Mardi 13 avril 2021 — Deuxième semaine du Temps pascal — Il faut que le Fils de l’homme soit élevé, afin qu’en lui tout croyant ait la vie éternelle — Évangile de Jésus-Christ selon saint Jean 3, 7-15

Dia ny resaka ifanaovan’i Jesoa amin’i Nikôdema ihany no Evanjely naroson’ny Fiangonana ho sakafom-panahintsika anio. I Jesoa no Lalana sy Fahamarina ary Fiainana. Tsy misy afaka makany amin’ny Ray raha tsy amin’ny alalany. Izy irery ihany no afaka manambara amintsika ny momba ny Lanitra. Isika moa avy amin’ny tany ihany ka ny momba ny eto an-tany no fatatsika sy takatry ny saintsika. Kanefa indro fa noborahany amintsika ny momba ny Fanjakan’ny Lanitra satria Izy irery ihany no avy any an-danitra nidina tety an-tany.

Noho izany ezahantsika ifikirana ny marina ambarany, ny Teniny satria teny feno ny fahamarinana sy ny fiainana. Ny finoana dia ny fifikirana sy firaiketana amin’izay ambarany satria marina mandrakariva, azo itokisana tanteraka ka hanana ny fiainana mandrakizay. Na i Nikôdema, manam-pahaizana sy mpampianatra tao amin’i Israely aza tsy nahazo ny tenin’i Jesoa hoe : “tsy maintsy ateraka indray ny olona vao mahazo miditra ny Fanjakan’ny Lanitra” araka ny Evanjely nohenointsika omaly.

Tsy isika akory ny mahalala noho ny hafa ny momba ny Fanjakan’ny Lanitra na momba ny lanitra. Misy ireo matoky tena ho tafiditra any an-danitra kanefa ny tongony aza tsy miditra eo an-tokonam-baravaram-piangonana akory. Misy ireo mahafoy ny haren’ny tany, mandany mondrokely mba ahazoana ny fiainana any an-danitra. I Jesoa ihany no mampiditra antsika amin’ny tontolo misy an’Andriamanitra, dia ny Fankan’Andriamanitra. Ny olona tso-po, ny olona mahay manetry tena no ho tonga miaraka amin’i Jesoa any amin’ny Fanjakan’ny Lanitra. Ho azy ireo, ny Lanitra no Fanjakany, tanjon’ny fiainany, ny Lanitra no katsahiny na dia mbola eto an-tany aza izy ; koa fitaovana entiny mikatsaka ny Lanitra ireo harena eto an-tany eo am-pelatanany.

Mankalaza ny Paka isika miaraka amin’i Jesoa nandresy ny fahafatesana sy nitsangan-ko velona, io no fototra iorenan’ny finoantsika ary mitondra antsika mizotra mankany an-danitra tanindrazantsika. Koa vanim-potoana hanamafisana ny finoana izao. Ny finoana izay aina mamelona antsika sy hery entintsika miasa isan’andro. Amen !

Diocèse de Miarinarivo

Le Pape François a accepté la renonciation au gouvernement pastoral du Diocèse de Miarinarivo, présentée par S.E. Mgr Jean Claude Randrianarisoa. Au même temps, le Souverain Pontife a nommé S.E Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, comme Admnistrateur Apostolique sede vacante et ad nutum Sanctae Sedis du même Diocèse.

Lire la suite...

Noël est vraiment jour de grâce, si...

Le Père Innocent Bizimana, Provincial des Salésiens de Don Bosco de Madagascar et de l'Île Maurice, nous présente, au nom de toute la Famille Salésienne de la Province, les vœux de bonheur en cette Solennité de la Nativité du Seigneur.

Lire la suite...

Zatti, notre frère

Le court métrage "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) se concentre sur l’un des épisodes les plus difficiles de sa vie. Nous sommes à Viedma, en 1941: à 60 ans, Zatti est contraint de quitter l’hôpital qu’il a fréquenté pendant des décennies. Sa foi et sa force sont mises à l’épreuve.

Lire la suite...