Vakiteny voalohany

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 4, 1-8)

Nino an’Andriamanitra i Abrahama ka izany no notanana ho fahamarinany.

Ry kristianina havana,
inona àry no holazaintsika ny amin’i Abrahama razantsika,
fa azony araka ny nofo?
Raha noho ny asa no nanamarinana an’i Abrahama,
dia manana hireharehana ihany izy;
nefa tsy manana izany akory izy, eo anatrehan’Andriamanitra.
Fa ahoana hoy ny Soratra Masina?
Izao: nino an’Andriamanitra i Abrahama,
ka izany no notanana ho fahamarinany.
Satria amin’izay miasa,
dia tsy heverina ho fahasoavana ho azy ny karama,
fa hoe trosa;
ary amin’izay tsy miasa,
fa mino an’Ilay manamarina ny ratsy fanahy,
no tanana ho fahamarinana ho azy ny finoany,
araka ny lahatry ny fahasoavan’Andriamanitra.
Izany no ilazan’i Davida ny hasambaran’ny olona
itanan’Andriamanitra fahamarinana tsy aman’asa hoe:
Sambatra ny olona izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany;
sambatra ny olona tsy hitanan’Andriamanitra heloka.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 31, 1-2. 5. 11

Ianao no fiereko miaro amin’ny loza.

Sambatra izay afa-keloka sy voavela ota!
Eny, sambatra ny olona
tsy itanan’ny Tompo hadisoana
sy tsy misy fitaka eo am-bava!

Koa nitsorako taminao ny otako;
tsy nafeniko Anao ny hadisoako.
Miaiky heloka aho, Tompo! hoy aho:
dia nesorinao ny hadisoana sy ny ota!

Mifalia ao amin’ny Tompo!
miravoa, ry olo-marina!
Mihobia avokoa,
ry mahitsy fo!

Evanjely

Aleloia. Aleioia.

Mamirapiratra tahaka ny fahazavana amin’izao tontolo izao ianao, satria mitana ny tenin’ny fiainana.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 12, 1-7)

Na dia ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa.

Tamin’izany andro izany,
tafangona an’arivony maro ny olona
ka efa nila hifanosy mihitsy,
dia niteny tamin’ny mpianany i Jesoa nanao hoe:

“Tandremo aloha indrindra
sao voan’ny lalivain’ny Farisianina ianareo,
izany hoe: ny fihatsarambelatsihy.
Fa tsy misy takona izay tsy haseho,
na miafina izay tsy ho fantatra.
Koa izay rehetra nolazainareo tao amin’ny maizina
dia ho re ao amin’ny mazava,
ary izay nobitsihinareo tamin’ny sofina tao an-trano,
dia hotorìna eny an-tafon-trano.
Ka izao no lazaiko aminareo sakaizako:
Aza matahotra izay mahafaty ny nofo,
nefa rahefa izany tsy afa-manoatra intsony;
fa hany tokony hatahoranareo dia izao:
matahora izay manam-pahefana hamarina any amin’ny afobe
rahefa novonoiny ianareo;
eny, hoy Aho aminareo, matahora azy.
Moa tsy ilavoamena va no vidin’ny fody dimy?
Kanefa tsy misy hadinoina eo anatrehan’Andriamanitra amin’ireny
na dia iray aza.
Fa na dia ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa.
Koa aza matahotra àry,
fa mihoatra lavitra noho ny fody maro ianareo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 3, 21-30)

Ny finoana no anamarinana ny olona fa tsy ny asan’ny Lalàna.

Ry kristianina havana,
ankehitriny, tsy amin’ny lalàna,
dia naseho ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra,
izay nambaran’ny Lalàna sy ny Mpaminany,
dia fahamarinana avy amin’Andriamanitra,
noho ny finoana an’i Jesoa Kristy,
ho an’ny mpino rehetra;
satria tsy misy avaka,
fa samy efa nanota ihany izy rehetra,
ka tsy manana ny voninahitr’Andriamanitra,
fa hamarininy maimaim-poana amin’ny fahasoavany
noho ny fanavotana izay ao amin’i Kristy Jesoa.
Fa Izy no natsangan’Andriamanitra am-pahibemaso
ho sorom-pifonana amin’ny rany noho ny finoana,
mba hampiharihary ny fahamarinany
noho izy tsy dia namaly loatra ny fahotana fahiny
tamin’ny andron’ny fandeferany,
dia hampiharihary ny fahamarinany Izy
amin’ny andro ankehitriny,
mba ho hita ho marina sady manamarina izay manam-pinoana an’i Jesoa.
Koa aiza ary no hireharehana?
Efa nofoanana izany;
fa tamin’ny lalàna inona?
Tamin’ny lalàn’ny asa va?
Tsia, fa tamin’ny lalàn’ny finoana;
satria miaiky marina isika
fa ny finoana no anamarinana ny olona,
fa tsy ny asan’ny Lalàna.
Sa Andriamanitry ny Jody ihany Andriamanitra,
fa tsy mba Andriamanitry ny Jentily koa?
Eny, Andriamanitry ny Jentily koa Izy,
satria Andriamanitra iray ihany
no hanamarina ny voafora amin’ny finoana,
sy ny tsy voafora amin’ny finoana koa.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 129, 1-2. 3-4b. 4d-6

Fa hatsaram-po no ao amin’ny Tompo ary fanavotana lehibe.

