♦ Hiainga anio maraina hiazo ny Diôsezin'i Moramanga ny nofo mangatsiakan'i Mgr Antoine Scopelliti. Nandrasana tao amin'ny Eglizy Kristy Mpanjaka Manjakaray izy alina... ♦ Manohy ny fihaonana amin'ireo hery velona samihafa eto amin'ny firenena ny ao amin'ny FFKM. Isan'ny nanatrika ny fotoana omaly ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena, Christine Razanamahasoa sy ny Filohan'ny CENI, Dama Arsène Andrianarisedo... ♦ Nanatitra taratasy teny amin'ny Masoivoho frantsay omaly, ny palremantera malagasy miara-dia amin'ny vondron'ireo kandidà...

♦ Misy Sorona Masina amin'izao alina izao eny amin'ny EKAR Manjakaray, ho fandraisana ny vatana mangatsiakan'i Mgr Antoine Sopelliti... ♦ Sesilany ny fanambaran'ireo mpiaro ny zon'olombelona, ny ray aman-dreny ara-drazana, izay manao antso avo hisian'ny fifampidinihina manoloana ny toe-draharaha pôlitika ankehitriny... ♦ Nanatitra taratasy teny amin'ny Masoivohon'i Lafrantsa teny Ambatomena androany, ny andiana parlematera, nahitana Solombavam-bahoaka sy Loholona. Taratasy hanairan'izy ireo ny parlemantera frantsay, momba ny raharaham-pirenena eto Madagasikara...

Lalana tsy maintsy diavina ny fahafatesan'ny olona akaiky ary miaina dingana ara-psykôlôjika ny olona iray rehefa misaona. Azo diavina tsara ny fisaonana ary misy 7 ny dingana mety ho lalovana ao anatin'izany. Betsaka ireo fiovana mety hiseho eo amin'ny fomba fisainana sy ny fitondran-tena ary maty ho marobe ihany koa ireo fihetsem-po izay hifamaofao mandritry ny fandalovana amin'ireo dingana ireo. Noho izany, mitaky fahaizana miatrika mahomby ny fiainana ireo dingana ireo ary miankina amin'ny fomba fiatrehana azy no hahatafavoaka na tsia ao amin'ilay fisaonana. Na mafy aza ny fisarahana an-tany dia betsaka ireo azo hatao mba hanana filaminana sy fitoniana anaty, aorian'ny fahafatesan'ny olona akaiky...

Hiroso amin'ny fifidianana any amin'ny fokontany, ny kaominina, ny distrika ary ny faritra ny eo anivon'ny Tranoben'ny Tantsaha Mpamokatra manomboka amin'ity volana nôvambra ity. Tapitra mantsy y fe-potoan-kiasan'ny birao sy ny filan-kevi-pitantanana. Hanomboka ny 20 nôvambra izao ny fifidianana eny anivon'ny kaominina ka ny tantsaha manana karatra maha mpikambana no afaka mandray anjara amin'ny fifidianana ho an'ny eo anivon'ny kaominina noho miakatra...

Simba ary manjavona ny zava-miaina maro karazana, tsy ny tontolo iainana ihany, fa ny haren'ny tany ihany koa dia iharan'ny fanimbana. Ny faharipahan'ny ala sy ireo zava-maniry hafa dia mitarika avy hatrany koa ny fanjavonan'ireo zava-miaina mety ho loharanon-karena lehibe, ao aoriana ao : tsy amin'ny lafiny ara-tsakafo ihany, fa eo amin'ny fitsaboana ny aretina ary eo amin'ny sehatra maro hafa koa. Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo. 

♦ Manara-maso hatrany ny zotra-pifidianana ny mpanara-maso SAFIDY na misy aza ny fifandirana eo amin'ireo kandidà mandray anjara... ♦ Hamafisina ny fiambenana ny roba ary hampiana ny fikambanan'ny Fianakaviana amin'ny asa fanarenana ny toerana manan-tantara anatin'ny Rovan'Antsahadinta. Fanapahan-kevitry ny mpitondra taorian'ny nahamay ny tranon-dRabodozafimanjaka alina... ♦ Mitoka-monina tanteraka ny distrikan'Ambatoboeny efa ho roatokom-bolana noho ny fahatapahan'ny tetezana iray, mampifandray ity distrika ity amin'ny distrika hafa... ♦ Handray fepetra henjana hiadiana amin'ny herisetra mahazo vahana any Brezila ny filohany Lula Da Silva...

