♦ Niantefan'ny hafatry ny Fivondronambe'ny Evekan'i Madagasikara avokoa, ny mpiray tanindrazana... ♦ Nolanian'ny mpizaika rehetra tamin'ny dinika izay notarihan'ny Filohan'ny Antanimieram-pirenena sy FFKM teny Tsimbazaza, ny hanemorana ny fifidianana izay ho Filohan'ny Repoblika.... ♦ Tsy misy antony, na inona na inona, tokony hanemorana ny fifidianana, hoy ireo Loholon'i Madagasikara...

♦ Mifantoka amin'ny raharaham-pirenena ny hafatry ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, izay navoakan'izy ireo omaly alakamisy 9 nôvambra 2023... ♦ Hotanterahana rahampitso 11 nôvambra amin'ny 11 ora antoandro, ny fanankinana amin'Andriamanitra ny fanahin'i P. Jean Marcellin Ramiandrisoa, Salezianin'i Don Bosco...

Miaro mandrakariva ny vahoaka sy ny ankohonana miantehitra Aminy Andriamanitra ka nahavaky vava ny mpanao Salamo hoe : sambatra ny firenena manana an'ny Tompo ho Andriamaniny, sambatra ny vahoaka nofidiny ho lovany! (Sal 33; 12; sal 44; 15). Fototra niorenan'ny Tantaran'ny vahoaka Hebrio ny nahitàna an'Andriamanitra nanafaka azy noho ny fangejana nataon'ny Ejipsiana ka nanirahany an'i Moizy. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny pôlitika, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison. 

Vanim-potoana faha-mpanjaka (nanomboka ny 1020 nifidianana an'i Saoly tamin'ny andron'i Samoela Mpaminany) : ny anjara teoran'ireo Mpaminany izay mampatsiahy mandrakariva ny tsy tokony hivadihana amin'ny fanekem-pihavanana tamin'Andriamanitra ka nanaovan'izy ireo teny fampitandremana ho an'ireo mpanjaka mivadika amin'izany. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny pôlitika, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison. 

♦ Harahanao manontolo amin'izao vaovao izao ny hafatra avy amin'ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara... ♦ Tsy miombon-kevitra ny amin'ny hanemorana ny fifidianana ny avy eo anivon'ny Antenimieran-doholona... ♦ Nodimandry androany maraina, ny Filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena eto amin'ny Faritanin'Antananarivo, Rasolonjatovo Honoré...

♦ Namoaka hafatra manoloana raharaham-pirenena ankehitriny ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara... ♦ Tokony aato ny zotram-pifidianana, ary tokony hifantoka amin'ny fifampidinihana, ka miantso ny fampiatoana ny fampielezan-kevitra sy ny fidinana an-dalambe, ny Vovonana ho an'ny Fifampidinihana sy Fanelanelanana, izay hanatanteraka fampihaonana anio... ♦ Hiverina ny fahafahan'i Madagasikara manondrana volamena sy vato sarobidy any ivelany...

♦ Tsy namaly ny antson'ireo Solombavam-bahoaka miara-dia amin'ny vondron'ny kandidà, ireo mpikambana vitsivitsy eo anivon'ny Governemanta androany, raha nampiantsoina hitondra fanazavana teny Tsimbazaza... ♦ Handray fepetra hanerena ny fanafoanana ny fifidianana amin'ny 16 novambra 2023, ny vondron'ireo firaisamonim-pirenena, fikambanana sy ny sendikà isan-tsokajiny... ♦ Hiverina amin'izay ny fahafahana manondrana volamena sy vato sarobidy any ivelany. Tafapetraka ary nosokafana tamin'ny fomba ôfisialy androany, ny “Guichet unique” hisahana izany, etsy Mamory Ivato...

Trangam-piainana efa zary mahazatra ny fiolonolonana, ny tsy fananana fotoana firy ho an'ny vady aman-janaka ankehitriny vokatry ny fandrosoan'ny teknôlôjia sy ny rotorotom-piainana tsotra izao. Mandringa ny fifandraisan'ny mpianakavy ka teraka ny tsy fifankazahoana, maro ny toerana banga eo amin'ny lafin'ny fitaizana  ny ankizy. Noho izany no ilazana fa ilaina ny fanatsarana io fifandraisan'ny mpianakavy io amin'ny fiezahana mifandray amin'ny alalaln'ny fifanantonana mivantana amim-pitsikiana sy amin-tambitamby amim-panehoana fitiavana. Na eo amin'ny raiamandreny sy ny zanaka na ny mpivady na ny zanaka samy zanaka, eny ny fiaraha-monina iray manontolo...

Maro amin'ireo tantsaha ato amin'ny Faritra Analamanga no resy lahatra amin'ny fampiasana zezika biôlôjika tsy misy taharo simika. 10 taona nirotsahana an-tsehatra sy nampitombo fahalalana amin'ny famokarana zezika kaompôsta Andriamatoa Randriamijoro Jacques Lucien ary nahita fahombiazana tamin'izany...