Avy ato anaty hantsana aho, ry Tompo, no miantso.
Tompo ô, henoy izany feoko.
Ho tandrin-tsofinao anie ny antsoko miangavy.
He! fa mitoreo izato feoko.

Raha tsikilovinao irony heloka natao,
zovy re, ry Tompo, no haharitra?
Saingy eo anilanao no hahitako famelana.
Toky ho ahy Ianao, ka dia toaviko.

Ny Tompo no antenain’ny fanahiko hatrany,
vonona aho miandry izany teniny.
Manoatra ny mpiambina miandry ny maraina,
no aoka hiandrasantsika an’Andriamanitra.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ampianaro ahy, ry Tompo ny lalanao, ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 47-54)

Hampamoahina azy ny ran’ny mpaminany, hatramin’ny ran’i Abela ka hatramin’ny ran’i Zakaria.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny Farisianina sy ny nipanora-dalàna nanao hoe:

“Loza ho anareo,
fa manao fasana ho an’ny mpaminany ianareo,
kanefa ny razanareo ihany no namono azy!
Koa mitsangan-ko vavolombelona sy mpankasitraka ny nataon’ny razanareo ianareo,
fa izy moa namono ny mpaminany,
ianareo kosa manao fasana ho azy.
Izany no nanaovan’ny fahendren’Andriamanitra hoe:

‘Haniraka mpaminany sy Apôstôly ho any aminy Aho,
ka ny sasany hovonoiny ary ny sasany hoenjehiny,
mba hampamoahina an’itý taranaka itý avokoa
ny ran’ny mpaminany rehetra
izay nalatsaka hatramin’ny nahariana an’izao tontolo izao.
Dia hatramin’ny ran’i Abela ka hatramin’ny ran’i Zakaria
izay novonoina tanelanelan’ny ôtely sy ny tempoly.’

Eny, lazaiko aminareo
fa hampamoahina an’izany tokoa itý taranaka itý.
Loza ho anareo, ry mpampianatra ny Lalàna,
fa nalainareo ny fanalahidin’ny fahalalana,
ka ianareo tsy niditra,
ny te-hiditra nosakananareo.”

Raha mbola niteny izany Izy,
dia nododonan’ny Farisianina sy ny mpanora-dalàna,
ary nozezehany fanontaniana maro,
mba hamandrihany Azy
sy hahazoany vava latsaka hiampangana Azy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 2, 2-11)

Haja amam-boninahitra ho an’izay manao ny tsara: ho an’ny Jody aloha, vao ho an’ny Jentily koa.

Tsy azo alàn-tsiny ianao, ry olona,
na zovy na zovy ianao no mitsara,
dia tsy manan-kalahatra ianao,
fa amin’ny fitsaranao ny hafa,
dia manameloka ny tenanao koa ianao,
satria toy ny ataon’ny hafa ihany koa no ataonao mitsara.
Fantatsika anefa fa marina ny fitsaran’Andriamanitra an’izay manao toy izany;
ka moa ataonao va, ry olona,
fa ianao mitsara ny manao izany, nefa manao koa,
dia ho afa-mandositra ny fitsaran’Andriamanitra?
Sa, saingy be famindram-po sy fandeferana amam-piaretana Izy
ka dia tsy ahoanao?
Tsy fantatrao va fa ny hatsaram-pon’Andriamanitra
dia mitaona anao hibebaka?
Fahatezeran’Andriamanitra anie no angonin’ny ditranao
sy ny fonao tsy mibebaka ho anao,
amin’ny andron’ny fahatezerana sy fampisehoana ny fitsarana marin’Andriamanitra e!
dia Ilay hamaly ny olona rehetra araka ny asany avy:
fiainana mandrakizay moa ho an’izay maharitra manao ny tsara
ka mitady ny haja amam-boninahitra sy ny tsy fahafatesana;
fa fahatezerana amam-pahavinirana kosa
ho an’izay fatra-pikiry sy tsy manaiky ny marina,
fa mpanaraka ny ratsy.

Eny, fahoriana aman-tebiteby no ho an’izay manao ny ratsy,
dia ho an’ny Jody aloha vao ho an’ny Jentily koa;
fa haja amam-boninahitra sy fiadanana kosa
ho an’izay manao ny tsara,
dia ho an’ny Jody aloha vao ho an’ny Jentily koa,
satria Andriamanitra tsy mizaha tavan’olona.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 61, 2-3. 6-7. 9

Ianao mamaly ny olona araka ny asany.

Ao amin’Andriamanitra no iadanan’ny fanahiko.
Avy aminy tokoa no nahazoako fanavotana,
ary Izy irery ihany moa no tena vatolampiko,
sady Izy irery ihany koa no tena fanavotana.
Mijoro tsy hihontsona aho fa Izy re no rovako.