♦ Ho tonga eto Madagasikara anio etsy amin'ny seram-piara-manidina Ivato ny nof mangatsiakan'i Mgr Antoine SCOPELITI. Ho tanterahana ny alahady 5 nôvambra izao ao amin'ny katedraly Ambatoambo Ambatondrazaka ny fandevenana... ♦ Hitohy anio ny hetsika ataon'ny vondron'ny kandidà taorian'ny fihatoana omaly sy afak'omaly. Manameloka ny fomba anohitohina ny fiainam-pirenena ny governemanta manoloana ny fikasana hidina eny amin'ny kianjan'ny 13 mey.. ♦ Nanokana 2 andro hampafantarana ny asan' ny Comptable ny holafitr'izy ireo. Hetsika hanomboka anio alakamisy 2 nôvambra sy rahampitso 3 nôvambra izao, tafiditra amin'ny famaranana ny faha 60 taona ny holafitry ny expert comptable...

Zo fototra ny fahazoana mampiasa rano fisotro azo antoka. Miankina amin'ny rano ny fahaveloman'ny zanak'olombelona tsy ankanavaka. Ny rano no antoka ahafahana mampiasa an'ireo zo hafa ananan'ny olombelona. Misy fomba fanjifana tsy voahevitra izay manao fafy katrana ny fampiasana ny rano ; mifaningotra amin'ny fanabeazana sy ny kolontsaina ny olana momba ny rano. Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo. 

♦ Ho tonga eto Madagasikara amin'ny alakamisy 2 nôvambra 2023, ny nofo mangatsiakan'i Mgr Antoine Scopelitti. Hotanterahana ny alahady 5 nôvambra 2023 ao amin'ny Katerdraly Ambatoambo Ambatondrazaka, ny fandevenana azy araka ny fomban'ny Eglizy... ♦ Nihaona tamin'ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena androany, ny vondron'ny kandidà. Tsy nisy nipika ny votoatin'ny resaka nifanaovan'ny andaniny sy ny ankilany. Finiavana samy irery avy amin-dRamatoa Razamahasoa Christine, izao nandraisany ny vondron'ny kandidà izao...

Vakiteny voalohany

Boky Fahendrena (Fah. 6, 12-16)

Mitsena ireo mitady azy ny Fahendrana.

Ny Fahendrena dia mamirapiratra,
tsy mety matroka hatsarana;
mora mahita azy ny olona raha tia azy izy,
ary mora mahazo azy raha mitady.
Mitsena an’izay mitady azy izy,
ary miseho aminy voalohany.
Izay mifoha maraina koa hitady azy,
tsy mananosarotra,
fa mahita azy mipetraka eo am-baravarany.
Satria ny mihevitra azy dia efa fahamalinana lavorary,
ary ny miari-tory noho ny aminy,
dia ho afaka ahiahy vetivety;
mandeha mivezivezy atsy amin’ary izy
mitady an’izay mendrika azy,
miseho amin’ireny eny an-dalan’izy ireo izy amim-pihavanana,
ary manampy azy amin’ny hevitra kasainy rehetra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 62, 2. 3-4. 5-6. 7-8

Mangetaheta Anao ny fanahiko, ry Tompo Andriamanitra ô.

Andriamanitra ô, Ianao no Andriamanitro!
Vao maraina aho maniry Anao,
mangetaheta Anao ny fanahiko,
matimaty Anao ny nofoko:
toy ny tany maina sy mangentana,
toy ny tany haraka, mila rano!

Tao an-toeranao masina no nahitako Anao;
tao aho nibanjina ny herinao sy ny voninahitrao:
ka ny molotro nidera Anao,
fa ny fitiavanao, tsara noho ny aina!

Eny, hisaotra aho raha mbola velona;
ny Anaranao hanandratako tanana:
ka ny fanahy ho heni-tsoa,
ny molotra hihoby, ny vava hidera.

Izaho mahatsiahy Anao eo am-pandriana,
tontolo alina mihevitra Anao:
fa notsenainao ny vonjinao aho,
ka mibitaka alofan’ny elatrao.

Vakiteny faharoa

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Tesalônika (1 Tes. 4, 13-18)

Hitondra ireo efa nody mandry miaraka aminy Andriamanitra, amin’ny alalan’i Jesoa.

Ry kristianina havana,
tsy tianay ny tsy hahafantaranareo ny amin’izay efa nody mandry,
sao dia malahelo toy ny sasany tsy manam-panantenana koa ianareo.
Fa araka ny inoantsika an’i Jesoa ho efa maty sy nitsangan-ko velona
no hitondran’Andriamanitra an’izay nody mandry hiaraka aminy koa,
amin’ny alalan’i Jesoa.

