Sabotsy 12 desambra 2020 — Herinandro faharoa amin'ny Fiaviana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 17, 10-13 — Akaiky ny andron’ny Tompo, indro Izy fa ho avy hamonjy antsika.

♦ Covis-19, Faritra Diana : tafakatra 102 ireo olona voan'ny coronavirus, mety hiverina ao anatin'ny fihibohana iny faritra iny... ♦ Oram-baratra : hifandimby amin'ny faritra maro amin'ity herinandro ity, mbola tsy hilatsaka kosa ny any atsimon'ny nosy... ♦ Fanonganam-panjakana tsy nahomby tany Turquie tamin'ny taona 2016: mbola manome baiko hisambotr'olona 324 ny fitondràna...

♦ Miaina toy ny andavanandro ihany ny Malagasy rehetra amin'ny fifidianana Loholona amin'ny zoma 11 desambra ho avy izao hoy ny CENI... ♦ Nitondra fanazavàna omaly ny ministry ny fanabeazam-pirenena, manoloana ilay resabe momba ny fampidirana mpianatra eny amin'ny sekoly manara-penitra... ♦ Niakatra fitsaràna omaly ny filoha frantsay teo aloha Nicolas Sarkozy, noho ny raharaha kolikoly sy fanararaotam-pahefàna...

♦ Naharitra 30minitra ny fotoam-pitsarana an'i Clémence Raharinirina androany, hivoaka ny zoma izao ny didim-pitsarana... ♦ Any amin'ny volana Marsa 2021 vao mety hifarana ny olan'ny kere. Tsy tokony hisy ny fifanenjehana amin'ireo rehetra manao hetsika fanampiana, hoy ny solombavambahoaka Masy Goulamaly... ♦ Fitrandrahana harintany any Chine : mpiasa miisa 23 no maty, sempotry ny entona mahafaty...

Zoma 11 desambra 2020 — Herinandro faharoa amin'ny Fiaviana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 11, 16-19 — Avia, ry Tompo, vangio am-piadanana izahay, mba hifalianay amin’ny fo lavorary.

Alakamisy 10 desambra 2020 — Herinandro faharoa amin'ny Fiaviana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 11, 11-15 — Asehoy anay, ry Tompo, ny hatsaram-ponao, ary omeo anay ny famonjena avy aminao.

07 desambra — Teraka ny 340 tao Trèves i Ambroise, taona nahafatesan'i Constantin II. Ambrosius no anaran'ny rainy, mpiasam-panjakana izy io, préfet du prétoire des Gaules. Teo amin'ny fahadimy amby roapolo taonany izy no lasa mpiasam-panjakana ambony, toa an-drainy ihany koa, tamin'ny fitantanana ny fanjakan'ny amperora tao Roma.

Alarobia 09 desambra 2020 — Herinandro faharoa amin'ny Fiaviana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 11, 28-30 — Indro ho avy ny Tompo hanavotra ny vahoakany, sambatra izay vonona ny hitsena Azy.

♦ Hitondra rijan-tenin-dalàna eny anivon'ny parlemanta ny ministeran'ny kolontsaina sy ny serasera, mba ho lasa lalàna eto Madagasikara ny fanatanterahana ny Tagnamaro... ♦ Azo antenaina ny hanamboarana ny seranam-piaramanidina ao Arivonimamo, rehefa tafapetraka any amin'ity distrika ity ilay tanàna vaovao... ♦ Voasokajy ho volana mafana indrindra eran'izao tontolo izao ny volana novambra lasa teo...

Talata 08 desambra 2020 — Masina Maria notorontoronina tsy azon-keloka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 1, 26-38  — Arahaba, ry Maria feno hasoavana ; ny Tompo ao aminao ; nosoavina noho ny vehivavy rehetra ianao.

♦ Andriamatoa Rija Rajhonson no masoivohon'i Madagasikara any anivon'ny fiketrahana masina any Vatican. Tamin'ny zoma maraina teo izy no nanolotra ny taratasy manendry azy ho amin'izany andraikitra izany, tamin'ny papa François... ♦ Tena mbola misy ny Coronavirus eto Madagasikara : Niampy olona 04 indray no namoy ny ainy vokatr'izany tao anatin'ny tapa-bolana... ♦ Mihadifotry ny krizy ara-pahasalamana hatrany ny any Etazonia, manodidina ny 230.000 isan'andro eo ny olona voatily fa mitondra ny tsimok'aretina Covid-19...

06 desambra — Teraka tao Patare, tananan'i Lycie tamin'ny taona 270 i Masindahy Nicolas. Fanta-daza tamin'ny fitiavam-bavaka ny ray aman-dreniny, ary tamin'ny fitalahoana am-bavaka no nahazoan'izy mivady ireo an'i Nicolas, satria tsy niteraka mihitsy izy ireo. Fa rehefa ela no nitalahoany tamin'ny Andriamanitra, dia nankatoaviny ny vavak'izy ireo.

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...