Ianao, ry fanahiko, katsaho ny fiadanana,
ao amin’Andriamanitra izay antenaiko fatratra,
ary Izy irery ihany moa no tena vatolampiko.
Sady Izy irery ihany koa no tena fanavotana,
mijoro tsy hihontsona aho;
fa Izy re no rovako.

Aminy ametrahana ny toky, ry vahoakany,
dia Izy no ilazao ny ahiahy fa itokisana.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana. Ankamasino amin’ny fahamarinana izahay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 42-46)

Loza ho anareo, Farisianina, fa mampitondra entan-tsy zaka ianareo.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nilaza hoe:

“Loza ho anareo, ry Farisianina,
satria ny fahafolon’ny solila sy ny rota ary ny anana rehetra aloanareo,
ary ny rariny sy ny fitiavana an’Andriamanitra tsy asianareo raharaha akory;
nefa tsy maintsy atao izany,
ary tsy azo ajanona koa ny sisa.
Loza ho anareo, ry Farisianina,
fa tia ny toerana voalohany ao amin’ny sinagôga
sy ny arahaba eny an-kianja ianareo.
Loza ho anareo,
fa toy ny fasana tsy hita ianareo,
ka hitsahin’ny olona fa tsy fantany.”

Dia niteny ny mpampiana-dalàna anankiray
ka nanao taminy hoe:

“Ry Mpampianatra ô, raha izany no ataonao,
dia manala baraka anay koa Ianao.”

Fa hoy i Jesoa:

“Loza ho anareo koa,
ry mpampianatra ny Lalàna,
fa mampitondra entan-tsy zaka ny olona ianareo,
nefa na dia ny rantsan-tananareo iray aza
tsy akasikareo an’izany akory.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 1, 16-25)

Nahalala an’Andriamanitra izy ireo nefa tsy nankalaza Azy ho Andriamanitra.

Ry kristianina havana,
tsy menatra ny Evanjely aho,
satria herin’Andriamanitra izany ho famonjena izay rehetra mino,
dia ny Jody aloha, vao ny jentily.
Fa ambara mazava ao aminy ny fahamarinan’Andriamanitra
avy amin’ny finoana ho amin’ny finoana, araka ny voasoratra hoe:

“Ho velona noho ny finoana ny olo-marina.”

Fa hita miharihary avy any an-danitra ny hatezeran’Andriamanitra,
mamely ny tsy fanajana an’Andriamanitra
sy ny tsy fahamarinan’ireo olona izay misakana ny marina
amin’ny tsy fahamarinany,
satria miseho miharihary ao aminy
izay mba mety ho fantatra momba an’Andriamanitra,
fa nasehon’Andriamanitra taminy izany.
Fa ny fombany tsy hita,
toy ny fahefany mandrakizay mbamin’ny maha-Andriamanitra Azy,
dia hitan’ny saina amin’ny asan-tanany
ka miseho amin’ny zava-boaary rehetra;
koa tsy afa-miala tsiny izy ireo,
fa nahalala an’Andriamanitra izy,
nefa tsy nankalaza Azy ho Andriamanitra na nisaotra Azy;
fa nanjary zava-poana izy tamin’ny fisainany,
ary tonga maizina ny fony donto.
Nihambo ho hendry izy, ka tonga adala,
fa ny voninahitry ny Andriamanitra tsy mety lò,
dia nosoloany sarin-javatra mety lò,
toy ny olombelona,
na ny vorona,
na biby mandady tongotra efatra,
na biby mikisaka.
Noho izany,
dia navelan’Andriamanitra izy ireo
hoentin’ny filan-dratsin’ny fony ho amin’ny fahalotoana,
mba hifanala baràka amin’ny tenany
ary nosoloany lainga ny fahamarinan’Andriamanitra,
ary naleony ny zava-boaary no nivavahana sy notompoina
toy izay ny Nahary izay isaorana mandrakizay. Amen!

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 18, 2-3. 4-5

Ny lanitra mitanisa ny voninahitr’Andriamanitra.

Ny lazan’ny Tompo ambaran’ny lanitra.
Ny asany kosa torìn’ny habakabaka.
Ny andro milaza amin’ny andro manaraka.
Ny alina indray mitantara amin’ny alina.

Tsy teny lazainy, tsy volana ambarany,
tsy feo mba manako ho renesin’ny sofina:
kanefa dia tsinjo eran-tany ny baikony;
miely tsy tana ny hafatra entiny.

Evanjely

Aleloia. Aleioia.

Araikao amin’ny Fanambaranao ny foko, ry Tompo, ary ny lalànao no aoka hanenika ahy.

Aieloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 37-41)

Manaova fiantrana araka izay anananareo, dia hadio ho anareo ny zavatra rehetra.

Tamin’izany andro izany,
dia nisy Farisianina anankiray nanasa an’i Jesoa hisakafo ao aminy,
ka niditra Izy dia nipetraka nihinana.
Fa velona eritreritra ilay Farisianina
nahita itý Izy tsy nisasa alohan’ny fihinanana,
ka hoy ny Tompo taminy:

“Ianareo Farisianina kosa iky
mandio ny vohon’ny kapoaka sy ny lovia,
kanefa ao anatinareo feno halatra sy faharatsiana.
Ry adala,
moa izay manao ny vohony tsy manao ny atiny koa?
Izao ihany:
manaova fiantrana araka izay anananareo,
dia hadio ho anareo ny zavatra rehetra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 1, 1-7)

I Jesoa Kristy no nandraisanay ny fahasoavana sy ny maha-Apôstôly anay, mba hampanaiky ny jentily rehetra ny finoana.

