Bokin’i Ezekiela Mpaminany (Ez. 33, 7-9)
Izao no lazain’ny Tompo:
“Ianao, ry zanak’olona no efa notendreko ho mpitily,
ho an’ny taranak’i Israely,
ary rehefa mandre teny aloaky ny vavako ianao
dia hanaitra azy amin’ny Anarako.
Raha niteny Aho nilaza tamin’ny ratsy fanahy hoe:‘Ho faty marina ianao, ry ilay ratsy fanahy’,
ka tsy miteny ianao hananatra ny ratsy fanahy hiala amin’ny lalany,
dia ho faty amin’ny helony ihany ilay io,
noho izy ratsy fanahy,
nefa hadiniko aminao ny rany.
Fa raha mananatra ny ratsy fanahy kosa ianao,
hialany amin’ny lalany,
fa izy no tsy mety miala amin’ny lalany,
dia ho faty ao amin’ny helony izy,
fa ianao kosa hahavonjy ny fanahinao”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 94, 1-2. 6-7
Avia! Ndeha isika hihoby ny Tompo,
hankalaza ny Vatolampy famonjena antsika;
andeha hiseho eo anoloany amin-tsaotra,
hankalaza Azy amin’antsa.
Midira! Ndao hiankohoka sy hitsaoka,
handohalika eo anoloan’ny Tompo nanao antsika.
Fa izy no Andriamanitsika; — isika kosa,
vahoakany, ondry eo an-tanany.
Enga anie ianareo anio
ka mba handre ny feony!
Aza manamafy fo toy ny tany an’efitra,
tamin’ny andro nifandirana sy nihatsiana,
raha naka fanahy Ahy ny razanareo,
na dia efa nahita ny asako aza.
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 13, 8-10)
Ry kristianina havana,
aoka tsy hisy hanan-trosa, aminareo,
afa-tsy ny fifankatiavana;
fa izay tia ny namany dia efa nahatanteraka ny Lalàna.
Satria ny hoe:
Aza mijangajanga,
aza mamono olona,
aza mangalatra,
aza miampanga lainga,
aza mitsiriri-javatr’olona,
mbamin’ny didy hafa rehetra,
dia voalaza fohy amin’ny teny hoe:
Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.
Ny fitiavana tsy manisy ratsy ny namana,
ka dia ny fitiavana no fahatanterahana ny Lalàna an-tsakany sy an-davany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Raha misy tia Ahy, hitandrina ny teniko izy, ka ho tian’ny Raiko ary hankao aminy Izahay, ka honina ao aminy.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 18, 15-20)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:
“Raha diso taminao ny namanao, dia manatòna azy;
ka rehefa mitokana ianareo, dia asehoy azy ny hadisoany.
Raha mihaino anao izy, dia efa azonao ny namanao;
fa raha tsy mihaino anao izy,
makà olona iray na roa hiaraka aminao
mba ho tapaka noho ny teny hataon’ny vavolombelona roa na telo ny raharaha rehetra.
Raha tsy mihaino azy ireo izy, dia ambarao amin’ny Eglizy;
ary raha tsy mihaino ny Eglizy koa,
dia ataovinao tahaka ny Jentily sy ny poblikanina.Lazaiko marina aminareo
fa na inona na inona hofehezinareo ety ambonin’ny tany
dia ho voafehy any an-danitra;
ary na inona na inona hovahanareo ety ambonin’ny tany,
dia ho voavaha any an-danitra.
Ary izao koa no lazaiko aminareo:
raha misy roa aminareo mifanaiky ety ambonin’ny tany,
na inona na inona angatahiny,
dia ho azony avy amin’ny Raiko izay any an-danitra izany.
Fa na aiza na aiza iangonan’ny olona roa na telo amin’ny Anarako,
dia eo afovoany Aho”.
— Izany ary ny tenin’ny Tompo.
♦ Hotanterahana ao amin'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena, amin'ny talata 5 septambra 2023, ny fitsofan-drano an'i Mgr Jean Pascal Andiantsoavina... ♦ Homarihana ny sabotsy 2 septambra 2023 ny Taom-bolamenan'ny Ekipa Ankalazao ny Tompo... ♦ Hasandratra ho Olontsambara ny alahady 10 septambra 2023 any Pologne, i Joseph sy Victoria Ulma, miaraka amin'ny zanany fito mianadahy...
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôlôsy (Kôl. 1, 21-23)
Ry kristianina havana,
taloha ianareo dia lavitra an’i Kristy sy fahavalony,
tamin’ny hevitra aman’asa ratsinareo,
fa ankehitriny kosa nampihavanin’Andriamanitra amin’ny Tenan’i Kristy nofo tamin’ny nahafatesany,
mba hatsangany masina sy madio ary tsy manan-tsiny eo anatrehany,
raha tahiny ianareo maharitra sy miorim-paka mafy amin’ny finoana,
ary tsy azo tsoahina hiala amin’ny fanantenana avy amin’ny Evanjely,
izay efa renareo sy notorìna taminareo ary nanendrena ahy, Paoly,
ho mpandraharaha.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 53, 3-4. 6 sy 8
Andriamanitra ô, vonjeo amin’ny Anaranao aho;
omeo rariny amin’ny herinao!
Andriamanitra ô, henoy ny talahoko;
mampandria sofina amin’ny tenin’ny vavako.
Indro Andriamanitra manampy ahy;
ny Tompo no ilay Mpanohana ny fanahiko.
Koa avy misorona amin’ny hazavam-ponao aho!
Eny, ry Tompo; tonga hidera ny hasoan’ny Anaranao!
Aleloia. Aleloia.