14 nôvambra 2023 — Talata, Herinandro Tsotra faharoa amby telopolo Mandavantaona — Ny Ran’i Jesoa Kristy Tompontsika no nampahiratra ny masom-panahintsika mba hahalantsika ny fanantenana izay niantsoana antsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 17, 7-10)

Reharehan'Israely, vahoaka voafidy, ny fananany Andriamanitra tsy lavitra fa mandray anjara lehibe amin'ny fiainan'izy ireo araka ny hita ao amin'ny DT 4,7 : " fa iza tokoa moa ny firenen-dehibe hanana Andriamanitra akaiky azy, tahaka ny maha-akaikintsika an'ny Tompo Andriamanintsika isaky ny iantsoantsika Azy?" Ny tantaram-pamonjena dia nanomboka tamin'i Abrahama Rain'ny mpino. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny pôlitika, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison. 

Vakiteny voalohany

Boky Fahendrena (Fahendrena 2, 23 — 3, 9)

Hoatra ny maty izy, araka ny fiheveran’ny adala azy, kanjo ao anatin’ny fiadanana.

Noarìn’Andriamanitra ho tsy mety maty ny olombelona,
ary nataony mitovy tarehy amin’ny tenany;
fa ny fialonan’ny demony
no nidiran’ny fahafatesana amin’izao tontolo izao,
dia hanandrana izany ry zareo izay azy.
Eo an-tanan’Andriamanitra ny fanahin’ny marina,
ka tsy mahatratra azy ny fijaliana.
Hoatra ny maty izy,
araka ny fiheveran’ny adala azy,
ary hoatra ny loza ny fialany amin’izao fiainana izao,
ary toa fahalevonana ny fandehany avy eo afovoantsika;
kanjo ao anatin’ny fiadanana izy.
Na dia niharan-tsazy aza izy, eo imason’ny olombelona,
ny fanantenany kosa henika ny tsy fetezana ho faty.
Rahefa afaka ny fijaliana maivana foana,
dia handray valisoa lehibe izy:
fa efa nozahan’Andriamanitra toetra izy,
ka hitany ho mendrika Azy.
Notsapainy toy ny volamena atao anaty memy izy,
ka nankasitrahany,
toy ny sorona dorana lavorary.
Amin’ny andro hamalian-tsoa azy,
hamirapiratra izy ireo;
tahaka ny kilalaon’afo hivoivoy haingana amin’ny bozaka.
Hitsara ny firenena sy hanapaka ny vahoaka izy;
ary hanjaka aminy mandrakizay ny Tompo.
Izy ireo niantehitra taminy ka hahafantatra ny marina;
hiara-monina aminy amim-pitiavana, ny miraiki-po aminy,
satria ho an’ny olom-pinidiny ny fahasoavana amam-pamindram-po.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 33, 2-3. 16-17. 18-19

Izaho misaotra ny Tompo amin’ny fotoan-drehetra.

Izaho misaotra ny Tompo amin’ny fotoan-drehetra;
eo am-bavako lalandava ny fiderana Azy.
Ny Tompo hafinaretan’ny fanahiko;
mandrenesa, ry ory, ka mifalia.

Ny mason’ny Tompo amin’ny olo-marina;
ny sofiny amin’ny tolokon’ireo.
Ny tavan’ny Tompo amin’ny mpanao ratsy,
mba hahavery tadidy azy eto an-tany.

Ny olo-marina vao miantso dia henon’ny Tompo:
ny ahiahiny rehetra esoriny aminy.
Ny Tompo eo anilan’ny torotoro fo,
sy mamonjy ny rera-tsaina.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny Ran’i Jesoa Kristy Tompontsika no nampahiratra ny masom-panahintsika mba hahalantsika ny fanantenana izay niantsoana antsika.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 17, 7-10)

Mpanompo tsy mahasoa izahay, fa izay tsy maintsy ho nataonay ihany no hany vitanay.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny Apôstôliny nanao hoe:

“Iza moa aminareo no manana mpanompo
miasa tany na miandry ondry avy any an-tsaha
no mba hilaza aminy hoe:

‘Metia faingana, ary mipetraha hihinana?’

Moa tsy izao aza no holazainy aminy:

‘Amboary ny sakafoko,
ary misikina hampihinana ahy
mandra-pitsahatro avy mihinana sy misotro,
fa rahefa izany vao hihinana sy hisotro ianao?’

Ary moa misaotra izany mpanompo izany akory va izy,
satria nanao izay nasainy nataony io?
Ataoko fa tsy izany.
Koa tahaka izany koa ianareo:
rahefa vitanareo izay nandidiana anareo,
dia lazao hoe:

‘Mpanompo tsy mahasoa izahay,
fa izay tsy maintsy ho nataonay ihany no hany vitanay.’

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...