Izaho Paoly, mpanompon’i Kristy Jesoa,
voaantso ho Apôstôly sy voatokana hitory ny Evanjelin’Andriamanitra,
— izay nampanantenainy rahateo tamin’ny alalan’ny mpaminany ao amin’ny Soratra Masina,
momba ny Zanany (izay nateraky ny taranak’i Davida araka ny nofo,
ary naseho tamin-kery ho Zanak’Andriamanitra tamin’ny fitsanganan-ko velona
araka ny fanahin’ny fahamasinana),
dia i Jesoa Kristy Tompontsika,
izay nandraisanay ny fahasoavana sy ny maha-Apôstôly anay
mba hampanaiky ny jentily rehetra ny finoana, amin’ny Anarany,
ary anisan’ireny koa ianareo, noho ny fiantsoan’i Jesoa Kristy:
— mamangy anareo rehetra malalan’Andriamanitra any Rôma,
izay olo-masina voaantsony:
homba anareo anie ny fahasoavana amam-piadanana
avy amin’Andriamanitra Raintsika, sy i Jesoa Kristy Tompo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 97, 1-2. 3ab. 3de-4

Ny Tompo manambara ny famonjeny.

Ihirao hira vao ny Tompo:
fa nahavita zava-mahagaga!
Namonjy azy ny tanany havanana,
nanampy azy ny sandriny masina!
Ny Tompo nanambara ny famonjeny,
sy naneho ny fahamarinany tamin’ireo firenena.

Tsarovy, ry Tranon’i Israely,
ny hatsaram-po sy fahamarinany.
Zahao ry vazan-tany rehetra
ny famonjen’ny Andriamanitray.

Mihobia ny Tompo, ry tany tontolo,
mientàna, mihobia sy miantsà.
Miantsà ny Tompo amim-baliha sy hira fiantsàna,
amin’antsiva sy feon’anjomara.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny fitsipikao, ry Tompo, mahafaly ny fo; ny baikonao mazava manilo ny maso.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 29-42)

Tsy homena afa-tsy ny famantaran’i Jônasa mpaminany ianareo.

Tamin’izany andro izany,
nitangorona betsaka ny vahoaka, dia nilazan’i Jesoa hoe:

“Taranaka ratsy itý taranaka itý;
mitady famantarana izy,
nefa tsy homena afa-tsy ny famantaran’i Jônasa mpaminany.
Fa tahaka ny naha-famantarana an’i Jônasa tamin’ny olona tany Niniva
no haha-famantarana ny Zanak’Olona koa amin’itý taranaka itý.
Hiara-mitsangana amin’ny olona amin’itý taranaka itý
ny mpanjakavavy avy any Atsimo
amin’ny andro fitsarana ka hanameloka azy,
satria niala avy tany amin’ny fara vazan-tany izy
hihaino ny fahendren’i Salômôna,
nefa indro misy mihoatra noho i Salômôna eto.
Hiara-mitsangana amin’itý taranaka itý
ny olona tany Niniva
amin’ny andro fitsarana ka hanameloka azy,
satria nibebaka tamin’ny toritenin’i Jônasa izy ireny,
nefa indro misy mihoatra noho i Jônasa eto.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 25, 6-10a)

Hanomana fanasana ny Tompo, ary hamafa ny ranomaso amin’ny tava rehetra.

Amin’izany andro izany,
ny Tompon’ny tafika hanomana fanasana amin’ity tendrombohitra ity,
ho an’ny firenena rehetra, dia fanasana amin’ny hena matavy,
fanasana amin’ny divay ela niotrehana, hena matavy sy be tsoka,
divay ela niotrehana sy voatantavana.
Horovitiny eto amin’ity tendrombohitra ity ny voaly manarona ny olona rehetra,
mbamin’ny rakotra mandrakotra ny firenena rehetra.
Ny fahafatesana hofoanany tsy hisy mandrakizay;
Andriamanitra Tompo hamafa ny ranomaso amin’ny tava rehetra;
ny henatry ny vahoakany hoesoriny tsy hisy amin’ny tany rehetra;
fa efa niteny ny Tompo.
Izao no holazain’ny olona amin’izany andro izany:

“Indro ny Andriamanitsika izay niankinantsika mba ho voavonjy;
dia ny Tompo izay nantenaintsika.
Aoka isika hanao fifaliana sy hiravo amin’ny famonjeny”.

Fa ny tanan’ny Tompo hipetraka amin’ity tendrombohitra ity.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 22, 1-3a. 3b-4. 5. 6

Ny tranon’ny Tompo no fonenana taona maro mifandimby.

Ny Tompo miandry ahy:
tsy orin’inoninona aho,
fa ampiraotiny amin’ny vilo-maitso,
entiny eo amin’ny rano manala sasatra,
velombelominy noho ny Anarany.