Asehoy ahy, ry Tompo ny lalanao, ary tariho amin’ny lala-mahitsy aho.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 6, 1-5)
Indray Sabata,
raha nandeha namaky ny tanimbary i Jesoa,
dia nioty salohim-bary ny mpianany,
ka nohaniny nony efa nokosokosohiny tamin’ny tanany.
Dia hoy ny Farisianina sasany taminy:
“Nahoana ianareo no manao ny tsy fanao amin’ny Sabata?”
Ary i Jesoa namaly azy hoe:
“Tsy novakinareo va izay nataon’i Davida
raha noana izy mbamin’izay nanaraka azy,
fa niditra tao an-tranon’Andriamanitra izy
ka naka ny mofo alahatra,
dia nihinana izany sy nanome izay nanaraka azy koa,
nefa tsy misy mahazo mihinana azy afa-tsy ny mpisorona ihany?”
Sady nampiany hoe:
“Ny Zanak’Olona no tompon’ny Sabata.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôlôsy (Kôl. 1, 15-20)
I Kristy Jesoa no endrik’ilay Andriamanitra tsy hita;
Izy no teraka talohan’izao voaary rehetra izao;
tao aminy no nahariana ny zavatra rehetra any an-danitra sy etý an-tany,
dia ny hita sy ny tsy hita,
na fiandrianana,
na fiamboniana,
na fifehezana,
na fahefana;
taminy sy ho Azy no nahariana ny zavatra rehetra.
Izy no talohan’ny zavatra rehetra,
ary ao aminy no aharetan’ny zavatra rehetra.
Izy no Lohan’ny tena, izany hoe ny Eglizy;
Izy no voalohany, dia ny voalohan-teraka tamin’ny maty,
mba ho Loha amin’ny zavatra rehetra Izy;
satria ao aminy no sitraky ny Ray hitoeran’ny hafenoana rehetra;
ary tamin’ny alalany no tiany hampihavanana ny zavatra rehetra aminy indray,
rahefa nampihavaniny tamin’ny Rany teo amin’ny Hazofijaliana,
dia tamin’ny tenany, na ny etý an-tany na ny any an-danitra.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 99, 2. 3. 4. 5
Hobio Izy Tompo, ry tany tontolo
ka fo falifaly anompoana ny Tompo;
tongava eo aminy, mihira, miravo.
Ekeo fa ny Tompo no Andriamanitra,
fa Azy isika satria nohariany
sy tena vahoakany, ondry fiandriny.
Ireo vavahadiny idiro amin-tsaotra,
ny ao an-kianjany idiro amin-dera.
Derao Izy Tompo, ny Anarany isaory.
Miaiky isika fa tsara ny Tompo,
fa mandrakizay ny fitiavany antsika,
amin’ny taona rehetra ny fahamarinany.
Aleloia. Aleloia.
Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana, hoy ny Tompo, tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 5, 33-39)
Tamin’izany andro izany,
ny Farisianina sy ny mpanora-dalàna dia nanontany an’i Jesoa nanao hoe:
“Nahoana ny mpianatr’i Joany sy ny an’ny Farisianina
no mifady hanina matetika sy mivavaka lalandava,
fa ny anao kosa mihinana sy misotro ihany?”
Ary hoy Izy tamin’izy ireo:
“Moa ianareo mahazo mampifady hanina ny zatovon’ny mpampakatra,
raha mbola eo aminy koa ny mpampakatra?
Fa ho avy ny andro hanesorana ny mpampakatra aminy,
ka amin’izay vao hifady hanina izy ireo.”
Dia nanao fanoharana taminy indray Izy nanao hoe:
“Tsy misy olona manampina lamba tonta
amin’ny tapa-damba nalaina tamin’ny vaovao,
fa raha izany, ny vaovao moa rovitra,
ny tonta koa tsy hifanendrika amin’ny tapa-damba vaovao.
Tsy misy manisy divay vaovao amin’ny siny hoditra tonta koa,
fa raha izany dia ho simban’ny divay vaovao ny siny hoditra
ka ny divay moa raraka, ny siny hoditra koa very maina;
fa siny hoditra vaovao no tokony hasiana ny divay vaovao,
dia samy haharitra izy roroa.
Ary tsy misy olona vao avy nisotro divay tranainy
ka hangataka ny vaovao, satria hoy izy hoe:‘Ny tranainy no tsaratsara kokoa.’”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Bokin’i Mikea Mpaminany (Mikea 5, 1-4a)
Izao no nolazain’ny Tompo:
Ary ianao, ry Betlehema Efratà,
kely tsy tokony ho isan’ireo arivon’i Jodà akory,
avy aminao no hivoaka ho Ahy Ilay tsy maintsy ho mpifehy amin’i Israely,
ary ny niandohany dia efa hatramin’ny andro fahagola,
hatramin’ny andro mandrakizay.
Koa noho izany, dia hanolotra an’ireny Izy
mandra-piavin’ny fotoana hiterahan’ilay tsy maintsy miteraka;
ary ny sisa amin’ireo rahalahiny dia hiverina amin’ny zanak’i Israely.
Ho mafy fijoro Izy,
ka hiandry ny ondriny, amin’ny herin’ny Tompo,
amin’ny fiandrianan’ny Anaran’Andriamanitra Tompony,
ary handry fehizay ny olona, fa ho lehibe Izy amin’izay,
hatrany amin’ny faran’ny tany.
Izy no ho fiadanana.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 8, 26-30)
Ry Kristianina havana,
fantatsika koa fa ny zavatra rehetra
dia entin’Andriamanitra hahasoa izay tia Azy,
dia ireo efa voaantso araka ny fandaharany.
Satria izay fantany rahateo no notendreny hitovy endrika amin’ny Zanany koa,
mba ho Lahimatoa amin’ny rahalahy maro Izy.