Ka izao no lazainay aminareo, araka ny tenin’ny Tompo:
Isika izay velona sy tavela ho amin’ny fiavian’ny Tompo,
dia tsy mba hialoha izay efa nody mandry tsy akory;
fa hisy baiko homena, sy feon’Arkanjely ary feon-trômpetran’Andriamanitra,
dia hidina avy any an-danitra ny Tenan’Izy Tompo,
ka izay maty tao amin’i Kristy no hitsangana aloha;
raha efa izany,
hakarina hiaraka amin’izy ireo eny amin’ny rahona koa isika velona sisa tavela,
hitsena ny Tompo eny amin’ny habakabaka,
dia ho any amin’ny Tompo mandrakizay isika.
Koa izany teny izany àry no aoka hifanalanareo alahelo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny faharoa

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Tesalônika (1 Tes. 4, 13-14)

Hitondra ireo efa nody mandry miaraka aminy Andriamanitra, amin’ny alalan’i Jesoa.

Ry kristianina havana,
tsy tianay ny tsy hahafantaranareo ny amin’izay efa nody mandry,
sao dia malahelo toy ny sasany tsy manam-panantenana koa ianareo.
Fa araka ny inoantsika an’i Jesoa ho efa maty sy nitsangan-ko velona
no hitondran’Andriamanitra an’izay nody mandry hiaraka aminy koa,
amin’ny alalan’i Jesoa.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleioia.

Miambena sy mivonòna ianareo fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’Olona.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 25, 1-13)

Inty tamy ny mpampakatra ka mandehana mitsena azy ianareo.

Tamin’izany andro izany
i Jesoa nanao ity fanoharana ity tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Ny Fanjakan’ny lanitra dia ho tahaka ny virjiny folo
izay naka ny fanalany,
ka lasa nitsena ny mpampakatra sy ny ampakarina.
Ny dimy tamin’izy ireo dia adala, fa ny dimy kosa hendry;
ny dimy adala nitondra fanala, fa tsy nitondra solika;
fa ny hendry kosa nitondra fanala sy solika tamin’ny fitoeran-tsolika.
Ary noho ny fahelan’ny mpampakatra,
dia samy rendremana izy rehetra ka natory.
Fa nony nisasaka ny alina, dia nisy niantso mafy hoe:

‘Inty tamy ny mpampakatra,
mandehana mitsena azy ianareo’.

Tamin’izay dia niarina ireo virjiny rehetra ireo
ka nanamboatra ny jirony.
Ary hoy ny adala tamin’ny hendry:

‘Mba omeo kely amin’ny solikareo izahay,
fa efa ho faty ny jironay’.

Hoy ny navalin’ny hendry azy:

‘Ndrao tsy ampy ho anay sy anareo,
fa aleo mankany amin’ny mpivarotra ianareo,
ka mividiana ho anareo’.

Ary raha mbola nandeha nividy izy,
dia tonga ny mpampakatra,
ka izay efa niomana no niara-niditra taminy tao amin’ny fampakaram-bady,
dia nohidiana ny varavarana.
Nony afaka kelikely,
dia tonga kosa ireto virjiny sasany ka nanao hoe:

‘Tompoko, tompoko, vohay izahay’.

Fa hoy ny navaliny azy:

‘Lazaiko marina aminareo fa tsy fantatro akory ianareo’.

Koa miambena ianareo,
fa samy tsy fantatrareo na ny andro na ny ora”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Ny sabotsy izao ny vondron'ireo kandidà 10 sy ireo mpiara-dia aminy no hidina eny amin'ny kianjan'ny 13 mey. Voalaza fa mivory manomana izy ireo amin'ny alalan'ny fihaonana amin'ireo hery velona samihafa androany... ♦ Tsy mitovy hevitra ireo mpikambana 9 eo anivon'ny HCC tamin'ny famoahana ilay fanapahana nanendry ny Jeneraly Richard Ravalomanana hitantana vonjimaika ny firenena. Nanaitra ny maro ny fivoahan'izany voavao izany... ♦ Ho avy eto Madagasikara indray amin'ny volana febroary 2024 ilay sambo hôpitaly "Mercy ships", afaka manao fandidiana maimaimpoana ireo aretina samihafa. Hisokatra ny 27 novambra izao ny fisoratana anarana ho an'ireo mila fitsaboana avy aminy...

Sahiran-kevitra ny ray aman-dreny sy ny mpanabe ary velom-panontaniana hoe : inona teo amin'ny fanabeazana taloha no mbola azo tazomina ankehitriny?. Ny fanabeazana teo aloha dia izay tany ambadiky ny fandrosoana ara-teknolojika sy ny fanatontoloana. Ny tanjon'ny fanabeazana dia ny mba hampaleontena ny beazina. Ny fanabeazana dia fampitana fahalalana sy fahendrena ary fahamarinana. Teo aloha dia ny fianarana ihany no nimasoana fa ny fanatanjahantena sy ny mozika na ny zavatra hafa dia tsy navela nataon'ireo mpianatra, ankehitriny anefa ireny no hanefena ny maha olona an'ireo ankizy. Ireo fitsipi-pitondrantena nahasoa ny teo aloha dia tsara tohizana, mila mihezaka ny ray aman-dreny mba hahitsy amin'ny resaka...

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...