♦ Radio Don Bosco : Mamita ny hiraka nampanaovin'Andriamanitra sy ny fikambanana Saleziana ary natao ho an'ny Malagasy rehetra hoy ireo nandaha-teny nandritra ny fankalazana ny faha-28 taonany ny 27 jona 2024 teo... ♦ Mitaky ny famoahana an'Andriamatoa Mahavita Sylvestre any amponja noho izy lany solombavambahoaka ôfisialy araka ny didiny HCC ny fikambanana BAAM sy ny Grand Sud-Est... ♦ Nanao hetsika fitakiana ny hampiodinana ny Base Toliara ireo mpanohana ny tetik'asa nandritra ny fankalazana ny fetim-pirenena ny 26 jona 2024 lasa teo... ♦ Olona iray no namoy ny ainy 09 hafa naratra vokatry ny fianjeran'ny cabine iray nitondra olona amin'ireny fitanterana an-tariby na téléphérique ireny tany Medellin any Colombie...

[audio src="/images/sounds/jma-20240629.mp3" background="#0099ffff"]

[Miara-dàlana] Zoma 23 ôktôbra 2026

• “Fohazo izay matory”, hoy i Mgr Jean de Dieu Raoelison tamin'ireo ankohonam-panabeazan'ny Sekoly Katolika, tamin'ny fanokafana ofisialy ny taom-panabeazana 2026-2027, ho an'ny Arsidiosezin'Antananarivo… • Mankalaza ny faha-200 taona niorenany ny fikambanan'ny Oblats de Marie Immaculée… • Dimampolo taona teto Madagasikara ny Orionistes, nanamarika izany ny Diosezin'Ambanja…

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...