Ary izay notendreny no nantsoiny koa;
izay nantsoiny no nohamarininy koa;
izay nohamarininy no nomeny voninahitra koa.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 12, 6ab. 7de
Matoky ny Hatsaram-ponao aho;
mifaly amin’ny famonjenao ny foko.
Eny, mihira aho, ry Tompo,
noho ny soa ataonao.
Aleloia. Aleloia.
Sambatra ianao, ry Masina Maria Virjiny, tena mendrika tokoa ny fanajana rehetra, satria tao aminao no nipoiran’ilay Masoandrom-pahamarinana: dia i Kristy Andriamanitsika.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 1, 1-16. 18-23)
Filazana ny razan’i Jesoa Kristy,
Zanak’i Davida, Zanak’i Abrahama:
I Abrahama niteraka an’i Isaaka;
i Isaaka niteraka an’i Jakôba;
i Jakôba niteraka an’i Jodà mirahalahy avy;
i Jodà niteraka an’i Faresa sy i Zarà tamin’i Tamara;
i Faresa niteraka an’i Esrôna;
i Esrôna niteraka an’i Arama;
i Arama niteraka an’i Aminadaba;
i Aminadaba niteraka an’i Naasôna;
i Naasôna niteraka an’i Salmôna;
i Salmôna niteraka an’i Bôôza tamin’i Rahaba;
i Bôôza niteraka an’i Obeda tamin’i Rota;
i Obeda niteraka an’i Jese;
i Jese niteraka an’i Davida mpanjaka;
i Davida niteraka an’i Salômôna tamin’ilay vadin’i Oria;
i Salômôna niteraka an’i Rôbôama;
i Rôbôama niteraka an’i Asà;
i Asà niteraka an’i Jôsafata;
i Jôsafata niteraka an’i Jôrama;
i Jôrama niteraka an’i Oziasa;
i Oziasa niteraka an’i Jôatama;
i Jôatama niteraka an’i Akaza;
i Akaza niteraka an’i Ezekiasa;
i Ezekiasa niteraka an’i Manase;
i Manase niteraka an’i Amôna;
i Amôna niteraka an’i Jôsiasa;
i Jôsiasa niteraka an’i Jekôniasa mirahalahy avy,
tamin’ny andro nifindrana tany Babilôna.
Ary rahefa nifindra tany Babilôna,
i Jekôniasa niteraka an’i Salatiela;
i Salatiela niteraka an’i Zôrôbabela;
i Zôrôbabela niteraka an’i Abioda;
i Abioda niteraka an’i Eliakima;
i Eliakima niteraka an’i Azôra;
i Azôra niteraka an’i Sadôka;
i Sadôka niteraka an’i Akima;
i Akima niteraka an’i Elioda;
i Elioda niteraka an’i Eleazara;
i Eleazara niteraka an’i Matàna;
i Matàna niteraka an’i Jakôba;
ary i Jakôba niteraka an’i Jôsefa
vadin’i Maria izay niteraka an’i Jesoa,
ilay natao hoe i Kristy.
Ary toy izao no nahaterahan’i Kristy:
i Maria reniny dia efa fofom-badin’i Jôsefa;
fa raha mbola tsy niray trano izy ireo,
dia hita fa nanana anaka avy tamin’ny Fanahy Masina izy.
Ary i Jôsefa vadiny, noho izy lehilahy marina,
sady tsy ta-hanala baràka azy,
dia nikasa hametraka azy mangingina.
Nefa raha mbola nieritreritra izany izy,
indro ny anjelin’ny Tompo niseho taminy, tamin’ny nofy,
ka nanao hoe:
“Ry Jôsefa, zanak’i Davida,
aza matahotra hampakatra an’i Maria vadinao,
fa ny Zaza ao an-kibony dia avy amin’ny Fanahy Masina
ary hiteraka Zazalahy izy,
ka ny anarany hataonao hoe Jesoa,
fa Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin’ny fahotany.”
Ary izany rehetra izany no tonga,
dia mba hahatanteraka izay nampilazain’ny Tompo ny mpaminany hoe:
“Indro ny Virjiny hitoe-jaza ka hiteraka Zazalahy,
ary ny anarany hatao hoe Emanoela,
izany hoe amintsika Andriamanitra.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Sambatra ianao, ry Masina Maria Virjiny, tena mendrika tokoa ny fanajana rehetra, satria tao aminao no nipoiran’ilay Masoandrom-pahamarinana: dia i Kristy Andriamanitsika.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 1, 18-23)
Ary toy izao no nahaterahan’i Kristy:
i Maria reniny dia efa fofom-badin’i Jôsefa;
fa raha mbola tsy niray trano izy ireo,
dia hita fa nanana anaka avy tamin’ny Fanahy Masina izy.
Ary i Jôsefa vadiny, noho izy lehilahy marina,
sady tsy ta-hanala baràka azy,
dia nikasa hametraka azy mangingina.
Nefa raha mbola nieritreritra izany izy,
indro ny anjelin’ny Tompo niseho taminy, tamin’ny nofy,
ka nanao hoe:
“Ry Jôsefa, zanak’i Davida,
aza matahotra hampakatra an’i Maria vadinao,
fa ny Zaza ao an-kibony dia avy amin’ny Fanahy Masina
ary hiteraka Zazalahy izy,
ka ny anarany hataonao hoe Jesoa,
fa Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin’ny fahotany.”
