Sarotra ny miresaka finoana amin’izao fotoana izao ao an-tokatrano ao. Samy manana ny fomba fijeriny sy ny fanabeazana azony ny Ray aman-dreny an-daniny, sy ny zanaka nateraka an-kilany. Na dia mianatra any amin’ny sekolim-pinoana katolika aza ny zanaka dia tsy mandeha ho azy ny fiainana ny finoana sy ny fifampizaràna ao an-tokatrano ao. Katesizy momba ny fianakaviana iarahana amin’i P. Randriamanamahenina Robert Maria

Misy voka-dratsiny amin’ny fianam-panahin’ny tanora ankehitriny ny fanatontoloana ary misy fiantraikany any amin’ny fiainan-tokatrano izany. Marina fa tsy ratsy avokoa ny vokany, raha tsy hilaza afa-tsy ny fivoaran’ny teknolojian’ny fifandraisana, izay hahafahan’ny olona mifandray avy hatrany. Ny tsy fahaizana mampiasa ny teknolojia avo lenta anefa dia miteraka olana ara-piaraha-monina, toy ny fiolonolonana sy ny kolo-tsain’ny fanjifana. Katesizy momba ny fianakaviana iarahana amin’i P. Randriamanamahenina Robert Maria

Manindraindra ny fiainana mirenty ny fanatontoloana ary manaitra avy hatrany. Tsy mila ezahana akory ny miaina azy fa tafiditra ho azy ao anaty, ary iny no lasa lalam-piainana sy fanompoan-tsampy mihitsy aza ka miteraka korontana eo amin’ny fiainam-pianakaviana. Tsy misy intsony ny firaisan-tsaina fa samy maka ho azy. Manjavona tsikelikely ny fifankatiavan’ny mpianakavy ao an-tokatrano satria miriorio amin’ny fifandraisan-davitra amin’ny any ivelany. Katesizy momba ny fianakaviana iarahana amin’i P. Randriamanamahenina Robert Maria

Tsy mety mandray ravin-deno sy manao raharaha intsony ny zanaka fa variana ao amin’iny fitaovana kely safosafoina sy pendipendena tontolon’ny andro iny. Lasa miteraka hamaivanan-doha eo amin’ny zanaka matetika satria tsy miditra intsony mihitsy ny anatra sy ny fanabeazana omen azy mivantana. Ary tsy vitan’izany fa ny fanekena ny ray aman-dreny dia raisina ho didiko fe lehibe sisa.

Adidy lehibe miandry ny mpitondra Fiangonana ny pastoraly momba ny fianakaviana eo amin’ny sehatra maro samihafa, mba tena hananan’ny fianakaviana isan’isany izany finoana velona tokony hijoroany izany. Katesizy momba ny fianakaviana iarahana amin’i P. Randriamanamahenina Robert Maria

Rehefa tsy hiainana moa ny finoana dia kristianina sarisary ny fianakaviana iray. Ary rehefa toy izany dia manao fitaovana ny fivavahana ho fiarovan-tena sy ampiasaina amin’ny ara-politika. Ny tena ratsy dia lasa fieren-jiolahy mihitsy ny Fiangonana, izany hoe mody mivavaka mba hanafenana ny asa ratsy rehetra natao. Katesizy momba ny fianakaviana iarahana amin’i P. Randriamanamahenina Robert Maria

Tsy azo tsapain-tanana, ary tsy ren’ny fandrenesana ny finoana. Resaka ara-panahy ny finoana ka mila aseho amin’ny fiainana sy asa eto ivelany, araka ny voalazan’i Md Jakoba, mba hijoroana ho vavolombelona fa kristianina marina sy mahitsy ny olona iray. Katesizy momba ny fianakaviana, miaraka amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria

Tsy misy intsony ny hafanan’ny fifankatiavana, ny fifampihainoana ary ny fifampizaràna ao an-tokantrano. Vitsy dia vitsy ny tokatrano manam-pinoana ka maneho eto ivelany izany hoe tokatrano kristianina izany. Katesizy momba ny fianakaviana, miaraka amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria

Noho ny finoana an’Andriamanitra no hanoloran-tena handray an’ireo sakramenta ireo. Finoana izay misy vokany eo amin’ny fiainana andavanandro. Mila resy lahatra amin’ny herin’ireo Sakramenta ireo ny olona vao azo lazaina fa manam-pinoana. Katesizy momba ny fianakaviana iarahana amin’i P. Randriamanamahenina Robert Maria

Miainga avy amin’ny Sakramentan’ny Batemy ny fiainana maha-zanak’ Andriamanitra. Tsy maintsy zanak’Andriamanitra daholo ny olona ao an-tokan-trano ao vao afaka hiteny hoe tokan-trano kristianina mifototra sy mifikitra amin’ny finoana an’Andriamanitra izy. Katesizy momba ny fianakaviana iarahana amin’i P. Randriamanamahenina Robert Maria

Tsy maintsy iainana anaty ny finoana noraisina tamin’ny Batemy fa tsy raviravi-natentina fotsiny. Manaraka izany ny sakramentan’ny Fankaherezana sy ny Eokaristia, ny Fampihavanana ary ny Mariazy mba ho feno fatra ny maha tokatrano kristianina azy. Katesizy momba ny fianakaviana iarahana amin’i P. Randriamanamahenina Robert Maria

Mba hahafahana manana ny finoana dia ilaina ny manana fahazarana mivavaka. Miara-mivavaka ny mpianakavy ao an-trano ao. Ilaina ny manao fifanakalozana ara-panahy: mamaky Baiboly sy mifampizara izay azony sy nanaitra azy tao. Ilaina ny mivavaka any am-piangonana sy miditra Fikambanana Masina na firohotana krisitianina mba ho fanamasinan-tena. Katesizy momba ny fianakaviana iarahana amin’i P. Randriamanamahenina Robert Maria

[Miara-dàlana] Zoma 19 septambra 2025

• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...