Vakiteny voalohany

Bokin’i Jeremia Mpaminany (Jer. 13, 1-11)

Ho tahaka ity fehikibo ity, ity vahoaka ratsy ity, ka tsy ho azo atao na inona na inona intsony.

Izao no nolazain’ny Tompo tamiko:

“Mandehàna mividy fehikibo rongony madinika ho anao;
ka ataovy amin’ny andilanao fa aza atao anaty rano.”

Dia nividy ny fehikibo araka ny tenin’ny Tompo aho, ka nataoko tamin’ny andilako.
Tonga tamiko fanindroany indray ny tenin’ny Tompo nanao hoe:

“Ento ilay fehikibo novidinao, izay efa eo amin’ny andilanao;
ka mitsangàna, mandehàna mankany Eofrata,
afeno any, ao an-tsefatsefaky ny vatolampy izy.”

Dia nandeha aho, ka nafeniko tao amoron’ny Eofrata izy, araka ny nandidian’ny Tompo ahy.

Nony afaka andro maro be, dia hoy ny Tompo tamiko:

“Mitsangàna ianao, mandehàna mankany Eofrata,
alao ilay fehikibo nasaiko nafeninao any.”

Dia nandeha nankany Eofrata aho, ka nihady,
dia naka ilay fehikibo teo amin’ny toerana nanafenako azy;
kanjo indro simba tsy azo atao na inona na inona intsony ilay fehikibo.
Ary tonga tamiko ny tenin’ny Tompo nanao hoe:

“Izao no lazain’ny Tompo:
toy izany no hanafoanako ny avonavon’i Jodà, sy ny avonavon-dehiben’i Jerosalema.
Ity vahoaka ratsy ity, izay tsy mety mihaino ny teniko, fa mandeha amin’ny ditran’ny fony,
sy manaraka andriamani-kafa, mba hanompo azy sy hivavaka aminy,
dia ho tahaka ity fehikibo ity tsy azo atao na inona na inona intsony ity.
Satria toy ny firaikitry ny fehikibo amin’ny andilan’ny olona,
no nandraiketako ny taranak’i Israely rehetra sy ny taranak’i Jodà rehetra tamiko
— teny marin’ny Tompo,
mba ho vahoaka ho Ahy izy ireo, mba ho anarana, ho haja, ho voninahitra,
nefa tsy nihaino Ahy izy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo: Det. 32, 18-19. 20. 21

Ilay Andriamanitra niteraka anao tsy noraharahainao.

Nandao ny vatolampy izay niteraka anao ianao
ary nanadino ny Andriamanitra izay nanao anao.
Nahita izany ny Tompo ka tezitra,
nohantsin’ny zanany lahy aman-janany vavy Izy.

Hoy izy: hafeniko azy ny tavako,
dia ho hitako izay hiafarany,
fa taranaka mpivadibadika izy,
zaza tsy manana hitsim-po.

Nampahasaro-piaro Ahy tamin’izay tsy andriamanitra izy
ary nampahatezitra Ahy tamin’ny sampiny tsinontsinona,
ka dia mba hampahasaro-piaro azy amin’izay tsy vahoaka kosa Aho,
sy hampahatezitra azy amin’izay firenena adala.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra, fantany mazava ny fieritreretana amam-pisainan’ny fo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 31-35)

Tonga hazo ny voatsinapy, dia avy ny voromanidina mipetraka eo amin’ny rantsany.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nanao fanoharana hafa tamin’ny vahoaka nanao hoe:

“Ny fanjakan’ny lanitra dia mitovy amin’ny voatsinapy
izay nalain’ny olona ka nafafiny tany an-tanimboliny.
Kely indrindra amin’ny voan-javatra rehetra izy;
fa rahefa mitombo kosa, dia lehibe noho ny anana rehetra, ka tonga hazo;
dia avy ny voromanidina mipetraka ao amin’ny rantsany.”

Ary nanao fanoharana hafa taminy koa Izy hoe:

“Ny fanjakan’ny lanitra, dia mitovy amin’ny lalivay,
izay nalain’ny vehivavy anankiray ka nataony tao amin’ny koban-dafarina intelon’ny famarana,
mandra-pahazon’ny lalivay azy rehetra.”

Fanoharana no nilazan’i Jesoa izany rehetra izany tamin’ny vahoaka,
ary Izy tsy niteny taminy afa-tsy tamin’ny fanoharana,
mba ho tanteraka ny tenin’ny mpaminany manao hoe:
Hiloa-bava hilaza fanoharana aho,
ary hanambara zavatra izay miafina hatramin’ny nanaovana an’izao tontolo izao.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 6 septambra 2024

♦ Manatanteraka fitsidihina eto Madagasikara, ny 4 hatramin'ny 9 septambra 2024, i P. Alfred Maravilla, Mpanolotsaina Jeneraly momba ny Misiona, ao amin'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco... ♦ Manentana ny kristianina hivavaka ho an'ny olona tsirairay, mba hihaino ny fitarainan'ny tany, ny Papa François amin'ity volana septambra ity... ♦ Nanomboka androany ny dingana faharoa amin'ny fitsidihina apôstôlika ivelan'i Roma, andiany faha-45, ataon'ny Papa François, izay tanterahany any Asie sy Océanie...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...