Ary izany rehetra izany no tonga,
dia mba hahatanteraka izay nampilazain’ny Tompo ny mpaminany hoe:
“Indro ny Virjiny hitoe-jaza ka hiteraka Zazalahy,
ary ny anarany hatao hoe Emanoela,
izany hoe amintsika Andriamanitra.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôlôsy (Kôl. 1, 9-14)
Ry kristianina havana,
hatramin’ny andro nandrenesanay ny fitiavanareo,
dia tsy tapaka ny mivavaka ho anareo izahay;
ary izao no angatahinay:
mba hofenoina ny fahalalana tsara ny sitrapon’Andriamanitra,
amin’ny fahendrena amam-pahazavàn-tsaina rehetra ara-panahy ianareo,
ka handeha mendrika ny Tompo, sy mahafa-po Azy amin’ny zavatra rehetra;
mba hahavokatra amin’ny asa soa rehetra ianareo,
sady hitombo fahalalana an’Andriamanitra,
mba hampahatanjahina amin’ny hery rehetra araka ny fahefany be voninahitra ianareo,
ka handefitra ny zavatra rehetra amim-paharetana sy an-kafaliana;
ary misaotra ny Ray,
izay nahamendrika antsika hanana anjara amin’ny lovan’ny olomasina any amin’ny mazava,
tamin’Izy nanafaka antsika tamin’ny fahefan’ny maizina,
ka namindra antsika ho amin’ny fanjakan’ny Zanany malalany,
dia Izy kosa no ananantsika ny fanavotana sy ny famelana ny fahotantsika.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 97, 2-3a. 3de-4. 5-6
Hitan’ny firenena rehetra
ny famonjeny amam-pahamarinany.
Mba tsarovy, ry Israely,
ilay Fitiavany tsy mivadika.
He zahao e, ry vazan-tany,
izato vonjin’Andriamanitra.
O ry tany, derao ny Tompo,
ka mientàna amin-karavoana!
Ndao, antsao am-baliha ny Tompo;
anaovy antsa sy fihobiana.
Feon’antsiva sy anjomara
enti-midera ny fiandrianany!
Aleloia. Aleloia.
Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo; satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 5, 1-11)
Tamin’izany andro izany,
raha teo amoron’ny farihin’i Genezareta i Jesoa,
dia nifanesika nankeo aminy ny vahoaka mba hihaino ny tenin’Andriamanitra.
Nahita sambo kely roa niantsona teo amoron-drano Izy
(fa niala hanasa ny haratony ny mpanarato),
dia niditra tamin’ny sambo kely anankiray izay an’i Simôna
ka nangataka taminy mba hihataka kely amin’ny tany,
vao nipetraka teo an-tsambo kely nampianatra ny vahoaka.
Rahefa nitsahatra niteny Izy,
dia nanao tamin’i Simôna hoe:
“Mandrosoa eny amin’ny lalina,
dia alatsaho ny haratonareo hahazoana hazandrano.”
Fa hoy ny navalin’i Simôna Azy:
“Tompoko, efa niasa mafy nandritra ny alina izahay,
fa tsy nahazo na inona na inona;
nefa noho ny teninao, dia halatsako ihany ny harato.”
Nony nanao izany izy,
dia nahazo hazandrano be dia be ka nisy rovitra ny haratony.
Ary nanàtsika ny namany izay teny amin’ny sambo kely hafa izy ireo
mba ho avy hanampy azy:
dia tonga ireo,
nofenoiny ny sambo kely roa ka efa saika nilentika ny sambo.
Nony nahita izany i Simôna Piera
dia niankohoka tamin’ny tongotr’i Jesoa ka nanao hoe:
“Mialà amiko, Tompoko, fa mpanota aho.”
Fa talanjona izy sy izay rehetra teo aminy,
noho ny habetsahan’ny hazandrano azony;
ary toy izany koa i Jakôba sy i Joany, zanak’i Zebede
izay iray raharaha tamin’i Simôna.
Dia hoy i Jesoa tamin’i Simôna:
“Aza matahotra,
fa hatramin’izao dia hanarato olona ianao.”
Dia nampiantsona ny sambo kely tamin’ny tany niaraka tamin’izay izy ireo
ka namoy ny zavatra rehetra ary nanaraka Azy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôlôsy (Kôl. 1, 1-8)
I Paoly Apôstôlin’i Jesoa Kristy, noho ny sitrapon’Andriamanitra,
sy i Timôte rahalahy,
dia mamangy ny olona masina sy ny mpino havana ao amin’i Kristy Jesoa,
any Kôlôsy:
homba anareo anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika!
Tsy tapaka ny misaotra an’Andriamanitra Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika izahay,
amin’ny fivavahana ataonay ho anareo,
hatramin’ny nandrenesanay ny finoanareo an’i Kristy Jesoa,
sy ny fitiavanareo ny olona masina rehetra,
noho ny fanantenanareo ny valisoa miandry anareo any an-danitra,
araka ny renareo tamin’ny teny marin’ny Evanjely.
Ny Evanjely efa tonga atý aminareo,
dia tonga amin’izao tontolo izao mihitsy,
sady vokatra sy mitombo toy ny atý aminareo koa,
hatramin’ny andro nandrenesanareo azy
sy nahalalanareo tsara ny fahasoavan’Andriamanitra ao anatin’ny marina,
araka ny fampianarana noraisinareo tamin’i Epafrasy,
izay namanay malalanay amin’ny fanompoana an’Andriamanitra,
sy mpandraharahan’i Kristy mahatoky tokoa, ao aminareo.
Izy no nandrenesanay ny fitiavanareo ara-panahy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 51, 10. 11
Fototr’ôliva maitso mavana aho
ao an-tranon’Andriamanitra,
matoky ny hatsaram-pon’Andriamanitra
mandrakizay antaranoana.
Izaho hidera Anao noho ny asanao,
ry Ilay mandrakizay!
hitory ny Anaranao izay tsara,
anoloan’ny mpivavaka aminao.
Aleloia. Aleloia.