Tarihiny amin’ny lala-marina.
Na mamaky lohasaha maizina aza aho,
tsy misy loza atahorako:
satria Ianao miaraka amiko,
ireo tehinao mampatoky ahy.

Mandroso sakafo ho ahy Ianao
eo anoloan’ny rafiko:
ny loha andrarahanao ilo,
ny kapoaka ataonao safomorona.

Hasambarana sy fitiavana
no manjohy amin’ny fiainana tontolo;
ny tranon’ny Tompo no ho fonenako
amin’ny taona mifandimby.

Vakiteny faharoa

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Filipy (Fil. 4, 12-14. 19-20)

Efako ny zavatra rehetra eo amin’Ilay mankahery ahy.

Ry kristianina havana,
haiko ny mihafy, haiko ny manam-be.
Efa nianatra ny ho voky sy ny ho noana aho,
ary ny hanam-be sy ny tsy hanana na inona na inona,
na aiza na aiza, ary na amin’inona na amin’inona.
Mahefa ny zavatra rehetra aho, amin’Ilay mankahery ahy;
nefa tsara ny nataonareo niombom-pahoriana tamiko.
Fa Andriamanitro kosa no hamonona izay ilainareo rehetra,
araka ny hareny,
hampombainy voninahitra ao amin’i Kristy Jesoa izany.
Ho an’Andriamanitra Raintsika anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay!
Amen.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny teninao, ry Tompo no fahamarinana; ankamasino amin’ny fahamarinana izahay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 22, 1-14)

Asao ho aty amin’ny fampakaram-bady avokoa izay hitanareo.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nanao ity fanoharana ity tamin’ny lohandohan’ny mpisorona
sy ny zokiolona nanao hoe:

“Ny Fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny andriamanjaka anankiray
izay nanao fanasana tamin’ny fampakaram-badin’ny zanany lahy,
ka naniraka ny ankiziny hanainga izay efa nasaina,
ho any amin’ny fampakaram-bady,
fa tsy nety nankany ireo.
Dia naniraka ankizy hafa indray izy nanao hoe:
Lazao amin’ny nasaina hoe:

‘Indro efa voavoatra ny nahandro ary efa vonona avokoa ny zavatra rehetra,
koa tongava aty amin’ny fampakaram-bady ianareo’.

Nefa tsy nahoany akory izany, fa samy lasa nandeha izy,
ny iray nankany amin’ny sahany,
ny iray nankany amin’ny varony,
ary ny sasany nisambotra ny ankiziny,
ka nony efa notevatevainy dia novonoiny.
Tezitra ny mpanjaka nony nandre izany,
ka naniraka miaramila nandringana izany mpamono olona izany,
sy handoro ny tanànany.
Dia hoy izy tamin’ny ankiziny:

‘Efa voaomana ny fanasana amin’ny fampakaram-bady,
fa ny nasaina no tsy mendrika.
Koa mandehana ianareo any amin’ny fihaonan-dalana
ary asao ho aty amin’ny fampakaram-bady avokoa izay hitanareo’,

Dia niely eran’ny arabe ny ankiziny,
nanangona izay rehetra hitany na tsara na ratsy,
ka hipoka ny mpihinana ny trano fampakarana.

Ary niditra ny mpanjaka hizaha ny mpihinana,
ka nahita lehilahy anankiray
tsy niakanjo ny akanjo fitondra amin’ny fampakaram-bady,
dia hoy izy taminy:

‘Ry sakaiza, nahoana ianao no niditra eto
nefa tsy miakanjo ny akanjo fitondra amin’ny fampakaram-bady?’

Fa sina ilay olona:
ka hoy ny mpanjaka tamin’ny mpanompony:

‘Afatory ny tongotra aman-tanany,
ka ario any amin’ny maizina any ivelany io,
any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify’.

Fa maro no nantsoina, nefa vitsy no fidina”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny teninao, ry Tompo no fahamarinana; ankamasino amin’ny fahamarinana izahay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 22, 1-10)

Asao ho aty amin’ny fampakaram-bady avokoa izay hitanareo.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nanao ity fanoharana ity tamin’ny lohandohan’ny mpisorona
sy ny zokiolona nanao hoe:

“Ny Fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny andriamanjaka anankiray
izay nanao fanasana tamin’ny fampakaram-badin’ny zanany lahy,
ka naniraka ny ankiziny hanainga izay efa nasaina,
ho any amin’ny fampakaram-bady,
fa tsy nety nankany ireo.
Dia naniraka ankizy hafa indray izy nanao hoe:
Lazao amin’ny nasaina hoe:

‘Indro efa voavoatra ny nahandro ary efa vonona avokoa ny zavatra rehetra,
koa tongava aty amin’ny fampakaram-bady ianareo’.

