♦ Tapitra tanteraka ny fe-potoam-piasàn'ireo solombavambahoaka teo aloha. Volavolan-dalàna 125 sy ireo tolo-dalàna 52 no nodinihin'izy ireo nandritra ny 5 taona hoy ny tatitry ny filohan'ny Antenimieram-pirenena mpisolo toerana... ♦ Mbola voatàna hatramin'izao ny tetiandro vinavina hanatanterahana ny fifidianana ben'ny tanàna, raha ny nambaran'ny eo anivon'ny CENI. Tsy maintsy hotanterahina amin'ity taona ity izany hoy ny Praiministra, omaly... ♦ Hivory noho ny mety hiakaran'ny vidin-tsolika ny vondron'ny kaoperativa mpitatitra ao an-drenivohitra na ny UCTU. Hodinihina ny mety hampiakarana na hitazonana ny saran-dalana ankehitriny...

[audio src="/images/sounds/jma-20240702.mp3" background="#0099ffff"]

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...