Velomy araka ny hatsaram-ponao aho, mba hitandremako ny fanambarana avy amin’ny vavanao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 4, 38-44)
Tamin’izany andro izany,
nony nitsangana niala tao amin’ny sinagôga i Jesoa,
dia niditra tao an-tranon’i Simôna.
Sendra azon’ny tazo mahery ny rafozambavin’i Simôna tamin’izay,
ka niangavian’ny olona Izy hahasitrana azy.
Niondrika teo amin’ny marary Izy nandidy ny tazo,
dia niala ny tazo,
ka nitsangana niaraka tamin’izay ravehivavy ary nampihinana azy ireo.
Nony maty ny masoandro,
izay nanana marary na inona na inona aretiny
dia samy nitondra ny azy teo aminy,
ka nametra-tanana tamin’izy ireo tsirairay avy dia nahasitrana azy.
Nisy demony nivoaka tamin’ny olona maro koa niantso hoe:
“Ianao no Zanak’Andriamanitra”;
fa norahonany tsy hiteny izy ireo noho izy nahalala Azy ho i Kristy.
Raha vao naraina ny andro,
dia lasa nankany amin’ny toerana mangingina anankiray Izy.
Vahoaka maro no nandeha nikaroka Azy,
ka nony tonga tao aminy dia nitady hihazona Azy tsy hisaraka aminy intsony;
fa hoy Izy taminy:
“Tsy maintsy mitory ny fanjakan’Andriamanitra amin’ny tanàna maro hafa koa Aho,
fa izany no nanirahana Ahy.”
Dia nitory teny tao amin’ny sinagôgan’i Galilea manontolo Izy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Tesalônika (1 Tes. 5, 1-6. 9-11)
Ry kristianina havana,
ny amin’ny andro sy ny fotoana hiavian’ny Tompo,
dia tsy ilaina akory ny hanoratanay izany aminareo,
satria efa mahalala marina rahateo ianareo
fa ho avy toy ny mpangalatra amin’ny alina ny andron’ny Tompo.
Amin’ilay hanaovan’ny olona hoe:
“Fiadanana sy fandriam-pahalemana re izany!”
iny indrindra no hilatsahan’ny fandringanana tampoka amin’izy ireo,
tahaka ny fihetsehan-jaza amin’ny bevohoka,
ka tsy afa-mandositra izy.
Ianareo, anefa, ry kristianina havana,
dia tsy mba ao amin’ny maizina,
ka tsy mba hanampoka anareo toy ny mpangalatra izany andro izany;
fa zanaky ny mazava avokoa ianareo, ary zanaky ny andro koa;
tsy misy an’ny alina isika na an’ny maizina akory.
Koa aza mba matory tahaka ny sasany isika,
fa aoka hiari-tory sy hifady hanina.
Satria tsy ho an’ny fahatezerana no nanendren’Andriamanitra antsika,
fa ny hahazo famonjena amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompotsika,
izay maty ho antsika mba hahatonga antsika hiara-belona aminy,
na mahatsiaro na matory isika.
Noho izany àry, mifanalà alahelo ianareo,
ary mifamporisiha handroso,
araka ny efa ataonareo rahateo.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 26, 1. 4. 13-14
Ny Tompo no fanilo sy vonjiko:
iza no hatahorako?
Ny Tompo no mandan’ny aiko:
zovy no hangovitako?
Fangatahana tsy mahasasatra ahy
sy tozoiko indrindra, ry Tompo:
dia ny honina ao an-tranon’ny Tompo
amin’ny andro rehetra iainako.
Eny, matoky aho fa hahita ny hasoan’ny Tompo
any amin’ny tanin’ny velona.
Mahandrasa ny Tompo, marisiha;
mahereza fo, mahandrasa ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ka ho tian’ny Raiko ary hankao aminy izahay ka honina ao aminy.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 4, 31-37)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nidina tany Kafarnaôma tanànan’i Galilea,
ka nampianatra ny olona tamin’ny sabata,
ary gaga ny olona tamin’ny fampianarany,
satria niteny toy ny manam-pahefana Izy.
Tao amin’ny sinagôga dia nisy lehilahy azon’ny demony maloto,
ka niantso mafy nanao hoe:
“Aoka re,
fa mifandraharaha inona aminao izahay,
ry Jesoa avy any Nazareta ô?
Tonga handringana anay va Ianao?
Fantatro raha Ianao,
dia ilay Masin’Andriamanitra.”
Fa notenenin’i Jesoa mafy izy nataony hoe:
“Mangina ary mialà amin’io lehilahy io.”
Dia nandavo azy tamin’ny tany teo afovoan’ny olona teo ny demony
vao nivoaka niala taminy,
nefa tsy nandratra azy akory.
Talanjona izy rehetra, ka nifampilaza hoe:
“Teny manao ahoana re izany?
fa mandidy ny fanahy maloto amin-kery sy fahefana Izy,
dia miala ireny.”
Ary niely tamin’izany tany rehetra izany ny lazany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Tesalônika (1 Tes. 4, 13-18)
Ry kristianina havana,
tsy tianay ny tsy hahafantaranareo ny amin’izay efa nody mandry,
sao dia malahelo toy ny sasany tsy manam-panantenana koa ianareo.
Fa araka ny inoantsika an’i Jesoa ho efa maty sy nitsangan-ko velona
no hitondran’Andriamanitra an’izay nody mandry hiaraka aminy koa,
amin’ny alalan’i Jesoa.