Nefa tsy nahoany akory izany, fa samy lasa nandeha izy,
ny iray nankany amin’ny sahany,
ny iray nankany amin’ny varony,
ary ny sasany nisambotra ny ankiziny,
ka nony efa notevatevainy dia novonoiny.
Tezitra ny mpanjaka nony nandre izany,
ka naniraka miaramila nandringana izany mpamono olona izany,
sy handoro ny tanànany.
Dia hoy izy tamin’ny ankiziny:

‘Efa voaomana ny fanasana amin’ny fampakaram-bady,
fa ny nasaina no tsy mendrika.
Koa mandehana ianareo any amin’ny fihaonan-dalana
ary asao ho aty amin’ny fampakaram-bady avokoa izay hitanareo’,

Dia niely eran’ny arabe ny ankiziny,
nanangona izay rehetra hitany na tsara na ratsy,
ka hipoka ny mpihinana ny trano fampakarana.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Safidy inona no anananao eo anatrehan'ny tranga misy eto amin'ny firenena?. Safidy hampandroso an'i Madagasikara ve sa safidy vao mainka hampilentika noho ny fitiavantena. Mandalo fotoan-tsarotra ny firenentsika, ny vahaolana dia miankina amin'ny izay safidinao ihany. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

♦ Sampan’asa iray misahana ny fanohanana ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly ny sampan’asa fampielezana ny finoana… ♦ Napetraka tamin’ny fomba ofisialy omaly ireo masera avy amin’ny fikambanana “Petites Sœurs du Sacré-Cœur de Jésus”, izay hiasa ao amin’ny Distrika Antsapanana… ♦ Mila volena ao anatintsika ny toe-tsaina mahay mankasitraka an’Andrimanitra, hoy ny antson’ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Angélus…

Vakiteny voalohany

Bokin’i Joely Mpaminany (Joel. 4, 12-21)

Raiso ny antsy fijinjana, fa masaka ny vary.

Izao no lazain’ny Tompo:
Aoka hitsangana ny firenena ary aoka hiakatra izy
ho eny amin’ny lohasahan’i Jôsafata!
Fa any no hipetrahako hitsara ny firenena rehetra manodidina.
Raiso ny antsy fijinjana fa masaka ny vary ;
avia hanosihosy fa feno ny famiazam-boaloboka, mihoatra ny barika;
satria be ny haratsian’izy ireo.
Vahoaka be, vahoaka be, ao amin’ny lohasahan’ny Fitsarana!
Fa efa antomotra ny andron’ny Tompo
ao amin’ny lohasahan’ny Fitsarana!
Ny masoandro amam-bolana, mihamaizina,
afaka amin’ny kintana ny famirapiratany.
Hierona avy ao Siôna ny Tompo,
ary hampandre ny feony avy eo Jerosalema Izy;
hihorohoro ny tany aman-danitra.
Nefa ny Tompo no ho fialofana ho an’ny vahoakany,
ho fiarovana ho an’ny zanak’i Israely.
Dia ho fantatrareo fa Tompo Andriamanitrareo Aho,
izay monina ao Siôna tendrombohitro masina;
ho fitoerana masina i Jerosalema,
ka tsy hodiavin’ny hafa firenena intsony.
Amin’izany andro izany,
dia hitete avy amin’ny tendrombohitra rehetra ny divay vaovao;
ny havoana handriaka ronono;
ary ny lohasahan-driaka any Jodà,
hitsororohan’ny rano avokoa.
Hisy loharano hivoaka avy ao an-tranon’ny Tompo,
ka handena ny lohasahan’i Akasià.
I Ejipta kosa hanjary tany lao,
i Edôma ho efitra faharavana,
noho ny fahasiahana namelezany ny taranak’i Jodà,
fa nandatsaka ny ra tsy manan-tsiny teo amin’ny taniny izy ireo.
Ary i Jodà, honenana mandrakizay,
ary i Jerosalema koa, mandritra ny taona mifandimby.
Fa hosasako ny ran’izy ireo, izay mbola tsy voasasako.
Dia honina ao Siôna Andriamanitra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 96, 1-2. 5-6. 11-12

Mifalia, ry olo-marina eo imason’Izy Tompo.

Aoka hifaly izany tany, fa manjaka izao ny Tompo;
koa samia manao korana ianareo nosy maro;
fa ny rahona no lamba ihodidinan’ny mpanjaka, e!
ny rariny sy ny hitsiny, ijoroany ao an-drova.

Fa ny tany raha mahita tsy mitsaha-mihorohoro,
tendrombohitra amin’izany dia mitsonika mikoa.
Fahamarinany no tian’izany lanitra hambara;
voninahiny tazàno hita mason’ny vahoaka.

Ny hazavana vao mitranga, ny olo-marina no tràny,
ka somebin-karavoana izay mahitsy fo rehetra.
Mifalia, ry olo-marina eo imason’Izy Tompo!
Eny, masina ny Anarany, tongava ianao hisaotra.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Omeo fahalalana aho, ry Tompo, hitandremako ny lalanao ary hanarahako azy amin’ny foko tontolo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 27-28)

Sambatra ny kibo izay nitondra Anao! Fa vao mainka sambatra izay mihaino ny tenin’Andriamanitra.

