Alarobia 16 desambra 2020 — Herinandro fahatelo amin'ny Fiaviana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 7, 19-23 — Tongava, ry Tompo, ary aza ela : vahao ny fatoran’ny vahoakanao.

Papa Bio na antsoina hoe Ranaivoarisoa Basile, mpikaroka sy mpisehatra amin'ny fambolena biôlojika. Tantsaha mpisehatra amin'ny tontolo ambanivohitra tsy nitsaha-nikaroka mba hampalavorary ny fampandrosoana ny eny ambanivohitra amin'ny alalan'ny famokarana biôlôjika, miainga avy amin'ny fampiasana ny zezika kankana...

♦ Miasa mangiana amin'ny fitakiana ny hamerenana ny Nosy Malagasy ny Vovonana hanarenantsika ny Nosy Malagasy... ♦ Jirama : Tanjona ny hampihenàna ny vola haloa arakaraky ny fandaniana isam-bolana, hampiharina ny fanovàna ny fomba fanasokajiana ny sandan'ny herinaratra manomboka amin'ny taona 2021... ♦ Tetik'asa C-SPEM : Tanora maherin'ny 4.000 tamin'ny distrika miisa 74 no efa nahazo fiofanana fanamboarana arina fandrehatra miaro ny tontolo iainana...

 Talata 15 desambra 2020 — Herinandro fahatelo amin'ny Fiaviana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 21, 28-32 — Mitadiava ny Tompo dieny mbola mety ho hita Izy; miantsoa Azy dieny mbola akaiky Izy.

Alahady 13 desambra 2020 — Alahady fahatelo amin'ny Fiaviana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 1, 6-8. 19-28 — Ato amiko ny Fanahin’ny Tompo : nirahiny hitondra teny soa mahafaly amin’ny malahelo Aho.

10 desambra — Avy any Trawsfynydd, Pays de Galles i John Roberts. Ny finoana no nahatonga azy ho akaiky kokoa ny Fiangonana romanina noho ny Fiangonana Anglikana, izany no nahatonga azy ho mpianatra lalana tao Oxford, ary nanararaotra ny fandalovany tao Paris izy nankao amin'ny fiangonana Notre-Dame de Paris mba ho raisina ao amin'ny Fiangonana Katôlika ny taona 1598.

♦ IPS : (International Primatology Society) Fikambanana iraisam-pirenena ivondronan'ireo mpikaroka momba ny rajako sy ny varika, manerantany, efa nisy telopolo taona izao... ♦ Fanaloka : biby antsoina koa hoe ridarida na ambolaolo, mirefy 455mm hatramin'ny 495mm ny vatrany ary 140-220mm ny rambony, milanja 1,6 hatramin'ny 2.1kg izy... ♦ Ny rivo-doza : Rivomahery miforona noho ny tsindrin'ny atimôsifera sy ny hafanan'ny ranomasina, mety mitondra tafiotra sy oram-baratra...

09 desambra — Teraka ny 30 nôvambra 1565 tao Mirecourt i Pierre Fourier. Kristianina ny fianakaviany. Zaza voalohany amin'ny telo mirahalahy nateraky ny ray aman-dreniny izy. Narahan'i Pierre an-tsakany sy an-davany ny fampianarana nomena azy, dia ny fitiavam-bavaka, ny fanekena am-pitiavana, ny halemem-panahy ary ny fandosirana ny lainga.

♦ Mankalaza ny faha-20 taona niasany teo Madagasikara ny transparency international-Initiative Madagascar : isan'ny hanamarihan'izy ireo izany ny fampirantiana ety amin'ny Tahala rarihasina... ♦ Fanarenana ny toe-bolan'ny Jirama : 70% mahery tamin'ireo fifanarahana ara-barotra tamin'ireo orinasa mivarotra herinaratra no efa nohavaozina... ♦ Pape François : Hahazo indulgence manontolo ireo mpino katôlika tsy afaka hanatanteraka fivahinianana masina... 

♦ 09 desambra : andro iraisam-pirenena iadiana amin'ny kolikoly, i Mahajanga no hampiantrano ny hetsika... ♦ Jirama, hazavana an-dalambe : renivohitry ny distrika 50 ao anatina foibem-pitondrana iraisam-paritra miisa 06 no hisitraka hazavana mialohan'ny faran'ny taona... ♦ Nosokafan'ny Pape François omaly 08 desambra hatramin'ny 08 desambra 2021 ny taonan'i Md Josefa, misy ny taratasy apôstôlika mikasika izany mitondra ny lohateny hoe "Patris Corde" na "miaraka amin'ny fondray"...

♦ Fampielezan-kevitra fifidianana Loholona : Nisy tsy fanarahan-dalàna hoy ny KMFCNOE... ♦ Jirama : nanatanteraka hetsika " iray andro, tanàn-dehibe iray: caravane ho an'ny fahazavana, nanainga teny Ambohimanambola... ♦ Nampihatra sazy ara-bola tamin'ny teratany sinoa miisa 14 ny amerikana noho ny fanilikilihana olomboafidy avy any Hong kong nataon'izy ireo...

Alatsinainy 14 desambra 2020 — Herinandro fahatelo amin'ny Fiaviana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 21, 23-27 — Ho avy ny Tompo, tsenao izy ; Izy no Mpanjakan’ny fiadanana.

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...