Ka izao no lazainay aminareo, araka ny tenin’ny Tompo:
Isika izay velona sy tavela ho amin’ny fiavian’ny Tompo,
dia tsy mba hialoha izay efa nody mandry tsy akory;
fa hisy baiko homena, sy feon’arkanjely, ary feon-trômpetran’Andriamanitra,
dia hidina avy any an-danitra ny tenan’Izy Tompo,
ka izay maty tao amin’i Kristy no hitsangana aloha;
rahefa izany,
hakarina hiaraka amin’izy ireo eny amin’ny rahona koa isika velona sisa tavela,
hitsena ny Tompo eny amin’ny habakabaka
dia ho any amin’ny Tompo mandrakizay isika.
Koa izany teny izany àry no aoka hifanalanareo alahelo.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 95, 1 sy 3. 4-5. 11-12. 13
Ihirao hira vao ny Tompo!
Ihirao ny Tompo, ry tany tontolo!
Ambarao ny firenena ny voninahiny,
ny vahoaka rehetra, ny asany mahagaga!
Fa lehibe ny Tompo sy mendri-dera fatratra,
mahatahotra noho ny andriamanitra rehetra!
Ny andriamanitr’ireo vahoaka tsinontsinona avokoa;
ny Tompo kosa nanao ny lanitra!
Aoka hifaly ny lanitra, hiravo ny tany,
hidobodoboka ny riaka sy izay mameno azy,
hibitaka ny saha sy izay rehetra ao aminy,
hanakora avokoa ny hazo any an’ala.
Mba hitsena ny Tompo;
fa tamy Izy mba hitsara ny tany,
hitsara ny tontolo araka ny rariny,
sy ireo vahoaka araka ny hitsiny!
Aleloia. Aleloia.
Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana. Ankamasino amin’ny fahamarinana izahay.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 4, 16-30)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa dia tonga tany Nazareta tanàna nahabe Azy,
ary niditra tao amin’ny Sinagôga araka ny fanaony tamin’ny andro sabata,
ary nitsangana hanao ny famakian-teny.
Natolotra Azy ny bokin’i Izaia mpaminany,
ka nony novelariny dia hitany ny teny voasoratra hoe:
“Ato amiko ny Fanahin’ny Tompo,
fa nanosotra ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo Izy
sy naniraka ahy hankahery ny torotoro fo,
hilaza fahafahana amin’ny mpifatotra sy fahiratana amin’ny jamba,
hanafaka izay nampahorìna
ary hitory ny taom-pahasoavan’ny Tompo sy ny andron’ny famaliana.”
Nony nahorony ny boky dia naveriny tamin’ny mpitandrina
ka nipetraka Izy,
ary nifantoka tany aminy avokoa ny mason’izy rehetra tao amin’ny sinagôga.
Dia rafitra niteny taminy indray i Jesoa nanao hoe:
“Androany no efa tanteraka eo amin’ny sofinareo izany Soratra izany.”
Ary nankalaza Azy izy rehetra,
sady talanjona noho ny tenim-pahasoavana naloaky ny vavany, ka hoy ireo:
“Tsy ny zanak’i Jôsefa va itý?”
Ary hoy kosa i Jesoa taminy:
“Marina raha tsy ataonareo amiko ilay ohabolana hoe:
‘Dokotera, sitrano aloha ny tenanao.
Ny zava-mahagaga renay nataonao tany Kafarnaôma
mba ataovy eto amin’ny tany nahabe Anao koa.’”
Dia notohiziny hoe:
“Lazaiko marina aminareo
fa tsy misy mpaminany hajaina amin’ny tany nahabe azy.
Ary lazaiko marina aminareo koa
fa maro ny mpitondratena tamin’i Israely tamin’ny andron’i Elia,
raha nihantona telo taona sy enim-bolana ny orana
ka voan’ny mosary mafy ny tany rehetra,
nefa tamin’izy ireo tsy nisy nanirahana an’i Elia na dia anankiray aza,
fa tamin’ilay vehivavy mpitondratena tany Sareptà
any amin’ny tany Sidôna ihany;
ary be koa ny boka tao amin’i Israely tamin’ny andron’i Elisea mpaminany,
nefa tsy nisy sitrana na iray aza,
fa i Naamàna Sirianina ihany.”
Dia tezitra mafy izay rehetra tao amin’ny sinagôga raha nandre izany,
ka tafatsangana nandroaka Azy hiala ao an-tanàna,
sady nitondra Azy tany an-tampon’ny tendrombohitra iorenan’ny tanànany
mba hazerany any an-tevana;
fa namaky teo afovoan’izy ireo Izy, dia lasa.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Bokin’i Jeremia Mpaminany (Jer. 20, 7-9)
Notarihinao aho, ry Tompo, ka voatarika.
Nosamborinao aho, ka nahery Ianao.
Zavatra fihomehezana aho isan’andro;
maneso ahy avokoa ny olona rehetra.
Fa isaky ny miteny aho, dia manao antso avo,
manambara loza sy fandringanana,
ka ny tenin’ny Tompo tonga fandatsana sy fihomehezana ahy isan’andro.
Hoy aho:
“Tsy hilaza ny aminy intsony aho,
tsy hiteny amin’ny Anarany intsony aho!...”
dia nisy toy ny afo nirehitra ato am-poko,
voahidy ao anatin’ny taolako;
nanao izay hihazonana azy aho,
nefa tsy nahatana azy.
— Izany ary ny tenin’ny Tompo.
Sal. 62, 2. 3-4. 5-6. 8-9
Andriamanitra ô, Ianao no Andriamanitro!
Vao maraina aho maniry Anao;
mangetaheta Anao ny fanahiko;
matimaty Anao ny nofoko;
toy ny tany maina sy mangentana,
toy ny tany haraka, mila rano!
Tao an-toerana masina
no nahitako Anao;
tao aho nibanjina
ny herinao sy ny voninahitrao:
ka ny molotro nidera Anao,
fa ny fitiavanao, tsara noho ny aina!