Tamin’izany andro izany,
nisy vehivavy anankiray niantso teo afovoan’ny vahoaka
ka nanao tamin’i Jesoa hoe:

“Sambatra ny kibo izay nitondra Anao,
sy ny nono izay ninonoanao!” —

“Fa vao mainka sambatra aza, hoy i Jesoa,
izay mihaino ny tenin’Andriamanitra ka mitandrina azy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Nanomboka ny hetsika diabe am-pilaminana teny Itaosy indray androany ny vondron'ireo kandidà ho filoham-pirenena... ♦ Namoaka fanambarana fanairana mitaky ny tsy hanaovana ny rafi-pitsarana entina hanaovana ramatahora ary ny tsy hisian'ny tsindry na avy aiza na avy aiza ny sendikan'ny mpitsara eto Madagasikara na ny SMM... ♦ Mbola tsy nisy hatramin'izao ny fanambarana amin'ny tsy handraisan'ny vondron'ny kandidà amin'ny fifidianana afaka iray volana, hoy ny filohan'ny CENI... ♦ Manao ranolava ny fanambarana fanamelohana avy amin'ny fianakaviambe iraisam-pirenena manoloana ny tranga tany Israely...

Vakiteny voalohany

Bokin’i Joely Mpaminany (Joel. 1, 13-15 ; 2, 1-2)

Ny andron’ny Tompo, dia andro maizina sy manjombona.

Mietrà, mitolokoa, ianareo mpisorona;
midradradradrà ianareo mpanao fanompoana momba ny ôtely!
Avia hiari-tory mitafy lasàka, ianareo mpandraharahan’Andriamanitro,
fa ny fanatitra amam-panatitra araraka
dia voatana lavitra ny tranon’Andriamanitrareo.
Miantsoa fifadian-kanina;
mamoria fiangonana;
vorio ny loholona,
izay rehetra monina amin’ny tany,
ao an-tranon’ny Tompo Andriamanitrareo,
ka mitaraina amin’ny Tompo hoe:

“Indrisy itý andro itý!”

fa efa antomotra ny andron’ny Tompo!
Tamy toy ny fandravana avy amin’ny Tsitoha!
Tsofy ao Siôna ny anjomara;
ary ampanenoy ao an-tendrombohitro masina ny trômpetra.
Ary aoka hangovitra ny mponina rehetra amin’ny tany,
fa tonga ny andron’ny Tompo, fa efa antomotra!
Andro maizina sy manjombona,
andro mandrahona sy manjavona mainty!
Toy ny fahazavan’ny maraina, manerana ny tendrombohitra,
no iavian’itý firenena maro sady mahery,
tsy mbola nisy toy izany hatrizay hatrizay,
ary tsy hisy toy izany any aoriana any,
hatramin’izay taon-ko avy amin’ny andro mbola ho ela indrindra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 9, 2-3. 6 sy 16. 8-9

Mitsara an’izao tontolo izao amin’ny fahamarinana ny Tompo.

Midera ny Tompo amin’ny foko tontolo aho,
mitanisa ny asanao mahagaga rehetra,
mifaly sy miravo ao aminao,
miantsa ny Anaranao, ry Avo indrindra!

Faizinao ireo firenena; aringanao ny olon-dratsy;
ny anarany kosehinao ho faty mandrakizay!
Ireo firenena lavo an-kady nohadìna;
ny tongony, voasingotry ny harato nafenina.

He! jereo: mitoetra ny Tompon’izao rehetra izao;
mijoro ny Fiketraham-pitsarany:
mitsara an’izao tontolo izao ara-drariny Izy,
sy mifehy ny vahoaka araka ny hitsiny.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

I Jesoa Kristy Mpamonjy antsika no nanafoana ny fahafatesana sy nanambara ny fiainana tamin’ny Evanjely.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 15-26)

Raha ny rantsan-tanan’Andriamanitra no androahako ny demony dia efa tonga aminareo ny fanjakan’Andriamanitra.

Tamin’izany andro izany,
rahefa avy nandroaka demony i Jesoa,
dia niteny ny sasany tamin’izay teo nanao hoe:

“I Belzeboba lehiben’ny demony
no androahany ny demony.”

Ary ny sasany kosa naka fanahy Azy
ka nangataka famantarana avy any an-danitra taminy.
Fa i Jesoa nahalala ny heviny ka nanao taminy hoe:

“Rava izay fanjakana miady an-trano;
mianjera mifanongoa ny trano;
ka raha miady an-trano àry i Satana,
ahoana no haharetan’ny fanjakany?
satria lazainareo fa i Belzeboba
no androahako ny demony.
Ary raha amin’ny herin’i Belzeboba àry no androahako ny demony,
amin’ny herin’iza kosa no androahan’ny zanakareo azy?
Koa izy ireo ihany no ho mpitsara anareo.
Fa raha ny rantsan-tanan’Andriamanitra
no androahako ny demony
dia efa tonga aminareo tokoa ny fanjakan’Andriamanitra.
Raha lehilahy matanjaka sy àry fiadiana tsara
no miambina ny tranony,
dia voaaro ny fananany rehetra;
fa raha tonga kosa ny mahery noho izy, ka mandresy azy,
dia sady hahalasa ny fiadiany rehetra izay nitokiany
no hizara izay nobaboiny.
Izay tsy momba Ahy, dia manohitra Ahy,
ary izay tsy miara-mamory amiko dia manahaka.

