho famonjena ny fanahin’ireo manodidina antsika, amin’ny alalan’ny ohatra tsara omentsika, ny asa fanasoavana. Fampanjakana ny asa fitiava-namana dia tsy misy tambiny na oviana na oviana. Koa aoka isika tsy hanao toy ny mpikarama, manatanteraka ireny iraka isan-karazany ireny ka hoe hitady tombon-tsoa, fa hanatanteraka azy ireny an-tsitrapo, tsy an-katerena fa amim-pitiavana tahaka ny nataon’i Kristy ho famonjena ny hafa.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...