Eny, hisaotra aho raha mbola velona;
ny Anaranao hanandratako tanana:
ka ny fanahy ho heni-tsoa,
ny molotra hihoby, ny vava hidera.
Fa notsenainao ny vonjinao aho,
ka mibitaka alofan’ny elatrao;
ny fanahiko mifikitra aminao,
ny tananao mihazona ahy.
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 12, 1-2)
Ry kristianina havana,
mangataka aminareo aho,
noho ny famindram-pon’Andriamanitra,
samia re manolotra ny tenanareo amin’Izy Tompo,
ho sorona velona, masina, ankasitrahiny;
fa izany no fanompoam-panahy mety hataonareo aminy.
Ary aza manaraka an’izao tontolo izao,
fa miovà amin’ny fanavaozan’ny Fanahy,
mba hahafantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra,
izay sady soa sy ankasitrahiny no lavorary.
— Izany ary ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Misaotra Anao aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao amin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 16, 21-27)
Tamin’izany andro izany,
dia noborahin’i Jesoa tamin’ny mpianany
fa tsy maintsy ho any Jerosalema Izy,
ary hoampijalian’ny loholona sy ny mpanora-dalàna mbamin’ny lohandohan’ny mpisorona,
dia hovonoina,
ary hitsangan-ko velona rehefa afaka hateloana.
Ary naka Azy hitanila kely i Piera ka niteny Azy mafy hoe:
“Sanatria, Tompo, raha hihatra aminao izany!”
Fa nihodina Izy ka nilaza tamin’i Piera hoe:
“Mialà amiko, ry Satana!
Manafintohina Ahy ity ianao,
satria tsy mihevitra araka ny hevitr’Andriamanitra,
fa araka ny an’ny olona”.
Ary tamin’izay i Jesoa dia nilaza tamin’ny mpianany hoe:
“Raha misy te hanaraka Ahy,
aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazofijaliany,
ka hanaraka Ahy.
Fa izay te hamonjy ny ainy no hahavery azy,
ary izay hahafoy azy noho ny amiko no hahazo azy.
Inona no soa azon’ny olona raha mahazo izao tontolo izao izy,
nefa very ny fanahiny?
Fa ny Zanak’olona dia ho avy amin’ny voninahitry ny Rainy
miaraka amin’ny Anjeliny,
ka amin’izay dia hamaly ny olona araka ny nataony Izy”.
— Izany ary ny tenin’ny Tompo.
Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Tesalônika (1 Tes. 4, 9-12)
Ry kristianina havana,
ny amin’ny fifankatiavan’ny mpirahalahy,
dia tsy ilaina ny hanoratana izany aminareo,
satria tenanareo no nampianarin’Andriamanitra hifankatia
sady efa manao izany rahateo amin’ny rahalahy rehetra eran’i Masedônia ianareo.
Miangavy aminareo anefa izahay, ry kristianina havana,
mba handroso kokoa mandrakariva amin’izany.
Mahaiza miaina amim-piadanana,
sy manatanteraka tsara ny raharahanareo,
ary miasa tanana araka ny nandidianay anareo,
mba handehananareo amim-pahamendrehana amin’izay eo ivelany,
sy tsy hiankinanareo amin’olona foana.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 97, 1. 7-8. 9
Ihirao hiravao ny Tompo:
fa nahavita zava-mahagaga!
Namonjy Azy ny tanany havanana,
nanampy Azy ny sandriny masina!
Aoka hidobodoboka ny ranomasina sy izay mameno azy,
izao rehetra izao sy izay monina ao aminy!
Ny ony aoka hiteha-tanana;
ny vohitra indray hanakora.
Mba hitsena ny Tompo izay tamy!
Fa tamy Izy mba hitsara ny tany,
hitsara ny tontolo araka ny rariny,
sy ireo vahoaka araka ny hitsiny!
Aleloia. Aleloia.
Ny Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika no nampahiratra ny masom-panahintsika mba hahalalantsika ny fanantenana izay niantsoana antsika.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 25, 14-30)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nilaza itý fanoharana itý tamin’ny mpianany nanao hoe:
“Andriamanitra hanao tahaka ny lehilahy anankiray handeha hivahiny
ka niantso ny mpanompony sy nametraka ny fananany taminy.
Ny anankiray nomeny talenta dimy, ny anankiray roa, ary ny anankiray iray;
samy araka ny fahaizany avy dia lasa nandeha izy.
Ilay nandray talenta dimy dia nandeha nampiasa izany,
ka nahazo tombom-barotra dimy koa.
Toraka izany ilay nandray roa dia nahazo tombom-barotra roa koa;
fa ilay tsy nandray afa-tsy talenta iray kosa,
nandeha nihady tany, dia naleviny tao ny volan’ny tompony.Nony ela dia niverina ny tompon’ireo mpanompo ireo,
ka nampamoaka azy ny amin’ny volany.