Raha mivoaka amin’ny olona ny fanahy maloto,
dia mandehandeha mitady fialan-tsasatra
eny amin’ny tanety maina izy,
ka nony tsy mahita dia manao hoe:

‘Hody any an-tranoko izay nivoahako aho.’

Ary nony tonga izy dia mahita azy voadio sy voaravaka,
ka mandeha maka fanahy fito ratsiratsy kokoa noho izy,
dia miditra ireo ka mitoetra eo.
Ary ny faran’izany olona izany
dia tonga ratsiratsy kokoa noho ny voalohany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Bokin’i Malakia Mpaminany (Malak. 3, 13-20a)

Indro avy ny andro, mivaivay toy ny memy.

Mafy loatra ny teninareo mamely Ahy, hoy ny Tompo.
Ary hoy ianareo:

“Inona no resakay momba Anao?”

Izao no nolazainareo:

“Zava-poana ny manompo an’Andriamanitra;
inona no soa azontsika tamin’ny fitandremana ny didiny
sy tamin’ny fandehanana niory teo anatrehan’ny Tompon’ny tafika?
Fa ankehitriny indro ny tsy mivavaka no lazaintsika hoe: sambatra;
fa ambinina izay manao ny ratsy;
maka fanahy an’Andriamanitra izy, nefa afa-potsiny.”

Tamin’izany, izay natahotra an’Andriamanitra,
dia samy niresaka tamin’ny namany avy.
Ary ny Tompo kosa nihaino ka nahare Izy;
ary nisy boky fahatsiarovana nosoratana teo anatrehany,
ho an’ireo matahotra ny Tompo sy manaja ny Anarany.
Amin’ny andro efa omaniko, hoy ny Tompon’ny tafika,
ho raki-tsoa manokana ho Ahy ireo,
ary ho feno fitiavana azy Aho
ho toy ny mahafeno fitiavana ny olona amin’ny zanany manompo azy.
Ka dia ho hitanareo indray,
ny tsy fitovian’ny marina sy ny ratsy fanahy,
ny manompo an’Andriamanitra sy ny tsy manompo Azy.

Fa indro avy ny andro, mivaivay toy ny memy.
Ny mpiavonavona rehetra, sy ny mpanao ratsy rehetra dia ho mololo,
ary ny andro izay ho avy no handoro azy, hoy ny Tompon’ny tafika,
ka tsy hasiany miangana na ny fakany na ny rantsany.
Fa ianareo kosa izay matahotra ny Anarako,
dia hiposahan’ny Masoandron’ny fahamarinana,
ka ho ao amin’ny tana-masoandrony ny fanasitranana.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 1, 1-2. 3. 4 sy 6

Sambatra ny olona mametraka ny fitokiana amin’ny Tompo.

Endrey ny hasambaran’ny olona tsy manaraka ny hevitry ny ratsy fanahy,
tsy mandeha amin’ny Lalan’ny mpanota na monina amin’ny fonenan’ny mpaneso;
fa ny Lalàn’ny Tompo no sitrany;
ny Lalàny no saininy andro aman’alina!

Toy ny hazo maniry amoron-drano velona izy:
mamokatra ara-potoana, tsy malazo ravina;
izay rehetra ataony
mahomby avokoa!

Tsy mba toy izany ny ratsy fanahy:
fa mova tsy akofa paohin-drivotra!
Fa ny lalan’ny olo-marina, fantatry ny Tompo;
ny lalan’ny mpanota kosa mamery.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 5-13)

Mangataha dia hahazo ianareo.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Raha misy aminareo manan-tsakaiza
mankao aminy misasaka alina ka manao aminy hoe:

‘Ry sakaiza,
ampisambory mofo telo aho,
fa misy sakaizako nandeha nivahiny ka tonga ao amiko,
nefa tsy manan-katolotra azy aho’,

ary ilay tompon-trano kosa hamaly ka hanao hoe:

‘Aza manahirana ahy, fa ny varavarana efa mihidy;
izaho sy ny zanako efa tafandry
ka tsy afaka hifoha hanome anao aho.’

Lazaiko aminareo,
fa raha maharitra mandondòna izy,
na dia tsy hifoha hanome azy noho ny fisakaizany aza ilay ao an-trano,
dia hifoha hanome izay ilainy noho ny fanaovany lemozy.
Ary hoy Izaho aminareo:
Mangataha, dia homena ianareo;
mitadiava, dia hahita;
mandondòna, dia hovohàna.
Fa izay rehetra mangataka no mahazo;
izay mitady no mahita,
ary izay mandondòna no vohàna.
Iza aminareo no ray hanome vato ny zanany,
raha mofo no angatahiny,
na hanome bibilava azy,
raha hazandrano no angatahiny,
na hanome maingoka azy,
raha atody no angatahiny?
Koa raha ianareo,
na dia ratsy toy inona aza,
mahalala manome zava-tsoa ny zanakareo,
tsy mainka va ny Rainareo izay any an-danitra
no hanome ny Fanahy Masina ho an’izay mangataka aminy?”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...