Dia nanatona ilay nandray talenta dimy,
nitondra talenta dimy hafa koa ka nanao hoe:‘Talenta dimy, tompoko, no napetrakao tamiko,
ary indreto nahazo tombom-barotra talenta dimy koa aho.’Dia hoy ny tompony taminy:
‘Tsara izany, ry mpanompo tsara sy mahatoky,
noho ianao nahatoky tamin’ny kely
dia hataoko mpitantana ny be ianao:
miaraha mifaly amin’ny tomponao.’Ary nanatona koa ilay nandray talenta roa, dia nanao hoe:
‘Talenta roa, tompoko, no napetrakao tamiko,
ary indro nahazo tombom-barotra roa hafa aho.’Dia hoy ny tompony taminy:
‘Tsara izany, ry mpanompo tsara, sy mahatoky,
noho ianao nahatoky tamin’ny kely,
dia hataoko mpitantana ny be ianao:
miaraha mifaly amin’ny tomponao.’Dia mba nanatona kosa ilay tsy nandray afa-tsy talenta iray ka nanao hoe:
‘Tompoko, fantatro fa olona lozabe ianao,
fa mijinja amin’izay tsy namafazanao,
ary manangona amin’izay tsy nanahafanao,
ka natahotra aho,
dia lasa naleviko tany anaty tany ny talentanao;
koa indro averiko aminao ny anao.’Namaly ilay tompony ka nanao taminy hoe:
‘Ry mpanompo ratsy sady kamo,
fantatrao fa mijinja amin’izay tsy namafazako aho,
ary manangona amin’izay tsy nanahafako;
koa tokony ho napetrakao tany amin’ny mpampanàna ny volako,
ary rahefa tonga aho dia ho nandray ny ahy mban-janany.
Alao àry ny talenta any amin’io ka omeo ilay manana talenta folo;
fa izay manana no homena, ka hanam-be izy,
fa izay tsy manana kosa dia halaina aminy mbamin’izay ananany aza.
Ary ilay mpanompo tsy vanon-ko inona
dia ario any amin’ny maizina any:
any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify.’”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Tesalônika (1 Tes. 4, 1-8)
Ry kristianina havana,
izao no angatahinay sy ihantanay aminareo ao amin’i Jesoa Tompo:
efa nianaranareo taminay izay fitondran-tena mety hankatsitrahan’Andriamanitra,
sady efa arahinareo koa,
ka mandrosoa mandrakariva amin’ny fandehanana araka izany.
Efa fantatrareo araka ny didy nomenay anareo avy amin’i Jesoa Tompo,
fa ny hanamasinanareo ny tenanareo no sitrapon’Andriamanitra:
dia ny hifadianareo ny fijangajangana,
sy ny hahaizanareo tsirairay avy manana ny fanaky ny tenanareo
amin’ny fahamasinana sy fananan-kaja,
fa tsy amin’ny filan-dratsin’ny nofo araka ny fanaon’ny jentily
izay tsy mahalala an’Andriamanitra,
ary ny tsy hisian’ny olona manao an-keriny
na an-kafetsena amin’ny rahalahiny amin’izany raharaha izany,
fa ny Tompo no mpamaly izany rehetra izany,
araka ny efa voalazanay sy nasehonay marina taminareo;
satria tsy ho amin’ny fahalotoana,
fa ho amin’ny fahamasinana no niantsoan’Andriamanitra antsika.
Koa izay manamavo izany didy izany,
dia tsy manamavo olombelona, fa manamavo an’Andriamanitra,
izay nanome ny Fanahy Masina ho ao aminareo.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 96, 1 sy 2b. 5-6. 10. 11-12
Aoka hifaly izany tany fa manjaka izao ny Tompo,
koa samia manao koràna ianareo nosy maro
fa ny rahona no lamba ihodidinan’ny Mpanjaka.
E! ny rariny sy ny hitsiny ijoroany ao an-drova.
Fa ny tany raha mahita tsy mitsaha-mihorohoro,
tendrombohitra amin’izany dia mitsonika mikoa.
Fahamarinany no tian’izany lanitra hambara;
voninahiny tazano hita mason’ny vahoaka.
Andriamanitra mahery sy ambony tsisy fetra:
Ianao manerinerina mifehy ny tontolo.
Ianareo izay tia ny Tompo, andosiro re ny ratsy,
fa ny Tompo dia mitandrina an’ireo izay mino Azy.
Ny hazavana vao mitranga: ny olo-marina no tràny,
ka somebin-karavoana izay mahitsy fo rehetra.
Mifalia, ry olo-marina, eo imason’izy Tompo.
Eny, masina ny Anarany, koa tongava ianao hisaotra!
Aleloia. Aleloia.
Miambena ianareo ary aoka ho vonona: fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’Olona.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 25, 1-13)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nilaza itý fanoharana itý tamin’ny mpianany nanao hoe:
“Ny Fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny virjiny folo izay naka ny fanalany,
ka lasa nitsena ny mpampakatra sy ny ampakarina.
Ny dimy tamin’izy ireo dia adala, fa ny dimy kosa hendry;
ny dimy adala nitondra fanala fa tsy nitondra solika;
fa ny hendry kosa nitondra fanala sy solika tamin’ny fitoeran-tsolika.
Ary noho ny fahelan’ny mpampakatra, dia samy rendremana izy rehetra ka natory.Fa nony nisasaka ny alina, dia nisy niantso mafy hoe:
‘Intý tamy ny mpampakatra, mandehàna mitsena azy ianareo.’
Tamin’izay, dia niarina ireo virjiny rehetra ireo ka nanamboatra ny jirony.
Ary hoy ny adala tamin’ny hendry:‘Mba omeo kely amin’ny solikareo izahay,
fa efa ho faty ny jironay.’Hoy ny navalin’ny hendry azy:
‘Ndrao tsy ampy ho anay sy anareo,
fa aleo mankany amin’ny mpivarotra ianareo,
ka mividiana ho anareo.’Ary raha mbola nandeha hividy izy, dia tonga ny mpampakatra
ka izay efa niomana no niara-niditra taminy tao amin’ny fampakaram-bady,
dia nohidiana ny varavarana.
Nony afaka kelikely,
dia tonga kosa ireto virjiny sasany ka nanao hoe:‘Tompoko, tompoko, vohay izahay.’
Fa hoy ny navaliny azy:
‘Lazaiko aminareo fa tsy fantatro akory ianareo.’
Koa miambena ianareo, fa samy tsy fantatrareo na ny andro na ny ora.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco